Hijery ny anatiny

Iza Marina No Manapaka ity Tontolo Ity?

Iza Marina No Manapaka ity Tontolo Ity?

Iza Marina No Manapaka ity Tontolo Ity?

Olona maro no hamaly io fanontaniana io amin’ny teny iray monja hoe — Andriamanitra. Zava-dehibe anefa ny hanamarihana fa na aiza na aiza ny Baiboly dia tsy milaza fa i Jesosy Kristy na ny Rainy no tena mpanapaka ity tontolo ity. Mifanohitra amin’izany kosa fa i Jesosy dia nilaza hoe: “Horoahina ny mpanapaka ity tontolo ity.” Ary hoy koa ny teny nanampiny: “Avy ny mpanapaka ity tontolo ity. Ary tsy manam-pifehezana eo amiko izy.” — Jaona 12:31, NW; 14:30, NW; 16:11, NW.

Manohitra an’i Jesosy àry ny mpanapaka ity tontolo ity. Mety ho iza àry izany?

Fampahafantarana iray avy amin’ireo toe-javatra misy eo amin’izao tontolo izao

Na dia eo aza ireo ezaka ataon’ireo olona tsara fikasa, dia nijaly tsy nisy ohatra izany ity tontolo ity nandritra ny tantara rehetra. Izany dia mahatonga ireo olona mieritreritra hanontany tena toy izao, toy ny nataon’ilay mpanoratra ao amin’ny gazety nody mandry vao haingana atao hoe David Lawrence: “‘Fiadanana etỳ ambonin’ny tany — saiky ny olona rehetra no mila izany. ‘Fiadanana amin’ny olona ankasitrahany’ — efa ho ny vahoaka rehetra amin’ny tany no mahatsapa izany amin’ny mpiara-belona aminy. Koa inona àry no tsy mandeha tsara? Nahoana ny ady no mandrahona, nefa voajanahary ao amin’ny olona ireo faniriana ireo?”

Toa misy zavatra mifanohitra eo, sa tsy izany? Ny faniriana voajanahary ao amin’ny olona dia ny hiaina amim-pihavanana, nefa mifankahala sy mifamono izy ireo, toy ny hoe ara-dalàna izany — ary amin-karatsiam-panahy erỳ. Diniho ireo fahasiahana maharikoriko atao amin-kamafiam-po mihoa-pampana. Nampiasa ireo efitra famonoana amin’ny gaza, toby fitanana, mpandefa lelafo, bomba vita amin’ny napalme, ary fomba mahatsiravina hafa ny olombelona, mba hifampijaliana na hifamonoana amin’ny fomba tsy mifaditra ovana.

Mino ve ianao fa ny tenan’ny olombelona irery izao, izay maniry mafy ny fiadanana sy ny fahasambarana, dia afaka hifanao ireo halozana an-karihary ireo? Hery inona no manosika azy ireo hanao zavatra mahavoafady toy izany, na hanao izay hahatongavany hatramin’ny tarehin-javatra izay hahatsiarovany tena ho voatery hanao zavatra feno habibiana? Mba efa nanontany tena ve ianao raha toa ka misy hery ratsy tsy hita maso mitaona ny olona hanao zavatra feno herisetra toy izany?

Fantatra ireo mpanapaka ity tontolo ity

Tsy misy ilana ny haminavina izany, satria ny Baiboly dia mampiseho mazava fa misy persona iray manan-tsaina tsy hita maso nifehy, tsy ny olona ihany, fa ireo firenena koa. Hoy ny lazainy: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Ary ny Baiboly dia mampahafantatra hoe iza izany, amin’ny filazana hoe: “[Ilay] atao hoe devoly sy Satana [dia] mamitaka izao tontolo izao”. — 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9.

Indray mandeha, rehefa ‘nalainny devoly fanahy’ i Jesosy, dia tsy nisalasala akory ny amin’ny anjara asan’i Satana tamin’ny naha-mpanapaka izao tontolo izao azy. Manazava izay nitranga toy izao ny Baiboly: “Ny devoly nitondra Azy nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana”. — Matio 4:1, 8-10.

Eritrereto kely izany. Naka fanahy an’i Jesosy i Satana tamin’ny fanolorana ho azy “ny fanjakana rehetra aminizao tontolo izao”. Kanefa, moa ve ho tena fakam-panahy ny fanolorana nataon’i Satana, raha toa ny tenany ka tsy ny tena mpanapaka eo amin’ireo fanjakana ireo? Tsia, tsy ho izany no izy. Ary mariho fa tsy nanda i Jesosy hoe tsy an’i Satana ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ireo, zavatra izay ho nataony raha tsy nanam-pahefana teo amin’izy ireo i Satana. Koa tena ny mpanapaka tsy hita mason’ity tontolo ity tokoa àry i Satana Devoly! Raha ny marina, ny Baiboly dia miantso azy hoe “ny andriamanitr’izao tontolo izao”. (2 Korintiana 4:4). Kanefa, ahoana no nahatongavan’ny persona ratsy toy izany hahazo io toerana feno fahefana io?

Ilay nanjary Satana dia anjely iray noforonin’Andriamanitra, kanefa nanjary nitsiriritra ny toerana notanan’Andriamanitra izy. Nihaika ny fanapahana nananan’Andriamanitra zo ny hihazona azy izy. Mba hanaovana izany, dia nampiasa menarana iray ho solovava izy mba hamitahana an’i Eva, ilay vehivavy voalohany. Tamin’izany fomba izany, dia afaka nitarika azy io sy i Adama vadiny, hanao izay sitrany fa tsy hankatò an’Andriamanitra, izy. (Genesisy 3:1-6; 2 Korintiana 11:3). Nihambo koa izy fa ho afaka ny hampiodina ny taranak’i Adama sy Eva mbola tsy teraka rehetra hivadika amin’Andriamanitra. Namela fotoana ho an’i Satana àry Andriamanitra mba hanandramany hanamarina ny fihamboany, kanefa tsy nahomby i Satana. — Joba 1:6-12; 2:1-10.

Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy irery akory i Satana amin’io fanapahany izao tontolo izao io. Nahavita nampiaiky ny sasany tamin’ireo anjely hafa izy mba hanaraka azy hikomy tamin’Andriamanitra. Nanjary demonia ireo, dia ireo mpiray tetika aminy ara-panahy. Ny Baiboly dia miresaka momba azy ireo, rehefa mampirisika ny Kristiana toy izao: ‘Miorena mafy mba hanoherana ny teti-dratsin’ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo mpanapaka ity tontolo ity eo amin’izao fahamaizinana izao, amin’ireo hery ara-panahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.’ — Efesiana 6:11, 12, NW.

Tohero ireo fanahy ratsy

Ireo mpanapaka ity tontolo ity tsy hita maso ratsy ireo dia tapa-kevitra ny hamitaka ny olombelona rehetra, amin’ny fanaovana izay hivadihany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny fomba iray anaovan’ireo fanahy ratsy ireo izany dia ny fampielezana ny hevitra fa misy fiainana aorian’ny fahafatesana, na dia mampiseho mazava aza ny Tenin’Andriamanitra fa tsy mahalala na inona na inona ny maty. (Genesisy 2:17; 3:19; Ezekiela 18:4; Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5, 10). Noho izany, dia mety hisy fanahy ratsy iray hanahaka ny feon’ny olona iray efa maty, ka hiresaka amin’ny havan’io na naman’io mbola velona. Hanao izany amin’ny alalan’ny olona iray mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty izy, na amin’ny alalan’ny “feo” iray avy any amin’ny faritra tsy hitan’ny maso. Mihambo ho ilay nody mandry izany “feo” izany, kanefa demonia, raha ny tena izy!

Koa raha mandre “feo” toy izany ianao, dia aza manaiky ho voafitaka. Lavo izay rehetra lazainy, ary tonòny koa ireto teny nataon’i Jesosy ireto: “Mandehana hianao, ry Satana”. (Matio 4:10; Jakoba 4:7). Aza mamela ny faniriana ta hahalala momba ny faritra ara-panahy hahatonga anao hifandray amin’ireo fanahy ratsy. Ny fifandraisana toy izany dia antsoina hoe spiritisma, ary Andriamanitra dia mampitandrina ireo mpivavaka aminy amin’ny endriky ny spiritisma rehetra. Ny Baiboly dia manameloka “izay rehetra manao fankatovana (...) na izay rehetra manadina ny olona mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty na ny mpilaza mialoha izay zavatra hitranga na izay rehetra manontany ny maty.” — Deoteronomia 18:10-12, NW; Galatiana 5:19-21, NW; Apokalypsy 21:8, NW.

Koa satria mahatonga ny olona iray ho eo ambany fahefan’ireo demonia ny spiritisma, dia tohero ny fanao rehetra mifandray aminy, na toa mahafinaritra na manaitaitra toy inona aza izany. Anisan’izany fanao izany ny fijerena baolina kristaly, ny fampiasana ny takelaka Ouija, ny ESP (fahaizana mahatsapa ivelan’ny fahatsapana ara-dalàna), ny fandinihana ireo tsipika amin’ny tanana (chiromancie), ary ny fanandroana miorina amin’ny fandinihana ireo kintana. Efa nanao izay hisian’ny feo na fitrangan-javatra fizika tamin’ny trano izay nataony faritaniny, koa ireo demonia.

Ankoatra izany, ireo fanahy ratsy dia manararaotra ny fironana hanota ao amin’ny olombelona, amin’ny fampielezana boky sy gazety, sarimihetsika ary fandaharana amin’ny televiziona izay manasongadina fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy feno fahalotoana na tsy araka ny natiora. Fantatr’ireo demonia fa, raha tsy esorina hiala avy ao an-tsaina ny eritreritra maloto, dia hamela soritra tsy azo kosehina intsony ary hitarika ny olona hanana fitondrantena maloto — tahaka ireo demonia ihany. — Genesisy 6:1, 2; 1 Tesaloniana 4:3-8; Joda 6.

Marina fa maro no mety haneso rehefa mahare fa fanahy ratsy no manapaka ity tontolo ity. Tsy mahagaga anefa ny tsy finoan’izy ireo izany, satria milaza ny Baiboly hoe: “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” (2 Korintiana 11:14). Ny famitahana feno hakingana indrindra ampiasainy dia ny fanajambana ny olona maro tsy hahita fa tena misy tokoa izy sy ireo demoniany. Aza manaiky ho voafitaka anefa! Tena misy ny Devoly sy ireo demoniany, ary mila ny manohitra azy ireo mandrakariva ianao. — 1 Petera 5:8, 9.

Soa ihany fa efa akaiky izao ny fotoana tsy hisian’i Satana sy ireo mpiray tsikombakomba aminy! “Mandalo ity tontolo ity [anisan’izany ireo demonia mpanapaka azy]”, hoy ny toky omen’ny Baiboly, “fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. (1 Jaona 2:17, NW). Ho toy inona moa ny fanamaivanana rehefa ho voaesotra ny fitaomany ratsy! Noho izany, dia enga anie isika ka ho anisan’ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra ka hifaly amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra. — Salamo 37:9-11, 29; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, anglisy), ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta.

[Sary, pejy 4]

Ho afaka nanolotra ho an’i Jesosy ireo fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ve i Satana, raha tsy azy izany?