Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Israely sy ny Manodidina

Israely sy ny Manodidina

HOY i Jehovah tamin’i Abrahama: ‘Mandehana miala an’i Oran’i Mezopotamia hankany amin’ny tany izay hasehoko anao.’ Nisy mponina tao amin’io tany io tamin’izay, sady nisy firenena hafa nanodidina azy.—Ge 12:1-3; 15:17-21.

Fantatry ny vahoakan’Andriamanitra niala tany Ejipta, fa mety hotoherin’ny fahavalo izy ireo, anisan’izany “ny lehilahy maherin’i Moaba.” (Ek 15:14, 15) Tany amin’ny lalan’ny Israely ho any amin’ny Tany Nampanantenaina no nonina ny Amalekita, Moabita, Amonita ary Amorita. (No 21:11-13; De 2:17-33; 23:4, 5) Mbola tsy maintsy nifanandrina tamina firenena fahavalo hafa koa ny Israelita, rehefa tonga tany amin’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra.

Nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy ‘handroaka firenena lehibe fito’ izay mendrika ny horinganina ny Israelita, dia ny Hetita, Girgasita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita ary Jebosita. Ratsy fitondran-tena sy nanaraka fivavahan-diso izy ireo. Anisan’ny andriamanitr’izy ireo i Bala (fantatra tamin’ny tsangambato niendrika filahiana), Moloka (fanaovana sorona zaza), ary ny andriamanibavin’ny fahavokarana (Astarta).​—De 7:1-4; 12:31; Ek 23:23; Le 18:21-25; 20:2-5; Mps 2:11-14; Sl 106:37, 38.

Nantsoina hoe “Kanana” indraindray ilay toerana manontolo nomen’Andriamanitra ny Israely, nanomboka tany amin’ny faritra avaratr’i Sidona ka hatrany amin’ny ‘lohasaha falehan’ny riaka tany Ejipta.’ (No 13:2, 21; 34:2-12; Ge 10:19) Tononina ao amin’ny Baiboly indraindray ireo firenena, na fanjakana, na mponina tao amin’io tany io. Voafaritra tsara ny toerana nisy ny sasany tamin’izy ireo. Tany amoron-tsiraky ny Ranomasina Mediterane, ohatra, ny Filistinina, ary tany amin’ireo tendrombohitra akaikin’i Jerosalema ny Jebosita. (No 13:29; Js 13:3) Nifindra monina kosa ny hafa, rehefa nandeha ny fotoana.​—Ge 34:1, 2; 49:30; Js 1:4; 11:3; Mps 1:16, 23-26.

Ny Amorita angamba no foko nanjaka tany amin’io tany io, tamin’ny fotoanan’ny fifindrana avy tany Ejipta. a (De 1:19-21; Js 24:15) Azon-dry zareo ny tanin’ny Moabita, hatrany atsimon’ny lohasaha falehan’ny riaka tany Arnona. Mbola nantsoina hoe “Arbota-moaba” (na Lemaka any an’efitr’i Moaba) anefa ilay faritra tany andafin’i Jordana tandrifin’i Jeriko. Mpanjaka amorita koa no nanjaka tany Basana sy Gileada.​—No 21:21-23, 33-35; 22:1; 33:46-51.

Tsy nandringana tanteraka an’ireo firenena meloka ireo anefa ny Israelita, na dia nahazo ny fanampian’Andriamanitra aza. Nanjary fandrika ho an’ny Israelita izy ireo, tatỳ aoriana. (No 33:55; Js 23:13; Mps 2:3; 3:5, 6; 2Mp 21:11) Voafandrika tokoa ny Israelita, na dia efa nisy izao fampitandremana izao aza: “Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo.”​—De 6:14; 13:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Toy ny teny hoe “Kananita”, ny hoe “Amorita” dia nety ho nanondro ny foko rehetra nonina tao amin’io tany io, na foko iray manokana.​—Ge 15:16; 48:22.

[Sarintany, pejy 11]

(Jereo ny bokikely)

Firenena Tsy Maintsy Nesorina Tany amin’ny Tany Nampanantenaina

FILISTIA (E8)

D8 Askelona

D9 Gaza

E8 Asdoda

E8 Gata

E9 Gerara

KANANA (E8)

B10 AMALEKITA

D12 Hazara-adara (Adara?)

D12 Kadesy (Kadesi-barnea)

E8 Lakisy

E9 Beri-sheba

E10 AMORITA

E11 NEGEBA

F4 Dora

F5 Megido

F5 Tanaka

F6 Afeka

F6 HIVITA

F7 JEBOSITA

F8 Beti-semesy

F8 Hebrona (Kiriata-arba)

F9 HETITA

F9 Debira

F10 Arada (Kananita)

F10 KENITA

F11 Akrabima

G4 GIRGASITA

G6 Sekema

G7 PERIZITA

G7 Gilgala

G7 Jeriko

G8 Jerosalema

H2 HIVITA

H2 Dana (Laisy)

H3 Hazora

FENISIA (G2)

F2 Tyro

G1 Sidona

EDOMA (G12)

G11 SEÏRA

H11 Bozra

AMORITA (SIHONA) (H8)

H6 GILEADA

H7 Sitima

H7 Hesbona

H9 Aroera

SYRIA (I1)

H1 Bala-gada

H2 HIVITA

J1 Damaskosy

MOABA (I10)

AMORITA (OGA) (J5)

H6 GILEADA

I3 BASANA

I4 Astarta

I4 Edrehy

AMONA (J7)

I7 Raba

[Tany Efitra]

I12 EFITR’I ARABIA

[Tendrombohitra]

F4 T. Karmela

F11 T. Hora

H1 T. Hermona

H8 T. Nebo

[Ranomasina/Farihy]

D6 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

G9 Ranomasin-tsira

H4 Ranomasin’i Galilia

[Renirano sy loharano]

B11 L. Ejipta

G6 Reniranon’i Jordana

H6 L. Jaboka

H9 L. Arnona

H11 L. Zareda

[Sary, pejy 10]

Havanana: Oga mpanjakan’ny Amorita no mpitondra tany Basana, toerana be omby aman’ondry

Ambany: Moaba, hita avy any andafin’ny Ranomasin-tsira ka hatrany amin’ny efitr’i Joda

[Sary, pejy 11]

Nomen’i Jehovah baiko ny Israelita handringana ireo firenena nivavaka tamin’andriamani-diso, toa an’i Bala sy Moloka ary Astarta, andriamanibavin’ny fahavokarana (hita eto)