Manan-java-kendrena Mahatalanjona ny Fiainana
Fizarana 5
Manan-java-kendrena Mahatalanjona ny Fiainana
1, 2. Ahoana no ahafahantsika milaza fa miahy antsika Andriamanitra, ary aiza isika no tokony hitodika mba hahazoana valiny ho an’ireo fanontaniana momba ny fiainana?
1 Ny fomba nanaovana ny tany sy ireo zavamiaina eo aminy dia mampiseho fa ny Mpamorona azy ireo dia Andriamanitra fitiavana iray izay tena miahy tokoa. Ary ny Teniny, ny Baiboly, dia mampiseho fa miahy izy; izy io dia manome ireo valiny tsara indrindra azo raisina momba ny fanontaniana hoe: Nahoana isika no eto? Inona no miandry antsika amin’ny hoavy?
2 Mila ny mitady ireo valiny ireo ao amin’ny Baiboly isika. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Raha mitady Azy (...) hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.” (2 Tantara 15:2). Koa inona àry no ahariharin’ny fitadiavana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fikasany ny amintsika?
Ny antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona
3. Nahoana Andriamanitra no namorona ny tany?
3 Ny Baiboly dia mampiseho fa Andriamanitra dia nanomana ny tany tamin’ny fieritreretana momba ny olombelona indrindra. Milaza momba ny tany ny Isaia 45:18 fa “tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany [Andriamanitra] azy, fa nataony honenana”. Ary nasiany ny zavatra rehetra hilain’ny olona, tsy hoe mba hahavelomana fotsiny, fa mba hankafizana ny fiainana amin’ny fomba feno, ny tany. — Genesisy, toko 1 sy 2.
4. Nahoana Andriamanitra no namorona ireo olombelona voalohany?
4 Ao amin’ny Teniny, Andriamanitra dia milaza ny amin’ny namoronany ireo olombelona voalohany, i Adama sy i Eva, ary mampiharihary izay noeritreretiny ho an’ny fianakavian’olombelona. Hoy izy: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.” (Genesisy 1:26). Ny olombelona dia natao hiandraikitra “ny tany rehetra” sy ny biby noforonina eo amboniny.
5. Taiza no napetraka ireo olombelona voalohany?
5 Nanao zaridaina lehibe iray toy ny saha tao amin’ny faritra iray nantsoina hoe Edena, tany Moyen-Orient, Andriamanitra. Avy eo izy dia “nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy”. Izy io dia paradisa iray nisy izay rehetra hilain’ireo olombelona voalohany hohanina. Ary tao aminy dia nisy “ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana”, ary koa zavamaniry hafa sy ireo karazam-biby mahaliana maro be. — Genesisy 2:7-9, 15.
6. Nomena toetra tsara ara-tsaina sy ara-batana inona avy ireo olombelona fony noforonina?
6 Ny vatan’ireo olombelona voalohany dia noforonina tanteraka, mba tsy harary, hihantitra na ho faty. Nomena toetra tsara hafa koa izy ireo, toy ny safidy malalaka. Ny fomba nanaovana azy ireo dia hazavaina toy izao ao amin’ny Genesisy 1:27: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” Koa satria noharìna araka ny endrik’Andriamanitra isika, dia nomena, tsy toetra ara-batana sy ara-tsaina fotsiny, fa lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy koa, ary ireo dia tsy maintsy omena fahafaham-po raha tiantsika ny ho sambatra marina. Andriamanitra dia hanome ny fomba hahafahana hameno ireo zavatra ilaintsika ireo, toy ny ataony amin’ny filantsika sakafo sy rano ary rivotra. Araka ny nolazain’i Jesosy Kristy, dia “tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. — Matio 4:4.
7. Didy inona no nomena ny mpivady voalohany?
7 Ambonin’izany, Andriamanitra dia nanome izao didy mahatalanjona izao ho an’ireo mpivady voalohany, fony izy ireo tao Edena: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany”. (Genesisy ). Ho afaka ny hiteraka zanaka tanteraka sy hitombo àry izy ireo. Ary rehefa hihamaro ny mponina olombelona, dia hanana ny asa mahafinaritra hanitatra ireo sisin’ilay paradisan’i Edena toy ny saha tany am-boalohany izy ireo. Amin’ny farany, ny tany manontolo dia ho tonga paradisa, honenan’olona tanteraka sy sambatra izay ho afaka hiaina mandrakizay. Mampahafantatra antsika ny Baiboly fa rehefa avy nanomboka izany rehetra izany Andriamanitra, dia ‘hitany izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany’. — 1:28Genesisy 1:31; jereo koa ny Salamo 118:17.
8. Tamin’ny fomba ahoana no tokony hikarakaran’ny olombelona ny tany?
8 Miharihary fa ny olombelona dia tokony hampiasa ny tany hampanompoiny mba handraisany soa. Kanefa tokony hatao amin’ny fomba mampiseho fahaiza-mandray andraikitra izany. Tokony ho mpitantana ny tany feno fanajana ny olombelona, fa tsy ho mpanimba azy akory. Ny fanimbana ny tany hitantsika amin’izao andro izao dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary ireo izay manao izany dia manao zavatra mifanipaka amin’ny zava-kendren’ny fiainana eto an-tany. Tsy maintsy hizaka ny famaizana noho izany izy ireo, satria ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’. — Apokalypsy 11:18.
Mbola fikasan’Andriamanitra ihany
9. Nahoana isika no matoky fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra?
9 Noho izany, hatrany am-boalohany, dia fikasan’Andriamanitra ny honenan’ny fianakavian’olombelona tanteraka eto an-tany mandrakizay ao amin’ny paradisa. Ary mbola fikasany ihany izany! Tsy misy isalasalana fa ho tanteraka izany fikasana izany. Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy”. “Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” — Isaia 14:24; 46:11.
10, 11. Tamin’ny fomba ahoana no niresahan’i Jesosy sy i Petera ary i Davida mpanao salamo momba ny Paradisa?
10 Niresaka momba ny fikasan’Andriamanitra hamerina paradisa eto an-tany indray i Jesosy Kristy rehefa nilaza tamin’ny lehilahy iray naniry hahazo fanantenana ny amin’ny hoavy hoe: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43, NW ). Ny apostoly Petera koa dia niresaka momba io tontolo vaovao ho avy io rehefa nilaza mialoha hoe: “Isika, araka ny teny fikasany [ny an’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao [fandaharam-pitondrana vaovao hanapaka avy any an-danitra] sy tany vaovao [fitambaran’olona vaovao ho eto an-tany], izay itoeran’ny fahamarinana.” — 2 Petera 3:13.
11 I Davida mpanao salamo koa dia nanoratra momba io tontolo vaovao ho avy io sy ny ho faharetany. Hoy ny nambarany mialoha: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Izany no antony nampanantenan’i Jesosy hoe: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” — Matio 5:5.
12, 13. Fintino ny fikasana mahatalanjon’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona.
12 Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona toy inona moa izany hoe hiaina mandrakizay eo amin’ny tany ho tonga paradisa sy ho afaka amin’ny faharatsiana, ny heloka bevava, ny aretina, ny alahelo ary ny fanaintainana rehetra! Ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, ny Teny ara-paminanian’Andriamanitra dia mamintina izany zava-kendrena mahatalanjona izany amin’ny fanambarana hoe: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Manampy teny toy izao izy io: “Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:4, 5.
13 Eny, manana fikasana mahatalanjona ao an-tsaina Andriamanitra. Izany dia ny amin’ny tontolo vaovao iray hisy fahamarinana, paradisa mandrakizay iray, araka ny nolazain’Ilay sady afaka manatanteraka no hanatanteraka tokoa izay ampanantenainy, satria ‘mahatoky sy marina ny teniny’.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 20, 21]
Nikasa ny hiainan’ny olombelona mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa Andriamanitra. Mbola izany ihany no fikasany
[Sary, pejy 22]
Ny tompon-trano iray dia afaka mampamoaka ny mpanofa trano izay mandrava ny tranony