Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanova ny Jiosy ny Grika sy ny Romanina

Nanova ny Jiosy ny Grika sy ny Romanina

TANY amin’ny tendrombohitr’i Makedonia no nanomboka nitatra ny fanjakana grika, izay lasa fanjakana lehibe tatỳ aoriana. Tany i Aleksandra no nanomboka nieritreritra hanafika tany atsinanana, raha vao 20 taona mahery kely monja. Nitondra ny miaramilany namakivaky an’i Hellespont (Dardanelles), izay manasaraka an’i Eoropa sy Azia, izy tamin’ny 334 T.K. Toy ny “leoparda” mahery mihazakazaka ny Grika teo ambany fitarihan’i Aleksandra, ka nanomboka nanao fanafihana maro sady haingana. (Da 7:6) Nandresy ny Persanina i Aleksandra tany akaikin’i Troie, tany amin’ny lemaky ny Reniranon’i Granique, ary resiny tanteraka izy ireo tany Issus.

Nanafika an’i Syria sy Fenisia ny Grika, ary noravany i Tyro rehefa nataony fahirano nandritra ny fito volana. (Ezk 26:4, 12) Notafihin’i Aleksandra i Gaza, fa i Jerosalema kosa navelany. (Za 9:5) Raha vao tonga tany Ejipta izy, dia nanorina ny tanànan’i Alexandrie, izay lasa foiben’ny varotra sy ny fianarana ambony. Namakivaky ny Tany Nampanantenaina indray izy, ary nandresy ny Persanina tany Gaugamèles, akaikin’ny sisan-javatra tamin’i Ninive.

Nianatsimo indray i Aleksandra, mba hanafika an’i Babylona sy Sosana (Sosa) ary Persepolisy, izay foiben’ny fitantanan-draharaha tany Persa. Vetivety dia voatetiny ny tanin’ny Persanina hatrany akaikin’ny Reniranon’i Indus, toerana misy an’i Pakistan ankehitriny. Tao anatin’ny valo taona monja dia resin’i Aleksandra ny ankamaroan’ireo fanjakana fantatra tamin’izany fotoana izany. Matin’ny tazo tany Babylona anefa izy tamin’ny 323 T.K., raha vao 32 taona monja.​—Da 8:8.

Nanova zavatra betsaka tany amin’ny Tany Nampanantenaina ny Grika. Nipetraka tany an-toerana ny sasany tamin’ireo miaramilan’i Aleksandra taloha. Nisy vondrona tanàna niteny grika tany, tamin’ny taonjato voalohany (Dekapolisy). (Mt 4:25; Mr 7:31) Nanjary nisy tamin’ny teny grika ny Soratra Hebreo. Ny koine (teny grika iombonana) no nanjary teny nampiasaina hampielezana ny fampianarana kristianina tany amin’ny firenena maro.

Fanjakana Romanina

Inona no nitranga tany andrefana? Nanjary nanana ny naha izy azy i Roma, izay tanàna vitsivitsy teo akaikin’ny Reniranon’i Tibera. Vetivety dia resin’i Roma ireo toerana nofehezin’ny jeneralin’i Aleksandra efatra. Tsara ofana mantsy ny tafiny sady niainga avy tany Roma daholo ny toromarika rehetra. Ny Fanjakana Romanina no nitantana tanàna betsaka indrindra, tamin’ny taona 30 T.K., ary izany no endrika voalohany nisehoan’ilay “biby mahatsiravina” hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana.​—Da 7:7.

Hatrany Bretagne ka hatrany Afrika Avaratra, ary hatrany amin’ny Oseana Atlantika ka hatrany amin’ny Hoala Persika ny Fanjakana Romanina. Nantsoin’ny Romanina hoe Mare Nostrum (Ranomasinay) ny Ranomasina Mediterane, satria nanodidina azy io ilay fanjakana.

Nanova ny Jiosy koa ny Romanina, satria tao anatin’ny Fanjakana Romanina ny tanin’izy ireo. (Mt 8:5-13; As 10:1, 2) Natao batisa ary maty nandritra ny fotoana nanjakan’i Tiberio i Jesosy. Nanenjika ny Kristianina tamin-kabibiana ny mpitondra romanina sasany, saingy tsy afaka namongotra ny fivavahana marina. Resy ilay fanjakana, 1 300 taona tatỳ aoriana, noho ny fanafihan’ny foko iray fiaviana amin’ny Alemà tany avaratra sy ireo mpifindrafindra monina tany atsinanana.

[Sarintany, pejy 26]

(Jereo ny bokikely)

Fanjakana Grika

Nandimby an’i Aleksandra ny jeneraliny efatra, rehefa maty izy

Cassandre

Lysimaque

Ptolémée I

Séleucus I

A2 ▪ GRESY

A2 ▪ Atena

A2 ▪ AKAIA

A3 ○ Kyrena

A3 ○ LIBYA

B2 ▫ Byzance

B3 ○ SIPRA

B4 ○ No-amona (Thèbes)

D3 Palmyra (Tadmora)

D3 ○ Gerasa

D3 ○ Filadelfia

D3 ○ Jerosalema

D5 ○ Syena

H2 • Alexandrie Margiane

Lalan’i Aleksandra

A2 ▪ MAKEDONIA

A2 ▪ Pela

A2 ▫ THRACE

A2 ▫ Troie

B2 ▫ Sardisy

B2 ▫ Efesosy

B2 ▫ Gordion

D2 ▫ Ankara

D3 • Tarsosy

D3 • Issus

D3 • Antiokia (any Syria)

D3 ○ Tyro

D4 ○ Gaza

B4 ○ EJIPTA

B4 ○ Memfisa

B4 ○ Alexandrie

A4 ○ Tany Lonaka An’efitra any Siwa

B4 ○ Memfisa

D4 ○ Gaza

D3 ○ Tyro

D3 ○ Damaskosy

D3 • Alep

E3 • Nisibis

E3 • Gaugamèles

E3 • Babylona

F3 • Sosana

F4 • PERSA

F4 • Persepolisy

F4 • Pasargades

F3 • MEDIA

F3 • Ekbatàna

F3 • Rhagès

F3 • Hécatompylos

G3 • PARTIA

H3 • ARIE

H3 • Alexandrie Aréïon

H3 • Alexandrie Prophthasia

G4 • DRANGIANE

H4 • ARACHOSIE

H4 • Alexandrie d’Arachosie

I3 • Kaboul

H3 • Drapsaca

I3 • Alexandrie Oxiana

H3 • Drapsaca

H3 • BACTRIANE

H3 • Bactres

H2 • Derbent

H2 • SOGDIANE

H2 • Maracande

H2 • Boukhara

H2 • Maracande

I2 • Alexandrie Eskhatê

H2 • Maracande

H2 • Derbent

H3 • Bactres

H3 • BACTRIANE

H3 • Drapsaca

I3 • Kaboul

I3 • Taxila

I5 • INDE

I4 • Alexandrie

H4 • GÉDROSIE

G4 • Pura

F4 • PERSA

G4 • Alexandrie

G4 • CARMANIE

F4 • Pasargades

F4 • Persepolisy

F3 • Sosana

E3 • Babylona

[Toerana hafa]

A3 KRETA

E4 ARABIA

[Ranomasina/Farihy]

B3 Ranomasina Mediterane

D5 Ranomasina Mena

F4 Hoala Persika

H5 Ranomasin’i Arabia

[Renirano]

B4 Neily

E3 Eofrata

E3 Tigra

H4 Indus

[Sarintany, pejy 27]

(Jereo ny bokikely)

Fanjakana Romanina

A1 BRETAGNE

A3 ESPAINA

B1 GERMANIE

B2 GAULE

B2 ITALIA

B2 Roma

B3 Carthage

D2 ILYRIKIONA

D3 GRESY

D3 Actium

D3 Kyrena

E2 Byzance (Constantinople)

E3 AZIA MINORA

E3 Efesosy

E3 Alep

E3 Antiokia (any Syria)

E3 Damaskosy

E3 Gerasa (Djérash)

E3 Jerosalema

E3 Alexandrie

E4 EJIPTA

[Ranomasina/Farihy]

A2 Oseana Atlantika

D3 Ranomasina Mediterane

E2 Ranomasina Mainty

E4 Ranomasina Mena

[Sary, pejy 26]

Naorin’i Ptolémée II indray i Raba, ary novany hoe Filadelfia ny anarany. Mbola misy sisa tamin’ny teatra romanina lehibe iray ao

[Sary, pejy 27]

Gerasa (Djérash), tanàna tany Dekapolisy

[Sary, pejy 27]

Tonga hatrany Eoropa sy Afrika Avaratra ary Moyen-Orient ny lalana romanina, toy ity any akaikin’i Alep ity. Nandeha tamin’izy ireny ny Kristianina rehefa nampiely ny fahamarinana ara-baiboly