Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niverina Tany Amin’ny Taniny ny Vahoakan’Andriamanitra

Niverina Tany Amin’ny Taniny ny Vahoakan’Andriamanitra

MIAVAKA ireo tandavan-tendrombohitra roa manodidina ny lemak’i Iran ankehitriny. Izany dia i Elbourz (atsimon’ny Ranomasina Caspienne) sy Zagros (atsimoatsinanan’ny Ranomasina Caspienne ka hatrany akaikin’ny Hoala Persika). Lohasaha lonaka mitandavana, misy havoana rakotra hazo no manasaraka azy ireo. Antonony ny toetrandro any amin’io lohasaha io, fa mamirifiry kosa ny ririnina any amin’ireo tany lemaka be rivotra sy maina sady avo toerana kokoa. Misy tany efitra ao amin’ilay lembalemba manakaiky azy ireo, ary tsy dia misy mponina firy. Tao amin’io faritra atsinanan’i Mezopotamia io no nipoiran’ny Fanjakana Medianina sy Persanina.

Tao amin’ny faritra avaratr’ilay lembalemba no nisy ny Medianina tamin’ny voalohany, fa niely eran’i Armenia ary Kilikia kosa izy ireo tatỳ aoriana. Ny Persanina kosa tany amin’ny ilany atsimo andrefan’ilay lembalemba, izany hoe tany atsinanan’ny Lohasahan’i Tigra. Nitambatra ireo fanjakana roa ireo rehefa nanjaka i Kyrosy teo antenatenan’ny taonjato fahenina T.K., ka nanjary ny firenena natanjaka indrindra eran-tany.

Nandresy an’i Babylona i Kyrosy tamin’ny 539 T.K. Nitatra niantsinanana hatrany Inde ny fanjakany. Ny ilany andrefana kosa nahafaoka an’i Ejipta sy Torkia ankehitriny. Mety tsara ny niantsoan’i Daniela ny fanjakana medianina sy persanina hoe mirangorango toy ny “bera” izay ‘mihinana nofo be.’ (Da 7:5) Tsara fanahy sady nandefitra i Kyrosy tamin’izy nitondra. Nozarainy ho faritany maromaro ny fanjakany. Ny faritany tsirairay dia niadidian’ny governora, izay persanina ny ankabeazany. Nisy mpitondra teo an-toerana koa anefa nanana fahefana teo ambanin’ireo governora. Nampirisihina hanaraka ny fombafomba sy ny fivavahana efa narahiny ireo foko maro eran’ny fanjakana.

Izany fomba fitondra izany no nahatonga an’i Kyrosy hamela ny Jiosy hiverina tany Jerosalema, mba hamerina ny fivavahana marina sy hanorina indray ilay tanàna, araka ny nambaran’i Ezra sy Nehemia. Heverinao ve fa nanaraka ny Reniranon’i Eofrata hatrany Karkemisy, toa an’i Abrahama, ireo vahoaka ireo? Sa nanitsy tao Tadmora sy Damaskosy ry zareo? Tsy milaza izany ny Baiboly. (Jereo ny pejy 6, 7.) Nisy koa Jiosy nipetraka tany amin’ny faritra sasany tao amin’ilay fanjakana, toy ny tany am-bavaranon’i Neily sy tany amin’ny faritra atsimo kokoa. Maromaro ihany ny Jiosy nijanona tany Babylona, ka izany angamba no nahatonga an’i Petera hitsidika tany, taonjato maro tatỳ aoriana. (1Pe 5:13) Ny Fanjakana Medianina sy Persanina tokoa no anisan’ny nahatonga ny Jiosy hiely tany amin’ny faritra maro, nandritra ny fitondran’ny Grika sy Romanina, tatỳ aoriana.

Rehefa nandresy an’i Babylona ny Medianina sy Persanina, dia nataon-dry zareo foiben’ny fitantanan-draharaha ilay tanàna, izay maina sy mafana rehefa lohataona. Anisan’ny tanànan’ny mpanjaka i Sosana, renivohitr’i Elama taloha. Tao i Ahasoerosy (Ksersesy I angamba), mpanjaka persanina, no nampakatra an’i Estera ho vadiny, sady nandrava ny tetika hamongorana ny vahoakan’Andriamanitra nanerana ilay fanjakana midadasika. Ny renivohitra medianina sy persanina roa hafa dia i Ekbatàna na Akmeta (tany amin’ny 1 900 metatra ambonin’ny ranomasina ary tsara ny andro any rehefa lohataona) sy Pasargades (mitovy haavo aminy fa 650 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanana).

Ahoana no niafaran’io firenena natanjaka io? Nitarika fikomiana, tao amin’ny sisin-tany avaratrandrefana i Gresy, tamin’ny fotoana nampahatanjaka indrindra ny fanjakana medianina sy persanina. Nisy fanjakana matanjaka maromaro tany Gresy tamin’izany fotoana izany. Nitambatra anefa ireo fanjakana ireo, ka naharesy ny tafika persanina nandritra ireo ady nahery vaika tany Marathon sy Salamisy. Io no nitarika ny fifehezan’i Gresy ny Medianina sy Persanina.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny bokikely)

Fanjakana Medianina sy Persanina

A2 MAKEDONIA

A2 THRACE

A4 Kyrena

A4 LIBYA

B2 Byzance

B2 LYDIA

B3 Sardisy

B4 Memfisa (Nofa)

B4 EJIPTA

B5 No-amona (Thèbes)

B5 Syena

D3 KILIKIA

D3 Tarsosy

D3 Issus

D3 Karkemisy

D3 Tadmora

D3 SYRIA

D3 Sidona

D3 Damaskosy

D3 Tyro

D4 Jerosalema

E2 Phasis

E2 ARMENIA

E3 ASYRIA

E3 Ninive

E4 Babylona

F3 MEDIA

F3 Ekbatàna (Akmeta)

F3 HYRCANIE

F4 Sosana (Sosa)

F4 ELAMA

F4 Pasargades

F4 Persepolisy

F4 PERSIA

G3 PARTIA

G4 DRANGIANE

H2 Maracande (Samarcande)

H3 SOGDIANE

H3 BACTRIANE

H3 ARIE

H4 ARACHOSIE

H4 GÉDROSIE

I5 INDE

[Toerana hafa]

A2 GRESY

A3 Marathon

A3 Atena

A3 Salamisy

D1 SKYTIA

D4 Elata (Elota)

D4 Tema

E4 ARABIA

[Tendrombohitra]

F3 T. ELBOURZ

F4 T. ZAGROS

[Ranomasina/Farihy]

B3 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

D2 Ranomasina Mainty

D5 Ranomasina Mena

F2 Ranomasina Caspienne

F4 Hoala Persika

[Renirano]

B4 Neily

D3 Eofrata

E3 Tigra

I4 Indus

[Sary, pejy 24]

Tsy maintsy namakivaky ny tendrombohitr’i Zagros ny tafik’i Kyrosy, mba hahatongavana tany Babylona

[Sary, pejy 25]

Ambony: Vavahadin’i Ksersesy, any Persepolisy

[Sary, pejy 25]

Sary kely: Fasan’i Kyrosy, any Pasargades