Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Zava-kendrena ve eo Amin’ny Fiainana?

Misy Zava-kendrena ve eo Amin’ny Fiainana?

Fizarana 1

Misy Zava-kendrena ve eo Amin’ny Fiainana?

1. Inona matetika no anontanian’ny olona momba ny zava-kendren’ny fiainana, ary ahoana no namalian’ny olona iray izany?

Na ho ela na ho haingana, dia saika ny olona rehetra no manontany tena ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana. Moa ve ny zava-kendren’ny fiainana dia ny hiasa mafy mba hanatsarana ny toe-piainantsika, hamelona ny fianakaviantsika ary ho faty rehefa afaka 70 na 80 taona any ho any ka avy eo dia tsy hisy intsony mihitsy mandrakizay? Nilaza ny tanora iray izay nanana izany fiheverana izany fa tsy misy zava-kendrena hafa eo amin’ny fiainana afa-tsy ny “hiaina, hanan-janaka, ho sambatra ary avy eo dia ho faty”. Marina ve anefa izany? Ary moa ve ny fahafatesana tena mamarana ny zava-drehetra?

2, 3. Nahoana no tsy ampy mba hanomezana zava-kendrena ho an’ny fiainana ny fahazoana harena ara-nofo?

2 Olona maro any amin’ny tany tatsinanana sy tandrefana no mahatsapa fa ny zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainana dia ny hahazo harena ara-nofo. Mino izy ireo fa afaka mitarika ho amin’ny fiainana sambatra sy misy heviny izany. Ahoana anefa ny amin’ireo izay efa manankarena? Hoy ilay mpanoratra kanadianina atao hoe Harry Bruce: “Mahazendana ny isan’ireo olona manankarena manizingizina fa tsy sambatra ny tenany.” Hoy ny teny nanampiny: “Ireo fitsapan-kevi-bahoaka dia milaza fa misy toe-tsaina mahatsiravina izay tsy mahita afa-tsy ny lafy ratsin-javatra nahazo an’i Amerika Avaratra (...) Misy olona sambatra ve any ho any? Raha izany no izy, inona no tsiambaratelony?”

3 Nanambara toy izao i Jimmy Carter, prezidàn’i Etazonia taloha: “Nanjary hitantsika fa ny fananana zavatra sy ny fandaniana zavatra dia tsy mahafa-po ny faniriantsika hahazo hevi-javatra. (...) Ny fanangonana zavatra ara-nofo dia tsy afaka mameno ny fahafoanan’ny fiainana izay tsy ahitana fatokian-tena na zava-kendrena.” Ary hoy koa ny mpitondra ara-politika hafa iray: “Efa an-taonany maromaro aho izao no nitady fatratra ireo fahamarinana momba ny tenako sy ny fiainako; olona maro hafa fantatro no manao izany koa. Tena betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ireo olona manontany hoe: ‘Iza isika? Inona no zava-kendrentsika?’ ”

Toe-piainana sarotra kokoa

4. Nahoana ny sasany no misalasala ny amin’ny fananan’ny fiainana zava-kendrena?

4 Maro no misalasala ny amin’ny fananan’ny fiainana zava-kendrena rehefa hitany fa nanjary sarotra kokoa ny toe-piainana. Maneran-tany dia olona maherin’ny arivo tapitrisa no marary mafy na tsy ampy sakafo, ka miteraka ny fahafatesan’ankizy eo amin’ny folo tapitrisa eo ho eo isan-taona atsy Afrika fotsiny. Ny mponin’ny tany, izay efa ho 6 arivo tapitrisa izao, dia miampy olona maherin’ny 90 tapitrisa hatrany isan-taona, ka maherin’ny 90 isan-jaton’izany fitomboana izany dia any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana. Ireo mponina tsy mitsaha-mihabetsaka ireo dia mampitombo ny sakafo sy ny fonenana ary ny taozava-baventy ilaina. Izany indray kosa dia mitondra fahasimbana fanampiny ho an’ny tany sy ny rano ary ny rivotra entin’ireo loto avy amin’ny taozava-baventy sy ny loto hafa.

5. Inona no manjo ny zavamaniry amin’ny tany?

5 Manao izao tatitra izao ny boky hoe World Military and Social Expenditures 1991: “Isan-taona dia ala mitovy velarana amin’i [Grande-Bretagne] manontolo no ringana. Araka izao fandehan’ny (fikapana hazo) ankehitriny izao, rehefa tonga ny taona 2000, dia ho efa nanaisotra ny 65 isan-jaton’ny ala any amin’ireo tany mafana sady mando isika.” Any amin’ireny faritra ireny, hoy ny masoivohon’ny Firenena Mikambana, dia hazo 10 no voakapa isaky ny hazo 1 voavoly; atsy Afrika aza dia hazo maherin’ny 20 isaky ny hazo 1 voavoly no voakapa. Mihamitombo àry ireo tany efitra, ary isan-taona dia faritra mitovy velarana amin’i Belzika no afoy ho an’ny fambolena.

6, 7. Inona avy ireo zava-manahirana sasantsasany izay tsy hain’ny mpitondra olombelona ny mandamina azy, koa fanontaniana inona avy no mila hovaliana?

6 Ankoatra izany, tamin’ity taonjato faha-20 ity dia avo efatra heny noho ny tamin’ireo taonjato efatra teo aloha mitambatra ny isan’ny olona maty noho ny ady. Hatraiza hatraiza, dia mitombo ny heloka bevava, indrindra fa ny heloka bevava feno herisetra. Ny firodanan’ny fianakaviana, ny fampiasana zava-mahadomelina, ny SIDA, ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ary ny anton-javatra ratsy maro hafa dia mahatonga ny fiainana ho sarotra kokoa. Ary ireo mpitondra eo amin’ny tany dia tsy afaka nanolotra fanafodiny ho an’ireo zava-manahirana manafotra ny fianakavian’olombelona. Noho izany, dia mora azo ny antony anontanian’ny olona hoe: Inona no zava-kendren’ny fiainana?

7 Ahoana no namalian’ireo manam-pahaizana sy mpitondra fivavahana an’io fanontaniana io? Taorian’izay taonjato maro lasa izay, moa ve izy ireo afaka nanome valiny mahafa-po?

Izay lazain’izy ireo

8, 9. a) Inona no nolazain’ny manam-pahaizana sinoa iray momba ny zava-kendren’ny fiainana? b) Inona no nambaran’ny olona iray tafita velona tamin’ny tobim-pahafatesana nazia?

8 Hoy i Tu Wei-Ming, manam-pahaizana iray mpanaraka ny fampianaran’i Confucius: “Ny tena hevitry ny fiainana dia hita eo amin’ny fiainan’olombelona tsotra ananantsika.” Araka izany fomba fijery izany, ny olombelona dia hanohy ho teraka, hiady mafy ho amin’ny fahavelomana ary ho faty. Tsy misy fanantenana firy amin’io fomba fahitan-javatra io. Ary marina akory ve izany?

9 I Elie Wiesel, tafita velona tamin’ireo tobim-pahafatesana nazia tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanao izao fanamarihana izao: “Ny hoe ‘Nahoana isika no eto?’ no fanontaniana lehibe indrindra tsy maintsy atrehin’ny olombelona iray. (...) Mino aho fa manana heviny ny fiainana na dia eo aza ilay fahafatesana tsy nisy antony hitako.” Kanefa tsy afaka nilaza izay hevitry ny fiainana izy.

10, 11. a) Ahoana no nampisehoan’ny mpamoaka gazety iray fa tsy manana ny valiny ny olombelona? b) Nahoana no tsy mahafa-po ny fomba fihevitry ny mpahay siansa iray mino ny fivoarana miandalana?

10 Hoy ny nambaran’i Vermont Royster, mpamoaka gazety: “Raha ny amin’ny fandinihana ny olombelona mihitsy, (...) ny toerany eo amin’izao rehetra izao, dia tsy lasa lavitra kokoa noho ny tamin’ny nanombohan’ny fotoana isika. Mbola eo ihany ireo fanontaniana momba ny hoe iza isika sy hoe nahoana isika no misy ary hoe inona no miandry antsika amin’ny hoavy.”

11 Hoy ny nomarihin’i Stephen Jay Gould mpahay siansa mino ny fivoarana miandalana: “Mety haniry hahazo valiny ‘ambony’ kokoa isika — kanefa tsy misy ny toy izany.” Ho an’ny mino ny fivoarana miandalana toy izany, ny fiainana dia ady mafy ho amin’ny fahatafitana velon’ireo mahery indrindra, ka ny fahafatesana no mamarana ny zava-drehetra. Tsy misy fanantenana koa amin’io fomba fijery io. Ary eto indray koa, moa ve marina izany?

12, 13. Inona avy no fomba fijerin’ireo mpitondra fiangonana, ary moa ve izany mahafa-po kokoa noho ny an’ireo mpandinika tsy ara-pivavahana?

12 Mpitondra fivavahana maro no milaza fa ny zava-kendren’ny fiainana dia ny mba hanarahana fomba fiaina tsara, amin’izay, amin’ny fahafatesana, dia afaka mankany an-danitra ka hiaina mandrakizay any ny fanahin’ny olona iray. Ny safidy atolotra ireo olona ratsy dia ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny helo mirehitra afo. Kanefa, araka io finoana io, eto an-tany dia hitohy hitombo ihany ny fiainana tsy mahafa-po izay efa nanjaka nandritra ny tantara manontolo. Kanefa, raha fikasan’Andriamanitra ny hamponina ny olona any an-danitra toy ireo anjely, nahoana no tsy tonga dia noforoniny ho tahaka izany, toy ny nanaovany ireo anjely, izy ireo raha vao tany am-boalohany?

13 Na dia ireo mpitondra fivavahana aza dia sahirana amin’ny fomba fijery toy izany. Hoy ny Dr. W. R. Inge, lehiben’ny pretra taloha tao amin’ny Katedraly St. Paul any Londres, indray andro: “Nandritra ny fiainako manontolo aho dia niady mafy mba hahita ny zava-kendren’ny fiainana. Nanandrana aho ny hahita valiny ho an’ireto zava-manahirana telo ireto, izay noheveriko foana fa fanontaniana fototra: ny amin’ny mandrakizay; ny amin’ny maha-izy ny olombelona; ary ny amin’ny ratsy. Tsy nahomby aho. Tsy nisy voavaliko izy telo ireo.”

Ny vokany

14, 15. Inona no vokatr’ireo fomba fijery mifanipaka ireo eo amin’ny olona maro?

14 Inona no vokatr’ireo hevitra samy hafa maro be tanan’ny manam-pahaizana sy ny mpitondra fivavahana ireo momba ny fanontaniana ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana? Maro no mamaly toy ity lehilahy be taona ity izay nanao hoe: “Nanontany tena ny amin’ny antony maha-eto ahy aho nandritra ny ankamaroan’ny fiainako. Raha misy zava-kendrena aza, dia tsy raharahaiko intsony izao.”

15 Olona maro izay mahamarika ireo fomba fijery maro be mifamahofaho eo amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao no manatsoaka hevitra fa tsy dia mampaninona izay inoan’ny tena. Mihevitra izy ireo fa ny fivavahana dia tsy inona fa fanarian-dia ho an’ny saina fotsiny, zavatra izay manome fiadanan-tsaina sy fampiononana kely mba hahafahan’ny tena hizaka ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Ny hafa mihevitra fa ny fivavahana dia tsy inona fa finoanoam-poana fotsiny. Mihevitra izy ireo fa ny fanaovana famakafakana ara-pivavahana nandritra ny taonjato maro dia tsy namaly ilay fanontaniana momba ny zava-kendren’ny fiainana, no sady tsy nanatsara ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka. Raha ny tena izy aza, ny tantara dia mampiseho fa ireo fivavahan’ity tontolo ity dia nihazona ny olombelona tsy handroso ary nanjary antony niteraka fankahalana sy ady.

16. Amin’ny ahoana no maha-zava-dehibe ny fahitana ny zava-kendren’ny fiainana?

16 Kanefa, zava-dehibe akory ve ny hahitana ny fahamarinana momba ny zava-kendren’ny fiainana? Hoy ny navalin’i Viktor Frankl, manam-pahaizana manokana momba ny fahasalaman’ny saina: “Ny fiezahana mafy hahita fa misy heviny ny fiainany no hery voalohany manome antony manosika ho an’ny olona iray. (...) Sahiko ny milaza fa tsy misy zavatra hafa eto an-tany afaka manampy tsara ny olona iray hizaka na dia ny toe-piainana ratsy indrindra aza, ankoatra ny fahalalana fa misy heviny ny fiainany.”

17. Fanontaniana inona avy no ilaintsika hatao izao?

17 Koa satria ireo filozofia sy fivavahan’olombelona tsy nanazava tamin’ny fomba mahafa-po ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana, aiza àry no hitodihantsika mba hahitana azy io? Moa ve misy loharanom-pahendrena ambony izay afaka milaza amintsika ny fahamarinana momba io raharaha io?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

“Isan-taona dia ala mitovy velarana amin’i [Grande-Bretagne] manontolo no ringana”

[Sary, pejy 5]

“Nanontany tena ny amin’ny antony maha-eto ahy aho nandritra ny ankamaroan’ny fiainako”