Nahoana no Misy Fijaliana sy Tsy Rariny Be dia Be toy Izao?
Fizarana 6
Nahoana no Misy Fijaliana sy Tsy Rariny Be dia Be toy Izao?
1, 2. Eo anoloan’ny fanandraman-javatra hitan’ny olombelona, fanontaniana inona avy moa no azo atao?
1 Kanefa, raha nikasa ny hiainan’ny olona tanteraka eto an-tany mandrakizay ao anatin’ny toe-piainana paradisa ilay Fisiana Tampony, ary raha mbola izany ihany no fikasany, nahoana no tsy misy paradisa amin’izao fotoana izao? Nahoana kosa aza ny olombelona no niharan’ny fijaliana sy ny tsy rariny nandritra ny taonjato maro be aoka izany?
2 Tsy isalasalana fa ny tantaran’olombelona dia feno fahoriana be noho ny ady, ny fanafihan’ny mpanjakazaka an-tanin’olona, ny fanararaotana, ny tsy rariny, ny fahantrana, ny loza, ny aretina ary ny fahafatesana. Nahoana no misy zava-dratsy be dia be toy izao nahavoa olona tsy nanan-tsiny be dia be aoka izany? Raha faran’izay mahery Andriamanitra, nahoana izy no namela izao fijaliana mihoa-pampana izao hisy nandritra ny an’arivony taona maro? Koa satria Andriamanitra namolavola sy nandamina izao rehetra izao tamin’ny fomba tsara aoka izany, nahoana izy no hamela ny korontana sy ny fandringanana hisy eto an-tany?
Ohatra iray
3-5. a) Ohatra inona no afaka hanampy antsika hahatakatra ny antony hamelan’ny Andriamanitry ny filaminana iray ny korontana hisy eto an-tany? b) Iza amin’ireo antony maromaro azo isafidianana no mifanentana amin’ny tarehin-javatra mahakasika ny tany?
3 Aoka isika haka ohatra iray mba hampisehoana ny antony hamelan’ny Andriamanitry ny filaminana iray ny korontana hisy eto an-tany. Alao sary an-tsaina kely hoe miditra ao anaty ala iray ianao ka mahita trano iray. Rehefa mizaha ilay trano ianao, dia mahita fa feno korontana ilay izy. Vaky ireo varavarankely, misy simba lehibe ny tafon-trano, feno loaka ilay lavarangana hazo, kely sisa dia hitsoaka ny varavarana ary tsy mandeha ireo fantsona fandehanan’ny rano.
4 Eo anoloan’ireo zavatra tsy mety rehetra ireo, moa ve ianao hanatsoaka hevitra fa tsy nety hisy mpamolavola nanan-tsaina namolavola io trano io? Moa ve ilay korontana hampiaiky anao fa tsy nety ho afa-tsy avy amin’ny kisendrasendra no nampisy
ilay trano? Sa kosa, raha manatsoaka hevitra ianao fa tena nisy olona namolavola azy sy nanao azy, moa ve ianao hihevitra fa tsy nahay sady tsy nahay nihevitra izany olona izany?5 Rehefa mandinika lalina kokoa ilay rafitra ianao dia mahita fa tany am-boalohany dia natao tamin’ny fomba tsara izy io ary manome porofon’ny fiahiana amam-piheverana lehibe. Izao anefa dia simba fotsiny izy io ary kely sisa dia ho rava. Inona no mety hasehon’ireo fahasimbana sy zava-manahirana hita ao? Mety hilaza izy ireo fa 1) maty ilay tompon-trano; 2) mpanao trano mahay izy saingy tsy liana intsony amin’ilay trano; na 3) nampanofa ny fananany tamin’ny mpanofa trano tsy mahay mankasitraka izy. Ity farany no mitovy amin’ny tarehin-javatra mahakasika ity tany ity.
Inona no tsy nandeha tsara?
6, 7. Inona no nanjo an’i Adama sy i Eva rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra izy ireo?
6 Avy amin’ny fiandohan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, dia mianatra isika fa tsy fikasan’Andriamanitra ny hijalian’ny olona na ny hahafatesany. I Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia maty kanefa rehefa avy tsy nankato an’Andriamanitra ihany. (Genesisy, toko 2 sy 3). Rehefa tsy nankato izy ireo, dia tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra intsony. Niala avy teo ambanin’ny fiahian’Andriamanitra izy ireo. Raha ny marina, dia nisaraka tamin’Andriamanitra, ilay “loharanon’aina”, izy ireo. — Salamo 36:9.
7 Toy ny milina iray mihamiadam-pandeha ka mijanona rehefa tafasaraka amin’ilay loharanon-keriny, dia nihanikororosy ny vatan’izy ireo sy ny sainy. Ho vokatr’izany, dia nihasimba, nihantitra ary farany dia maty i Adama sy i Eva. Inona no nitranga tamin’izay? Niverina tamin’izay niaviany izy ireo: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” Nampitandrina azy ireo toy izao Andriamanitra fa fahafatesana no ho vokatry ny tsy fankatoavana ireo lalàny: “Ho faty tokoa hianao.” — Genesisy 2:17; 3:19.
8. Inona no vokatry ny fahotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany teo amin’ny fianakavian’olombelona?
8 Tsy vitan’ny hoe maty fotsiny ireo ray aman-drenintsika voalohany, fa ny taranany rehetra, izany hoe ny taranak’olombelona manontolo, koa dia nanjary azon’ny fahafatesana. Fa nahoana? Satria, araka ireo lalàn’ny fandovan-toetra, ny zanaka dia mandova ireo toetra mampiavaka ny ray aman-dreniny. Ary ny nolovan’ny zanak’ireo ray aman-drenintsika voalohany rehetra dia ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana. Milaza amintsika toy izao ny Romana 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama, razamben’ny taranak’olombelona] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra [tamin’ny fandovana ny tsy fahatanterahana, izany hoe ireo fironana hanota]”. Ary satria ny ota sy ny tsy fahatanterahana ary ny fahafatesana no hany zavatra fantatry ny olona, dia misy mihevitra azy ireo ho voajanahary sy tsy azo ihodivirana. Kanefa ireo olombelona voalohany dia noforonina hanana ny fahafahana sy ny faniriana hiaina mandrakizay. Izany no antony mahatonga ny ankamaroan’ny olona hahita fa mahakivy aoka izany ny fahatsinjovana fa hofaranan’ny fahafatesana ny fiainany.
Nahoana no ela be toy izao?
9. Nahoana Andriamanitra no namela ny fijaliana haharitra ela be toy izao?
9 Nahoana Andriamanitra no namela ny olombelona hanao araka izay tiany nandritra ny fotoana ela be toy izao? Nahoana izy no namela ny fijaliana hisy nandritra ireny taonjato maro be rehetra ireny? Ny antony lehibe iray dia satria nisy fanontaniana tena lehibe iray nipoitra: Iza no manana ny zo hanapaka? Tokony ho ny Mpanapaka ny olombelona ve Andriamanitra, sa izy ireo afaka manapa-tena amim-pahombiazana tsy mila azy?
10. Fahafahana inona no nomena ny olombelona, ary niaraka tamin’ny andraikitra inona izany?
10 Noforonina hanana safidy malalaka ny olombelona, izany hoe, hanana ny fahafahana hifidy. Tsy natao mitovy amin’ny robots na amin’ny biby, izay tarihin’ny fanaovan-javatra tsy amim-pisainana voalohany indrindra, izy ireo. Afaka mifidy izay tiany hotompoina àry ny olombelona. (Deoteronomia 30:19; 2 Korintiana 3:17). Noho izany, dia manome izao torohevitra izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka ianareo ho toy ny olona afaka, kanefa amin’ny fitondrana ny fahafahanareo, tsy ho toy ny fanafenana ny zava-dratsy, fa amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra.” (1 Petera 2:16, NW ). Kanefa, na dia manana ny safidy malalaka, izay fanomezana mahatalanjona, aza ny olombelona, dia tsy maintsy manaiky ireo vokatry ny zavatra fidiny hatao izy ireo.
11. Inona no ho hany fomba hahitana raha afaka ny hahomby ny lalana iray tsy miankina amin’Andriamanitra?
11 Ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nanao ny safidy ratsy. Nifidy ny lalan’ny tsy fiankinana tamin’Andriamanitra izy ireo. Marina fa afaka namono avy hatrany io mpivady mpikomy voalohany io Andriamanitra taorian’ny
nampiasan’izy ireo ny safidiny malalaka tamin’ny fomba ratsy. Kanefa izany dia tsy ho namaly ilay fanontaniana momba ny zon’Andriamanitra hanapaka teo amin’ny olombelona. Koa satria ny mpivady voalohany naniry ny tsy fiankinana tamin’Andriamanitra, dia tsy maintsy valiana ilay fanontaniana hoe: Moa ve izany ho afaka hitondra fiainana sambatra sy mahomby? Ny hany fomba hahitana izany dia ny famelana ny ray aman-drenintsika voalohany sy ny taranany hanao araka izay tiany, satria izany no nofidiny hatao. Ny fotoana no hampiseho raha noforonina mba hahomby amin’ny fanapahan-tena tsy miankina amin’ny Mpamorona azy, ny olombelona.12. Ahoana no nanombanan’i Jeremia ny fanapahan’olombelona, ary nahoana no marina izany?
12 I Jeremia, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia nahalala ny vokatra ho azo. Notarihin’ny fanahy masina mahery, na hery miasan’Andriamanitra izy, ka nanoratra araka ny marina hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny [hitarika, NW ] ny diany. Jehovah ô, anaro aho”. (Jeremia 10:23, 24). Fantany fa ny olombelona dia tsy maintsy manana ny fitarihan’ny fahendren’Andriamanitra any an-danitra. Nahoana? Ny antony tsotra dia satria tsy namorona ny olombelona mba hahomby tsy mila ny fitarihany, Andriamanitra.
13. Inona no nasehon’ireo vokatry ny an’arivony taona maro nanapahan’ny olombelona ka tsy misy isalasalana na dia kely aza?
13 Ireo vokatry ny fanapahan’olombelona nandritra ny an’arivony taona maro dia mampiseho amin’ny fomba tsy misy isalasalana na dia kely aza fa tsy an’ny olombelona ny hitarika ny raharahan’ny tenany manokana tsy mila ny Mpamorona azy. Rehefa avy nanandrana nanao izany izy ireo, dia tsy afaka ny hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany noho ireo vokatra feno loza azony. Mampiseho izany mazava toy izao ny Baiboly: “Ny amin’ny Vatolampy [Andriamanitra], tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy. Efa nasian-dratsy Izy; tsy zanany ireny — [tsinin’izy ireo ihany, NW ] izany”. — Deoteronomia 32:4, 5.
Hisalovana tsy ho ela Andriamanitra
14. Nahoana Andriamanitra no tsy hampihemotra intsony ny fandraisana anjara amin’ny raharahan’ny olombelona?
14 Namela ny hisian’ny fampisehoana be dia be ny amin’ny tsy fahombiazan’ny fanapahan’olombelona nandritra ny taonjato maro, Andriamanitra. Afaka ny hisalovana eo amin’ny raharahan’ny olombelona amin’izay àry izy izao ary hamarana ny fijaliana, ny alahelo, ny aretina ary ny fahafatesana. Namela ny olombelona ho tonga eo
amin’ny fara tampon’ny zava-bitany eo amin’ny siansa, ny taozava-baventy, ny fitsaboana ary ny sahan’asa hafa, Andriamanitra. Tsy misy intsony àry antony ilan’Andriamanitra ny hamela taonjato fanampiny mba hitadiavan’ny olombelona tsy miankina amin’ny Mpamorona azy hanaporofo fa afaka mampisy tontolo iray miadana sy toy ny paradisa ny tenany. Tsy nanao izany izy ireo ary tsy afaka ny hanao izany. Ny tsy fiankinana tamin’Andriamanitra dia nitarika ho amin’ny tontolo iray tena maharikoriko, feno fankahalana ary mamono.15. Ny torohevitry ny Baiboly hoe ahoana no tokony harahintsika?
15 Na dia nisy mpitondra tso-po aza naniry ny hanampy ny olombelona, dia tsy nahomby ny ezaka nataon’izy ireo. Na aiza na aiza, amin’izao andro izao, dia ahitana porofon’ny faharavan’ny fanapahan’olombelona. Izany no antony anoroan’ny Baiboly hevitra hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” — Salamo 146:3.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 24, 25]
Na dia ireo mpanapaka tso-po aza dia tsy afaka nampisy tontolo iray miadana sy toy ny paradisa