Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jerosalema sy ny Tempoly Tamin’ny Andron’i Jesosy

Jerosalema sy ny Tempoly Tamin’ny Andron’i Jesosy

RAHA vao teraka kelikely i Jesosy, dia nentin’i Josefa sy Maria tany Jerosalema, tanàna nametrahan’ny Rainy any an-danitra ny anarany. (Lk 2:22-39) Nanatrika ny Paska tany koa i Jesosy, tamin’izy 12 taona. Talanjona ny mpampianatra, tao amin’ny tempoly, noho ny fahiratan-tsainy. (Lk 2:41-51) Tafiditra tao amin’ny tetik’asa fanorenana nataon’i Heroda Lehibe ny fanamboarana ny tempoly, ary naharitra “enina amby efapolo taona” mahery izany fanorenana izany.​—Jn 2:20.

Nanatrika ireo andro firavoravoana tany Jerosalema i Jesosy, nandritra ny fanompoany, ary nampianatra vahoaka betsaka tany koa izy matetika. Indroa izy no nandroaka ireo mpanakalo vola sy mpivarotra teo an-kianjan’ny tempoly.​—Mt 21:12; Jn 2:13-16.

Nanasitrana lehilahy narary nandritra ny 38 taona i Jesosy, tany amin’ny dobon’i Betesda, tany avaratry ny tempoly. Nampahiratra jamba iray koa ilay Zanak’Andriamanitra, rehefa naniraka azy hisasa tany amin’ny dobon’i Siloama, tany atsimon’ilay tanàna.​—Jn 5:1-15; 9:1, 7, 11.

Matetika i Jesosy no nitsidika ireo namany, dia i Lazarosy sy Maria ary Marta, tany Betania, izay “telo kilaometatra eo ho eo” tany atsinanan’i Jerosalema. (Jn 11:1, 18; Lk 10:38-42; 19:29; Jereo “Faritr’i Jerosalema”, pejy 18) Nizotra nankany Jerosalema i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, ary nandalo ny Tendrombohitra Oliva. Alao sary an-tsaina izy nijanona sy nitodika niankandrefana tany amin’ilay tanàna sady nitomany azy io. (Lk 19:37-44) Mety ho toy ilay hitanao eo amin’ny farany ambony ao amin’ny pejy manaraka, angamba, ny zavatra hitany tamin’izany. Niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky izy avy eo, ary nety ho niditra tamin’ny vavahady iray tany atsinanana. Vahoaka maro no nitsena azy, sady niantsoantso hoe izy no Ilay Mpanjaka ho tonga amin’ny Israely.​—Mt 21:9-12.

Tany Jerosalema, na tao akaikiny, no nitranga ireo fisehoan-javatra lehibe nialoha ny fahafatesan’i Jesosy: zaridainan’i Getsemane, toerana nivavahan’i Jesosy; tranon’ny Fitsarana Avo Jiosy; tranon’i Kaiafa; lapan’ny Governora, ary tamin’ny farany, tany Golgota.​—Mr 14:32, 53–15:1, 16, 22; Jn 18:1, 13, 24, 28.

Niseho tany Jerosalema sy ny manodidina i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Lk 24:1-49) Niakatra tany an-danitra avy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy, taorian’izay.​—As 1:6-12.

[Kisary, pejy 31]

(Jereo ny bokikely)

Jerosalema/Tempolin’i Heroda

Firafitry ny Tempoly

1. Masina Indrindra

2. Masina

3. Alitara Fandoroana Fanatitra Dorana

4. Tavin-drano

5. Kianjan’ny Mpisorona

6. Kianjan’ny Isiraely

7. Kianjan’ny Vehivavy

8. Kianjan’ny Jentilisa

9. Rindrina Nampisaraka (Sorega)

10. Lala-mitafon’ny Mpanjaka

11. Lala-mitafon’i Solomona

TEMPOLY

Vavahady

Kianjan’ny Mpisorona

Vavahady

Masina Indrindra

Alitara Fandoroana Fanatitra Dorana

Masina

Kianjan’ny Isiraely

Kianjan’ny Vehivavy

Tavin-drano

Vavahady

Lala-mitafon’i Solomona

Rindrina Nampisaraka (Sorega)

Kianjan’ny Jentilisa

Vavahady

Lala-mitafon’ny Mpanjaka

Vavahady

Rovan’i Antonia

Tetezana

Tranon’ny Fitsarana Avo Jiosy?

LOHASAHAN’I TYROPOEONA

Dobon’i Siloama

Lakan-drano

Tranon’i Kaiafa?

Lapan’ny Governora

Golgota?

Golgota?

Dobon’i Betesda

Zaridainan’i Getsemane?

TENDROMBOHITRA OLIVA

LOHASAHAN’I KIDRONA

Loharanon’i Gihona

En-rogela

LOHASAHAN’I HINOMA (GEHENA)

[Sary, pejy 30]

Tazana avy any atsinanana, ampitan’i Jerosalema ankehitriny: A) faritry ny tempoly, B) zaridainan’i Getsemane, D) Tendrombohitra Oliva, E) efitr’i Joda, F) Ranomasina Maty

[Sary, pejy 31]

Tazana avy any andrefana, avy teny amin’ny Tendrombohitra Oliva, tamin’ny andron’i Jesosy