Namadika An’andriamanitra sy ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
Fizarana 4
Namadika An’andriamanitra sy ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
1, 2. Nahoana ny olona sasany no tsy manana fanajana ny Baiboly, kanefa inona no lazain’ny Baiboly?
1 Olona any amin’ny tany maro no manalavitra ny Baiboly sady tsy manana fanajana azy io noho ny fitondran-tena ratsin’ireo izay mihambo ho manaraka azy. Any amin’ny tany sasany dia nisy nilaza fa ny Baiboly dia boky mitarika ho amin’ny ady, bokin’ny Vazaha ary koa hoe boky manohana ny fanjanahan-tany. Fomba fihevitra diso anefa ireo.
2 Ny Baiboly, nosoratana tany Moyen-Orient, dia tsy manohana ireo ady ho fanjanahan-tany sy ny fanararaotana feno faniriana mihoa-pampana natao tamin’ny anaran’ny Kristianisma nandritra ny fotoana ela be aoka izany. Mifanohitra amin’izany aza, rehefa mamaky ny Baiboly ianao ka mianatra ny amin’ireo fampianaran’ny Kristianisma marina nampianarin’i Jesosy, dia hahita fa ny Baiboly dia manameloka mafy ny ady sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny fanararaotana ny hafa. Ny fahadisoana dia tsy eo amin’ny Baiboly akory, fa eo amin’ny olona feno faniriana mihoa-pampana. (1 Korintiana 13:1-6; Jakoba 4:1-3; 5:1-6; 1 Jaona 4:7, 8). Koa aza avela hanakana anao tsy handray soa avy amin’ireo harena ao anatiny àry ny fitondran-tena ratsin’ireo olona tia tena izay miaina mifanohitra amin’ny torohevitra tsaran’ny Baiboly.
3. Inona no asehon’ireo zava-misy teo amin’ny tantara momba ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
3 Tafiditra ho anisan’ireo izay tsy manaraka ny torohevitry ny Baiboly ireo olona sy firenena
ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ny tiana holazaina amin’ny hoe “Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana” dia ny tapany amin’ny tany anjakan’ny fivavahana kristiana. Ny ankamaroany dia ireo tany tandrefana sy ireo rafitry ny fiangonana ao aminy, izay nanjary nahazo vahana nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. tany ho any. Nanana ny Baiboly efa hatramin’ny taonjato maro ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary ny klerjiny dia mihambo ho mampianatra azy io sy ho solontenan’Andriamanitra. Mampianatra ny fahamarinana ve anefa ny klerjy sy ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Moa ve ny zavatra ataon’izy ireo tena mampiseho an’Andriamanitra sy ny Baiboly? Moa ve tena manjaka tokoa ny Kristianisma ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Tsia. Hatramin’ny fotoana nahazoan’ireo Fivavahana ao aminy ny toerana aloha tamin’ny taonjato fahefatra, dia niseho ho fahavalon’Andriamanitra sy ny Baiboly izy io. Eny, ireo zava-nitranga tamin’ny tantara dia mampiseho fa namadika an’Andriamanitra sy ny Baiboly ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.Fampianarana tsy araka ny Baiboly
4, 5. Fampianarana tsy araka ny Baiboly inona avy no ampianarin’ireo fiangonana?
4 Ireo fampianarana fototry ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia miorina, tsy amin’ny Baiboly akory, fa amin’ny angano tranainy — ny an’i Grisia, i Egypta, i Babylona ary ny hafa koa. Ireo fampianarana toy ny tsy fahafatesana voajanaharin’ny fanahy (âme) olombelona, ny fampijaliana mandrakizay any amin’ny afobe, ny afo fandiovana ary ny Trinite (persona telo ao amin’ny Andriamanitra iray ihany) dia tsy hita ao amin’ny Baiboly.
5 Diniho, ohatra, ny fampianarana fa ny ratsy fanahy dia hampijalijalina mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra iray. Ahoana no fiheveranao momba izany hevitra izany? Maro no mahita azy io ho mahatsiravina. Hitan’izy ireo fa tsy araka ny azon’ny saina ekena izany hoe Andriamanitra hampijaly olombelona mandrakizay izany, ka hoe hihazona azy ireo ao anatin’ny fanaintainana mahafadiranovana. Izany hevitra feno halozana izany dia mifanohitra amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly, satria “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Mazava araka ny Baiboly fa ny fampianarana toy izany dia ‘tsy tonga tao am-pon’ilay’ Andriamanitra Tsitoha. — Jeremia 7:31, NW; 19:5, NW; 32:35, NW.
6. Ahoana no itsipahan’ny Baiboly ny fampianarana ny amin’ny fanahy (âme) tsy mety maty?
6 Amin’izao andro izao, dia fivavahana maro, anisan’izany ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, no mampianatra fa ny olombelona dia manana fanahy (âme) tsy mety maty, izay mankany an-danitra na any amin’ny afobe rehefa maty ilay olona. Tsy fampianarana araka ny Baiboly izany. Ny Baiboly kosa aza dia manambara mazava hoe: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, (...) fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny [Sheola, fanamarihana ambany pejy] [fasana] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10). Ary ny mpanao salamo dia manambara fa rehefa maty ny olona iray, dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. — Salamo 146:4.
7. Inona no famaizana nihatra tamin’i Adama sy i Eva noho ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra?
7 Tsarovy koa fa, rehefa nandika ny lalàn’Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia tsy hoe ny tsy fahafatesana akory no famaizana. Ny tsy fahafatesana dia ho valisoa fa tsy ho famaizana akory! Nilazana kosa aza izy ireo fa ‘hiverina any amin’ny tany, fa ny tany no nanalana azy’. Nanantitrantitra toy izao tamin’i Adama Andriamanitra: “Fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Araka izany àry, ny fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesana voajanaharin’ny fanahy (âme) dia tsy ao amin’ny Baiboly fa nindramin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana avy tany amin’ireo olona tsy kristiana izay niaina talohany.
8. Ahoana no itsipahan’ny Baiboly ny fampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny amin’ny Trinite?
8 Ankoatra izany, ny Triniten’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia mampiseho an’Andriamanitra ho toy ny Andriamanitra telo izay iray saro-pantarina. Io fampianarana io anefa dia tsy hita ao amin’ny Baiboly ihany koa. Ao amin’ny Isaia 40:25, ohatra, Andriamanitra dia manambara mazava hoe: “Ampitovinareo amin’iza moa Aho, hitahako aminy?” Miharihary ny valiny: Tsy misy afaka ny hitovy aminy. Ny Salamo 83:18 koa dia manambara amin’ny fomba tsotra hoe: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” — Jereo koa ny Isaia 45:5; 46:9; Jaona 5:19; 6:38; 7:16.
9. Inona no azontsika lazaina momba ireo fampianaran’ny Baiboly sy ireo fampianaran’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
9 Ireo fampianaran’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy ny fikasany dia mazava, mora azo ary azon’ny saina ekena. Tsy tahaka izany kosa anefa ireo fampianaran’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ny ratsy kokoa aza, dia manohitra ny Baiboly izy ireo.
Asa tsy araka an’Andriamanitra
10, 11. Amin’ny ahoana avy ireo fampianaran’ny Baiboly no mifanipaka amin’ny an’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
10 Ankoatra ny fampianarana zavatra diso, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia namadika an’Andriamanitra sy ny Baiboly tamin’ny asany. Izay nataon’ny klerjy sy ireo fiangonana nandritra ireo taonjato lasa, sady mbola ataony ihany amin’izao androntsika izao, dia ny mifanipaka amin’izay takin’ilay Andriamanitry ny Baiboly. Izany koa dia ny mifanipaka amin’izay nampianarin’ilay Mpanorina ny Kristianisma, dia i Jesosy Kristy, sy nataony.
11 I Jesosy, ohatra, dia nampianatra ny mpanara-dia azy mba tsy hitsabaka amin’ny raharaha ara-politikan’ity tontolo ity na handray anjara amin’ny adiny. Nampianatra azy ireo koa izy mba ho tia fihavanana, hanara-dalàna, ho tia ireo olombelona tahaka azy tsy misy fanavakavahana ary ho vonona mihitsy aza ny hanao sorona ny ainy fa tsy haka ny ain’ny hafa akory. — Jaona 15:13; Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 1 Jaona 4:20, 21.
12. Inona no nolazain’i Jesosy fa hahafantarana ireo Kristiana marina?
12 Nampianatra tokoa i Jesosy fa ny fitiavana ny olombelona hafa no ho marika hanavahana ny Kristiana marina amin’ny Kristiana sandoka, dia ireo mpihatsaravelatsihy. Hoy izy tamin’ireo izay ho mpanara-dia azy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:34, 35; 15:12.
13, 14. Inona no mampiseho fa tsy solontenan’Andriamanitra ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
1 Jaona 3:10-12, 15). Araka izany àry, na dia mihambo ho Kristiana aza ny klerjy sy ireo mpanara-dia azy, dia nanohitra ireo fampianaran’i Jesosy Kristy, izay nilaza tamin’ny mpanara-dia azy mba ‘hampiditra ny sabany amin’ny tranony’. — Matio 26:51, 52.
13 Kanefa, tao anatin’ireo taonjato nisesy, ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nitsabaka tamin’ny politika sady nanohana ireo adin’ireo fireneny. Nanohana ireo andaniny nifanandrina tamin’ireo ady nifanaovana teo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mihitsy aza izy ireo, toy ireo ady lehibe roa tamin’ity taonjato ity. Tamin’ireo fifandonana ireo, ny klerjy tamin’ny andaniny avy dia samy nivavaka ho an’ny fandresena, ary ireo mpikambana tao amin’ny fivavahana tany amin’ny tany iray dia namono ireo mpikambana tao amin’io fivavahana io ihany saingy tany amin’ny tany hafa iray. Izany anefa no lazain’ny Baiboly fa ataon’ireo zanak’i Satana, fa tsy ireo zanak’Andriamanitra. (14 Nandritra ny taonjato maro ireo fiangonana dia nanohana ireo fahefana ara-politika tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana rehefa nandresy sy nanandevo ary nanambany vahoaka izy ireo, nandritra ny andron’ny fanjakazakana an-tanin’olona. Izany no nitranga nandritra ny taonjato maro tatỳ Afrika. I Sina koa nahita toe-javatra toy izany, fony namorona faritra hahafahany hanjaka tamin-kery tany ireo firenena tandrefana. Ny Adin’ny Opioma sy ny Fikomian’ireo Boxer dia ohatra ny amin’izany.
15. Zava-dratsy inona avy no nataon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
15 Ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia teo amin’ny loha laharana koa raha ny amin’ny fanenjehana, ny fampijalijaliana ary na dia ny famonoana ho faty ireo izay tsy nitovy hevitra taminy mihitsy aza, nandritra ireo taonjato tamin’ny tantara antsoina hoe Moyen Age. Nandritra ny fotoan’ny Inquisition, izay naharitra an-jatony taona maro, dia nanomezan-dalana sady nampiharina tamin’olona mendrika sy tsy nanan-tsiny ny fanao feno halozana, toy ny fampijalijaliana sy ny vonoana olona. Ireo nanao izany dia ny klerjy sy ireo mpanara-dia azy, izay samy nihambo ho Kristiana avokoa. Nanandrana ny hanafoana ny Baiboly mihitsy aza izy ireo mba tsy hahafahan’ny sarambabem-bahoaka hamaky azy.
Tsy kristiana
16, 17. Nahoana isika no afaka milaza fa tsy kristiana ireo fiangonana?
16 Tsia, tsy kristiana ireo firenena sy fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, na taloha izany na ankehitriny. Tsy mpanompon’Andriamanitra izy ireo. Hoy ny Teniny nomeny tamin’ny tsindrimandry momba azy ireo: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.” — Titosy 1:16.
17 Nilaza i Jesosy fa ny fivavahan-diso dia azo fantarina amin’ny vokatra entiny, dia ny voany. Hoy izy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy. (...) Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy [ireo mpaminany sandoka].” — Matio 7:15-20.
18. Inona no vokatry ny fampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny asany?
18 Araka izany àry, tamin’izay nampianariny sy izay nataony, ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nampiseho fa ny fihamboany ho mino ny Baiboly sy ho matahotra an’Andriamanitra ary ho Kristiana dia lainga. Namadika an’Andriamanitra sy ny Baiboly izy ireo. Tamin’ny fanaovana izany izy ireo dia niteraka rikoriko tamin’ny olona an-tapitrisany maro ka nahatonga azy ireo hiala tamin’ny finoana Fisiana Tampony iray.
19. Moa ve ny tsy fahombiazan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana midika fa tsy nahomby Andriamanitra na ny Baiboly?
19 Tsy midika ho tsy fahombiazan’ny Baiboly anefa ny tsy fahombiazan’ny klerjy sy ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary koa ny tsy fahombiazan’ireo fivavahana hafa ivelan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Izany koa akory tsy midika fa tsy nahomby Andriamanitra. Ny Baiboly kosa aza dia milaza amintsika momba ny Fisiana Tampony iray izay misy ary tena miahy antsika sy ny hoavintsika. Asehony fa hanome valisoa ireo olona tso-po maniry hanao izay mahitsy sy maniry hahita ny rariny sy ny fiadanana hanjaka maneran-tany, izy. Asehony koa ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy sy ny fomba hanesorana amin’ny tany ireo izay manisy ratsy ny namany, ary koa ireo izay mihambo ho manompo azy kanefa tsy manompo azy akory.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 17]
Ny “Inferno”-n’i Dante
Ny Triniten’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
[Sary nahazoan-dalana]
Doré’s illustration of Barrators—Giampolo for Dante’s Divine Comedy
Ny trinite hindoa
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The British Museum
Ny trinite egyptiana
[Sary nahazoan-dalana]
Museo Egizio, Turin
[Sary, pejy 18]
Mifanohitra amin’ireo fampianaran’i Jesosy, ny klerjy teo amin’ny andaniny roa dia nanohana ireo ady
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. Army photo