Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy “Tany Amin’ny Tanin’ny Jiosy”

Jesosy “Tany Amin’ny Tanin’ny Jiosy”

NILAZA ny zavatra nataon’i Jesosy “tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema” ny apostoly Petera, rehefa nitory tamin’i Kornelio. (As 10:39) Taiza avy, araka ny hevitrao, ireo tanàna nanaovan’i Jesosy ilay fanompoana niavaka sy nisy akony teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao?

Anisan’ny “tanin’ny Jiosy” i Jodia, toerana nanaovan’i Jesosy ny asan’Andriamanitra sasany. (Lk 4:44) Nijanona tany an’efitr’i Joda (na Jodia) nandritra ny 40 andro i Jesosy, taorian’ny batisany. Toerana maina sy mangingina izy io, sady falehan’ny jiolahy. (Lk 10:30) Niala tany Jodia i Jesosy, taoriana kelin’izay, ka nandeha nianavaratra ary nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray teo akaikin’i Sykara.​—Jn 4:3-7.

Rehefa dinihina ny Filazantsara, dia hita fa tany Galilia no tena nifantohan’ny fitorian’i Jesosy. Saika tany amin’ny tapany avaratry ny Tany Nampanantenaina foana i Jesosy, nandritra ireo roa taona nanaovany ny fanompoany, na dia nianatsimo tany Jerosalema ihany aza izy, rehefa tonga ny fety fanao isan-taona. (Jn 7:2-10; 10:22, 23) Tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, na teo amboniny, ohatra, i Jesosy no nanao ireo fampianarana mahavariana sy fahagagana mampihetsi-po. Tsarovy fa teo izy no nampitony rivotra sy ranomasina, ary nandeha teo ambonin’ilay ranomasina mihitsy. Avy teny ambony sambo izy no nitory tamin’ireo vahoaka nipetraka teo ambonin’ireo vatokely teo amoron’io ranomasina io. Mpanjono sy mpamboly avy tamin’ny tanàna manodidina an’io ranomasina io ireo mpanara-dia azy voalohany sy tena tiany.​—Mr 3:7-12; 4:35-41; Lk 5:1-11; Jn 6:16-21; 21:1-19.

Tany Kapernaomy “tanànany”, amoron’ny ranomasina, no nanaovan’i Jesosy ny fanompoany, rehefa tany Galilia izy. (Mt 9:1) Teo ambony havoana, tsy lavitra azy io, no nanaovany ilay Toriteny malaza teo an-tendrombohitra. Nisy fotoana nandehanany sambo niala tany Kapernaomy nankany Magadana sy Betsaida ary toerana hafa tsy dia lavitra.

Mariho fa ny ‘tanànan’i Jesosy’ dia tsy lavitra loatra an’i Nazareta, tanàna nahabe azy; tsy lavitra an’i Kana, toerana nanovany ny rano ho divay; tsy lavitra an’i Naina, toerana nananganany ny zanakalahin’ny mpitondratena iray; tsy lavitra an’i Betsaida, toerana namahanany lehilahy 5 000 sy nampahiratany lehilahy iray jamba.

Nankany Tyro sy Sidona, seranan-tsambon’i Fenisia i Jesosy, taorian’ny Paska taona 32. Avy eo izy dia nanitatra ny fanompoany tany amin’ny sasany tamin’ireo tanàna folo nandray ny kolontsaina grika, tany Dekapolisy. Tany akaikin’i Kaisaria-Filipo (G2) i Jesosy fony i Petera niaiky fa Izy no Mesia. Angamba tany amin’ny Tendrombohitra Hermona izy no niova tarehy, taoriana kelin’izay. Nitory tany amin’ny faritr’i Pere, ampitan’i Jordana, i Jesosy tatỳ aoriana.​—Mr 7:24-37; 8:27–9:2; 10:1; Lk 13:22, 33.

Niaraka tamin’ny mpianany tany Jerosalema, “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, sy ny manodidina, i Jesosy, nandritra ilay herinandro farany niainany teto an-tany. (Mt 5:35) Hitanao eto amin’ity sarintany ity ireo toerana nanodidina azy io, izay mety ho efa novakinao tao amin’ny Filazantsara. Anisan’izany i Emaosy, Betania, Betifaga, ary Betlehema.​—Lk 2:4; 19:29; 24:13; jereo ilay sary kely hoe “Faritr’i Jerosalema” ao amin’ny pejy 18.

[Sarintany, pejy 29]

(Jereo ny bokikely)

Tany Nampanantenaina (tamin’ny andron’i Jesosy)

Ilay Tany Tamin’ny Andron’i Jesosy

Tanàna tany Dekapolisy

F5 Hippo (Hippos)

F6 Pela

F6 Scythopolis

G5 Gadara

G7 Gerasa

H5 Dion

H9 Filadelfia

I1 Damaskosy

I4 Raphana

I5 Canatha

Lalam-be (Jereo ny bokikely)

Lalana Mahazatra Mampitohy an’i Galilia sy Jerosalema (Jereo ny bokikely)

Lalana hafa Mampitohy an’i Galilia sy Jerosalema Mandalo an’i Pere (Jereo ny bokikely)

A11 Gaza

B6 Kaisaria

B8 Jopa

B9 Lyda

B12 Beri-sheba

D4 Ptolemaisy

D8 SAMARIA

D8 Antipatria

D8 Arimatia

D9 Emaosy

D10 JODIA

D11 Hebrona

D12 IDOMEA

E1 Sidona

E2 Tyro

E3 FENISIA

E4 GALILIA

E4 Kana

E5 Sepphoris

E5 Nazareta

E5 Naina

E7 Samaria

E7 Sykara

E9 Efraima

E9 Betifaga

E9 Jerosalema

E9 Betania

E10 Betlehema

E10 Hérodium

E10 EFITR’I JODA

E12 Masada

F4 Korazina

F4 Betsaida

F4 Kapernaomy

F4 Magadana

F5 Tiberiasy

F5 Hippo (Hippos)

F6 Betania? (ampitan’i Jordana)

F6 Scythopolis

F6 Pela

F6 Saleima

F6 Ainona

F9 Jeriko

G1 ABILENA

G2 Kaisaria-Filipo

G4 Gamala

G5 Abila?

G5 Gadara

G7 PERE

G7 Gerasa

H3 ITORIA

H5 Dion

H6 DEKAPOLISY

H9 Filadelfia

I1 Damaskosy

I3 TRAKONITISY

I4 Raphana

I12 ARABIA

J5 Canatha

[Tendrombohitra]

E7 T. Ebala

E7 T. Gerizima

G2 T. Hermona

[Ranomasina/Farihy]

B6 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

F4 Ranomasin’i Galilia

F10 Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty)

[Renirano]

F7 Reniranon’i Jordana

[Loharano]

E7 Fantsakan’i Jakoba

[Sary, pejy 28]

Ranomasin’i Galilia. I Kapernaomy no eo aloha ankavia. Tazana avy any atsimoandrefana ampitan’ny Lemak’i Genesareta

[Sary, pejy 28]

Nivavaka teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny Samaritanina. Ny Tendrombohitra Ebala no eo andamosiny