Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Tany Ejipta Hatrany Amin’ny Tany Nampanantenaina

Avy Tany Ejipta Hatrany Amin’ny Tany Nampanantenaina

FANTATRA hatraiza hatraiza ny fifindran’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta. Inona anefa no niandry an’i Mosesy sy ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy ireo? Taiza no lalana nizorany? Ahoana no fomba nahatongavany teo amin’ny Reniranon’i Jordana, mba hidirana tany amin’ny Tany Nampanantenaina?

Ho any amin’ny tany Kanana izy ireo. Misy 400 kilaometatra eo ho eo ny lalana akaiky indrindra, manaraka ny morontsirak’i Mediterane. Tsy nentin’i Mosesy tany anefa izy ireo sao mamakivaky ny tanin’ny Filistinina, fahavalony. Tsy nentiny namakivaky ny Saikinosin’i Sinay koa anefa izy ireo, satria mafana be any, ka tena mahamay ny vatokely sy vatosokay eny amin’ireo lembalemba. Nentin’i Mosesy nianatsimo kosa ilay vahoaka, ka nidina nanaraka ny sisin’ilay tany lemaka tery kely. Tany Mara no nitobian’izy ireo voalohany, ary tany no nanovan’i Jehovah ny rano nangidy ho mamy. a Nimonomonona indray ilay vahoaka nony niala tany Elima, fa tsy nanana sakafo. Nandefa papelika sy mana ho azy ireo àry Andriamanitra. Tsy nisy indray ny rano tany Refidima, ka niadian’izy ireo i Mosesy. Tany Refidima no nandresen’ny Zanak’Israely ny Amalekita nanafika azy. Tany koa i Mosesy no nampirisihin’ny rafozan-dahiny hifidy lehilahy marina hanampy azy.​—Ek, toko 15-18.

Notarihin’i Mosesy nankany amin’ireo tendrombohitra tany atsimo kokoa ny Israelita avy eo, ary nitoby tany amin’ny Tendrombohitra Sinay. Tany ny vahoakan’Andriamanitra no nahazo ny Lalàna sy nanamboatra ny tabernakely ary nanao fanatitra. Nianavaratra, namakivaky “ilay efitra lehibe sy mahatahotra” izy ireo ny taona faharoa. Naharitra 11 andro teo ho eo angamba ilay dia, mandra-pahatonga tany Kadesy (Kadesi-barnea). (De 1:1, 2, 19; 8:15) Natahotra loatra ilay vahoaka, noho ny tatitra ratsy nataon’ireo mpisafo tany folo, ka voatery nirenireny nandritra ny 38 taona. (No 13:1–14:34) Anisan’ny toerana nitobian’izy ireo i Abrona sy Ezion-gebera, ary tany Kadesy indray.​—No 33:33-36.

Tonga teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina ihany ny Israelita tamin’ny farany, kanefa tsy tonga dia nanitsy nianavaratra izy ireo. Nanodidina an’i Edoma izy ireo ary nanaraka ny “làlan’andriana”, na Lalam-ben’ny Mpanjaka. (No 21:22; De 2:1-8) Tsy mora tamin’ilay firenena manontolo ny nandeha tamin’izany lalana izany. Niaraka tamin’ny ankizy sy ny biby fiompiny izy ireo ary nitondra lay, nefa tsy maintsy nidina sy niakatra tamin’ny tehezan-tendrombohitra. Anisan’izany ny tany Zareda sy Arnona (efa ho 520 metatra ny haavony).—De 2:13, 14, 24.

Tonga tany an-tendrombohitra Nebo ny Israelita, tamin’ny farany. Maty tany Kadesy i Miriama, fa i Arona kosa maty tany an-tendrombohitra Hora. Maty kosa i Mosesy, rehefa avy nahatazana ilay tany tiany hidirana. (De 32:48-52; 34:1-5) I Josoa no nitondra ny Israely tany amin’ilay tany, ary nifarana teo ilay dia naharitra 40 taona.—Js 1:1-4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy tena fantatra ny ankabeazan’ny toerana nitobian’izy ireo.

[Sarintany, pejy 9]

(Jereo ny bokikely)

Lalana Tamin’ny Fivoahana avy Tany Ejipta

Lalana Narahin’ny Israely

A7 EJIPTA

A5 Ramesesa?

B5 Sokota?

D5 Etama?

D5 Pihahirota

E6 Mara

E6 Elima

F6 EFITR’I SINA

F7 Dopka

G8 Refidima

G8 T. Sinay (Horeba)

G8 EFITR’I SINAY

G7 Kibrota-hatava

H7 Hazerota

H6 Rimona-pereza

H5 Risa

H3 Kadesy

H3 Bene-jakana

H5 Hora-hagidgada

I5 Jotbata

I5 Abrona

I6 Ezion-gebera

H3 Kadesy

H3 EFITR’I ZINA

I3 T. Hora

I3 Zalmona

J3 Ponona

J3 Ie-abarima

J2 MOABA

J1 Dibona

J1 Almona-diblataima

I1 Jeriko

[Toerana hafa]

A3 GOSENA

A4 Ona

A5 Memfisa (Nofa)

B3 Zoana

B3 Tapanesa

D5 Migdola

E3 SORA

E5 EFITR’I ETAMA

G5 EFITR’I PARANA

H1 FILISTIA

H1 Asdoda

H2 Gaza

H2 Beri-sheba

H3 Azmona

H3 NEGEBA

I1 Jerosalema

I1 Hebrona (Kiriat-arba)

I2 Arada (Kananita)

I4 SEÏRA

I4 EDOMA

J7 MIDIANINA

Lalam-be

Lalana Mankany Amin’ny Tanin’ny Filistinina

Lalana Mankany Sora

J4 Lalan’andriana

Lalan’ny Mpanao Diabe

Lalana El Hadj

[Tendrombohitra]

G8 T. Sinay (Horeba)

I3 T. Hora

J1 T. Nebo

[Ranomasina/Farihy]

F2 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

E7/H7 Ranomasina Mena

J1 Ranomasin-tsira

[Renirano sy loharano]

A6 Reniranon’i Neily

G3 L. Ejipta

J2 Arnona

J3 Zareda

[Sary, pejy 8]

Namakivaky ny Saikinosin’i Sinay ireo mpanao diabe

[Sary, pejy 8]

Nitoby teo anoloan’ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita

[Sary, pejy 9]

Nahazo rano avy tamin’ny loharano izy ireo tany Kadesy, na tany akaikiny

[Sary, pejy 9]

Tsy maintsy namakivaky ny lohasaha falehan’ny riaka any Arnona ny Israelita rehetra