Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nanangana Mpitsara i Jehovah’

‘Nanangana Mpitsara i Jehovah’

HITANAO miharihary eto amin’ny sarintany ny Tendrombohitra Tabara (G4), eo amin’ny Lohasahan’i Jezirela, any atsimoandrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Eritrereto hoe misy miaramila 10 000 eo an-tampon’io tendrombohitra io. I Baraka Mpitsara, sy Debora mpaminanivavy, no nasain’i Jehovah nitaona ny Israely hiady tamin’i Jabina, mpanjaka kananita, izay efa nampahory azy ireo nandritra ny 20 taona. Niala tany Haroseta ny tafik’i Jabina niaraka tamin’ny kalesy 900 nisy antsy niranirany, notarihin’i Sisera komandiny. Tonga teo amin’ny Lohasaha falehan’ny riaka tany Kisona, anelanelan’i Megido sy ny Tendrombohitra Tabara, izy ireo, ary tsy nisy rano teo tamin’izay.

Notarihin’i Baraka Mpitsara hidina tany an-dohasaha ny lehilahin’ny Israely, mba hiady tamin’ny tafik’i Sisera. Nahatonga riaka teo amin’ilay toerana anefa i Jehovah. Niantoka ny fandresen’ny Israely izany, satria nihitsoka ny kalesin’i Sisera ary nisahotaka ny Kananita. (Mps 4:1–5:31) Iray tamin’ireo fandresena maro nomen’Andriamanitra ny Israely, tamin’ny andron’ny Mpitsara izany.

Nozaraina tamin’ny fokon’ny Israely ny tany, rehefa azon’izy ireo ny tany Kanana. Mariho ny toerana nonenan’ireo foko tsy Levita. Nahazo tanàna tao anaty faritanin’ny taranak’i Joda ny foko kelin’i Simeona. Nanjary tsy salama ara-panahy sy ratsy fitondran-tena ilay firenena, rehefa maty i Josoa. “Ory indrindra” ny Israely tamin’izany, satria nampijalin’ny fahavalo. “Nanangana mpitsara” àry i Jehovah mba hanavotana azy ireo tamin’ny fampahoriana. Lehilahy 12 nanam-pinoana sady natanjaka izy ireo, ary nifandimby nanafaka ny Israely tao anatin’ny 300 taona.​—Mps 2:15, 16, 19.

Miaramila kinga 300, tsy nitondra afa-tsy fitaovam-piadiana kely, no nampiasain’i Gideona Mpitsara, mba handresena ireo miaramila midianita 135 000. Tany anelanelan’ny Tendrombohitra Gilboa sy More izy ireo no niady. Taorian’ny fandresena voalohany, dia nenjehin’i Gideona tany an’efitra, tany atsinanana, ireo fahavalo.​—Mps 6:1–8:32.

I Jefta Gileadita, avy tamin’ny fokon’i Manase, no nanafaka ireo tanànan’ny Israely, tany atsinanan’i Jordana, tamin’ny fampahorian’ny Amonita. Nandeha tamin’ny Lalan’andriana, izay nampifandray an’i Ramota-gileada sy Aroera, angamba i Jefta, mba hahafahany handresy.​—Mps 11:1–12:7.

Tany amin’ny faritra amoron-tsiraka, nanodidina an’i Gaza sy Askelona, no nampisehoan’i Samsona ny heriny tamin’ny Filistinina. Tany lonaka i Gaza ary nalaza tamin’ny fambolena sy fiompiana. Nampiasa fosa 300 i Samsona, mba handoroana ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin’olivan’ny Filistinina.​—Mps 15:4, 5.

Araka ny tantara ao amin’ny Baiboly, na ny foko niavian’ireo mpitsara, dia tao amin’ny Tany Nampanantenaina no nanatontosan’ireo mpitsara ny asany. Nikarakara ny vahoakany nibebaka i Jehovah, nandritra ny fotoan-tsarotra, na taiza na taiza toerana nisehoan’ny tantara.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny bokikely)

Foko sy Mpitsara

Mpitsara

1. Otniela (Fokon’i Manase)

2. Ehoda (Fokon’i Joda)

3. Samgara (Fokon’i Joda)

4. Baraka (Fokon’i Naftaly)

5. Gideona (Fokon’i Isakara)

6. Tola (Fokon’i Manase)

7. Jaïra (Fokon’i Manase)

8. Jefta (Fokon’i Gada)

9. Ibzana (Fokon’i Asera)

10. Elona (Fokon’i Zebolona)

11. Abdona (Fokon’i Efraima)

12. Samsona (Fokon’i Joda)

Faritanin’ny Foko Tsirairay (Jereo ny bokikely)

Tanànan’i Manase Hafa

F4 Dora

F5 Megido

F5 Tanaka

G4 En-dora

G5 Beti-sana

G5 Ibleama (Gata-rimona)

Tanànan’i Simeona any Joda

D9 Sarohena (Saraima) (Silima)

D10 Beti-lebaota (Beti-biry)

E8 Etera (Tokena)

E9 Ziklaga

E9 Aina

E9 Hazara-sosa?

E9 Asana

E9 Beri-sheba

E10 Hazara-soala

F9 Etama

F9 Beti-markabota

F9 Betoela? (Kesila?)

F9 Seba? (Jesoa)

F10 Baleta-bera (Bala)

F10 Azema

Tanàna Fandosirana An’ny Levita

F8 Hebrona

G3 Kedesy

G6 Sekema

I4 Golana

I5 Ramota-gileada

I8 Bezera

Lalam-be

B10 Via Maris

H10 Lalan’andriana

Fokon’ny Israely

DANA (E7)

E7 Jopa

F8 Zora

JODA (E9)

D8 Askelona

D9 Gaza

D9 Sarohena (Saraima) (Silima)

D10 Beti-lebaota (Beti-biry)

D12 Azmona

D12 Kadesy

E7 Jabniela

E8 Etera (Tokena)

E9 Ziklaga

E9 Aina

E9 Hazara-sosa?

E9 Asana

E9 Beri-sheba

E10 Hazara-soala

F8 Lehy

F8 Betlehema

F8 Hebrona

F9 Etama

F9 Beti-markabota

F9 Betoela? (Kesila?)

F9 Seba? (Jesoa)

F10 Baleta-bera (Bala)

F10 Azema

ASERA (F3)

F2 Tyro

F4 Haroseta

F4 Dora

F1 Sidona

MANASE (F5)

F6 Samira (Samaria)

F6 Piratona

G6 Sekema

H5 Abela-mehola

EFRAIMA (F7)

F7 Timnata-sera

G6 Tapoa

G6 Silo

G7 Betela (Lozy)

NAFTALY (G3)

G2 Beti-anata

G3 Kedesy

H3 Hazora

ZEBOLONA (G4)

F4 Betlehema

ISAKARA (G5)

F5 Megido

F5 Kedesy (Kisiona)

F5 Tanaka

G4 En-dora

G5 Beti-sita

G5 Beti-sana

G5 Ibleama (Gata-rimona)

BENJAMINA (G7)

G7 Gilgala

G8 Jerosalema

DANA (H2)

H2 Dana (Laisy)

MANASE (I3)

I4 Golana

GADA (J6)

H6 Sokota

H6 Penoela

H6 Mizpa (Mizpe)

H7 Jogbeha

I5 Ramota-gileada

I7 Raba

I7 Abela-keramima

ROBENA (I8)

H7 Hesbona

H9 Aroera

I7 Minita

I8 Bezera

[Toerana hafa]

J1 Damaskosy

[Tendrombohitra]

G4 T. Tabara

G4 More

G6 T. Ebala

G5 T. Gilboa

G6 T. Gerizima

[Ranomasina/Farihy]

D5 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

G9 Ranomasin-tsira

H4 Ranomasin’i Galilia

[Renirano sy loharano]

B11 L. Ejipta

G6 Reniranon’i Jordana

H6 L. Jaboka

H9 L. Arnona

H11 L. Zareda

[Sary, pejy 14]

Tendrombohitra Tabara, faritanin’i Isakara, teo amin’ny Lohasahan’i Jezirela

[Sary, pejy 14]

Nampihitsoka ny kalesin’i Sisera ny riaka be nandalo tany Kisona