Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanjakana Natanjaka Nanafika ny Tany Nampanantenaina

Fanjakana Natanjaka Nanafika ny Tany Nampanantenaina

RESIN’NY Asyrianina i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, tamin’ny 740 T.K. Fanjakana tsy mifaditrovana àry no nifehy ny Israelita. Tany amin’ny farany avaratry ny lemak’i Mezopotamia no nisy an’i Asyria, izany hoe teo akaikin’i Tigra, izay anisan’ny renirano lehibe indrindra tany amin’ny Croissant Fertile. I Nimroda no nanorina an’i Ninive sy Kala, tanàna lehibe indrindra tany Asyria. (Ge 10:8-12) Tamin’ny andron’i Salmanesera III no nanitaran’ny Asyrianina ny faritaniny niankandrefana, ka azony ny faritra mando sy lonaka tany Syria ary ny tapany avaratr’i Israely.

Nanomboka nampahory an’i Israely i Asyria tamin’ny fotoana nanjakan’i Tiglato-pilesera III (Pola), voatonona ao amin’ny Baiboly. Nisy fiantraikany teo amin’i Joda, tany atsimo, koa ny fanafihany tany avaratra. (2Mp 15:19; 16:5-18) Nanafotra an’i Joda ny ‘ranon’i’ Asyria, rehefa nandeha ny fotoana, ka tonga hatrany Jerosalema renivohiny.​—Is 8:5-8.

Nanafika an’i Joda i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, tamin’ny 732 T.K. (2Mp 18:13, 14) Namabo sy nandroba tanàna jodianina 46 izy, ka anisan’izany i Lakisy, izay tsara toerana tokoa tany Sefela. Araka ny sarintany, dia nihodidina an’i Jerosalema ny miaramilany, avy eo nianatsimoandrefana, hany ka voahodidina ny renivohitr’i Joda. Voalaza fa nirehareha mihitsy i Sankeriba hoe nataony “toy ny vorona anaty makarakara vy” i Hezekia. Tsy mba noraketin’ny Asyrianina an-tsoratra mihitsy anefa ny nandringanan’ny anjelin’Andriamanitra ny miaramilan’i Sankeriba.​—2Mp 18:17-36; 19:35-37.

Tsy ela dia nifarana ny fitondran’ny Fanjakana Asyrianina. Nipetraka tany amin’ny lembalemba be tendrombohitra any Iran ankehitriny ny ankamaroan’ny Medianina. Nanomboka niady tamin’ny sisa tamin’ny miaramila asyrianina izy ireo. Noho io fanafihan’ny Medianina io, dia tsy afaka nanisy fiheverana ny faritaniny tany andrefana i Asyria, na dia nanomboka nikomy koa aza ny mponina tany tamin’izay. Efa nihanatanjaka koa ny Babylonianina, ka naka ny tanànan’i Asyra mihitsy. Rava i Ninive, “tanàna mpandatsa-dra”, tamin’ny 632 T.K., noho ny fanafihan’ny Babylonianina sy Medianina ary Skytianina niaraka. Vahoaka tia ady avy tany avaratry ny Ranomasina Mainty ny Skytianina. Nanatanteraka ny faminanian’i Nahoma sy Zefania izany.​—Na 3:1; Ze 2:13.

Tany Harana no resy tanteraka i Asyria. Nanafika an’i Asyria ny tafika babylonianina, izay feno fahavononana tanteraka. Nanohitra ihany ny Asyrianina mandra-pahatongan’i Ejipta mba hanampy azy. Tamin’i Farao-neko hianavaratra anefa, dia nivoaka hiady taminy tany Megido i Josia, mpanjakan’i Joda. (2Ta 35:20) Tara loatra i Neko, satria efa resy ny fanjakana asyrianina vao tonga tany Harana izy.

Fanjakana Babylonianina

Iza no tanàna tonga ao an-tsaina rehefa mandre ny teny hoe “zaridaina mihantona”? I Babylona, renivohitry ny fanjakana babylonianina, ilay firenena natanjaka indrindra. Lazain’ny faminaniana fa toy ny liona nanana elatra izy io. (Da 7:4) Nalaza io tanàna io noho ny harena, varotra, fandrosoan’ny fivavahana sy fanandroana. Io fanjakana io dia niorina teo afovoan’ny tany lemaka nisy honahona tany atsimon’i Mezopotamia, teo anelanelan’ny reniranon’i Tigra sy Eofrata. Teo amin’ny andaniny roa amin’i Eofrata no nisy ilay tanàna, ary toa tsy ho resy mihitsy izy rehefa jerena ny mandany.

Ny Babylonianina no nanokatra ny lalam-barotra namakivaky ny tany efitra feno haram-bato, tany avaratr’i Arabia. Nisy fotoana nipetrahan’i Nabonida tany Tema, ka i Belsazara no navelany hitondra tany Babylona.

Nanafika an’i Kanana intelo i Babylona. Nandresy ny Ejipsianina tany Karkemisy i Nebokadnezara, tamin’ny 625 T.K. Nisy nitsoaka tamin’izy ireo, nefa nenjehin’i Nebokadnezara hatrany Hamata, tany atsimo, ary resiny ihany. Nandroso hatrany amin’ny lohasaha falehan’ny riaka tany Ejipta ny Babylonianina, ary noravany i Askelona, rehefa nolalovany. (2Mp 24:7; Je 47:5-7) Nanjary teo ambany fahefan’i Babylona i Joda nandritra izany fanafihana izany.​—2Mp 24:1.

Nikomy i Joiakima, mpanjakan’i Joda, tamin’ny 618 T.K. Miaramila avy tamin’ireo firenena nanodidina an’i Joda ihany no nalefan’i Babylona hanafika an’i Joda taorian’izay, fa miaramila babylonianina kosa no nanodidina sy nangeja an’i Jerosalema. Vao mainka tezitra tamin’i Joda ny Babylonianina tatỳ aoriana, satria niray dina tamin’i Ejipta i Zedekia Mpanjaka. Nanafika indray izy ireo ary nanomboka nanimba ny tanànan’i Joda. (Je 34:7) Nalefan’i Nebokadnezara tany Jerosalema indray ny miaramilany ary resiny izy io tamin’ny 607 T.K.​—2Ta 36:17-21; Je 39:10.

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny bokikely)

Fanjakana Babyloniana/Fanjakana Asyrianina

Fanjakana Asyrianina

B4 Memfisa (Nofa)

B4 Zoana

B5 EJIPTA

D2 SIPRA (KITIMA)

D3 Sidona

D3 Tyro

D3 Megido

D3 Samaria

D4 Jerosalema

D4 Askelona

D4 Lakisy

E2 Harana

E2 Karkemisy

E2 Arpada

E2 Hamata

E3 Ribla

E3 SYRIA

E3 Damaskosy

F2 Gozana

F2 MEZOPOTAMIA

G2 MINY

G2 ASYRIA

G2 Khorsabad

G2 Ninive

G2 Kala

G2 Asyra

G3 BABYLONIA

G3 Babylona

G4 KALDEA

G4 Ereka

G4 Ora

H3 Sosana

H4 ELAMA

Fanjakana Babylonianina

D3 Sidona

D3 Tyro

D3 Megido

D3 Samaria

D4 Jerosalema

D4 Askelona

D4 Lakisy

E2 Harana

E2 Karkemisy

E2 Arpada

E2 Hamata

E3 Ribla

E3 SYRIA

E3 Damaskosy

E5 Tema

F2 Gozana

F2 MEZOPOTAMIA

F4 ARABIA

G2 MINY

G2 ASYRIA

G2 Khorsabad

G2 Ninive

G2 Kala

G2 Asyra

G3 BABYLONIA

G3 Babylona

G4 KALDEA

G4 Ereka

G4 Ora

H3 Sosana

H4 ELAMA

[Toerana hafa]

H2 MEDIA

Lalam-be (Jereo ny bokikely)

[Ranomasina/Farihy]

B3 Ranomasina Mediterane (Lehibe)

D5 Ranomasina Mena

I1 Ranomasina Caspienne

I5 Hoala Persika

[Renirano]

B5 Neily

F2 Eofrata

G3 Tigra

[Sary, pejy 22]

Havoanan’i Lakisy

[Sary, pejy 22]

Asa tanana mampiseho an’i Megido fahiny

[Sary, pejy 23]

Zaridaina mihantona tany Babylona, araka ny anehoan’ny mpanakanto azy