Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tanin’ny Razamben’ny Jiosy

Ny Tanin’ny Razamben’ny Jiosy

NANONONA toerana maromaro i Stefana tao amin’ilay lahateniny malaza. Hoy izy: “[Jehovah] niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezopotamia, raha mbola tsy nanorim-ponenana tany Harana. Ary hoy Andriamanitra taminy: ‘. . . Mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.’” (As 7:1-4) Io baiko io no nahatonga ireo fisehoan-javatra lehibe tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Nahakasika an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ireny fisehoan-javatra ireny, ary nifandray tamin’ny fikasan’Andriamanitra hitahy ny zanak’olombelona.​—Ge 12:1-3; Js 24:3.

Nasain’Andriamanitra niala tany Oran’ny Kaldeanina i Abrahama (na Abrama). Tanàna nanankarena i Ora, ary tany atsinanan’ny Reniranon’i Eofrata no nisy azy tamin’izay. Aiza ny lalana hizoran’i Abrahama? Toa ho mora kokoa ny hanitsy hiankandrefana, raha avy any Kaldea, izay nantsoina koa hoe Somera na Sinara. Nahoana anefa izy no nanalavi-dalana tany Harana?

Misy faritra miendrika sila-bolana antsoina hoe Croissant Fertile avy any Palestina ka hatrany amin’ny lemaky ny reniranon’i Tigra sy Eofrata. Any amin’ny tapany atsinanan’izy io no misy an’i Ora. Tsy dia nafana loatra angamba tany amin’io toerana io taloha. Eo atsimo afovoan’ilay sila-bolana no misy ny Tany Efitra Syrianina sy Arabo, izay ahitana havoana misy vatosokay sy tany lemaka feno fasika. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa izy io no “sakana toa tsy azo nihoarana” nanelanelana ny Morontsirak’i Mediterane sy Mezopotamia. Mety ho nita ny Reniranon’i Eofrata ny mpanao dia lavitra sasany, ary tonga tany Tadmora sy Damaskosy. Tsy nentin’i Abrahama namakivaky izany tany efitra izany anefa ny fianakaviany sy ny omby aman’ondriny.

Nanaraka ny Lohasahan’i Eofrata hatrany Harana kosa i Abrahama. Nanomboka teo dia afaka nanaraka ny lalana falehan’ny mpivarotra izy, nita teo amin’ny fiampitana tany Karkemisy, nianatsimo nandalo an’i Damaskosy ary nizotra hatrany amin’ny toerana nantsoina tatỳ aoriana hoe Ranomasin’i Galilia. Mandalo an’i Megido ka hatrany Ejipta kosa ny Via Maris, na “Ny Lalan’ny Ranomasina.” Namakivaky ny tendrombohitr’i Samaria anefa i Abrahama. Tamin’ny farany dia nanorina lay tany Sekema izy. Nizotra nianatsimo tamin’izany lalana be tendrombohitra izany indray izy avy eo. Araho ny diany rehefa mamaky ny Genesisy 12:8–13:4 ianao. Mariho koa ireo toerana hafa efa nandalovany: Dana, Damaskosy, Hoba, Mamre, Sodoma, Gerara, Beri-sheba, ary Moria (Jerosalema).​—Ge 14:14-16; 18:1-16; 20:1-18; 21:25-34; 22:1-19.

Manampy anao hahatakatra ny zava-niseho teo amin’ny fiainan’i Isaka sy Jakoba ny fahaizana jeografia. Taiza, ohatra, no nandefasan’i Abrahama ny mpanompony hitady vady ho an’i Isaka, tamin’izy tany Beri-sheba? Tany amin’ny faritra avaratra be, izany hoe Padana-arama, any Mezopotamia (midika hoe “Tany Anelanelana Renirano”). Avy eo dia hevero fa nanao dia nandreraka, nitaingina rameva i Rebeka mba hihaonana tamin’i Isaka, mandra-pahatonga tany Negeba, angamba teo akaikin’i Kadesy.​—Ge 24:10, 62-64.

Nanao dia lavitra toy io koa i Jakoba (Israely) zanak’izy ireo, mba hanambadiana olona manompo an’i Jehovah. Tsy dia nitovy tamin’izany kosa ny lalana nizoran’i Jakoba, rehefa nody tany amin’ny taniny izy. Nitolona tamin’ny anjely iray i Jakoba, rehefa avy nita rano tany Jaboka, akaikin’i Penoela. (Ge 31:21-25; 32:3, 23-31) Nifankahita tamin’i Esao tany amin’io toerana io izy. Samy namonjy izay toerana honenany avy izy ireo avy eo.​—Ge 33:1, 15-20.

Nisy nisavika tany Sekema i Dina zanakavavin’i Jakoba. Nifindra tany Betela i Jakoba taorian’izay. Azonao an-tsaina ve ny halaviran’ny toerana niandrasan’ny zanak’i Jakoba ny ondriny, ka nahitan’i Josefa azy ireo? Mety hanampy anao hahita ny elanelan’i Betela sy Dotana ity sarintany ity (sy ilay ao amin’ny pejy 18, 19). (Ge 35:1-8; 37:12-17) Namidin’ny rahalahiny tamin’ny mpandranto handeha ho any Ejipta i Josefa. Iny fisehoan-javatra iny no nitarika ny fifindran’ny Israelita ho any Ejipta sy ny fanafahana azy ireo avy tany. Taiza, araka ny hevitrao, ny lalana nizoran’ireo mpandranto nitondra an’i Josefa ho andevo tany Ejipta?​—Ge 37:25-28.

[Sarintany, pejy 7]

(Jereo ny bokikely)

Ny Dian’i Abrahama (Jereo ny bokikely)

Ny Dian’i Isaka (Jereo ny bokikely)

Ny Dian’i Jakoba (Jereo ny bokikely)

Lalam-be (Jereo ny bokikely)

Tanin’ny Razamben’ny Jiosy (topy maso)

A4 GOSENA

A5 EJIPTA

B4 SORA

B5 PARANA

D3 Damaskosy

D3 Dana (Laisy)

D4 Sekema

D4 Betela

D4 Hebrona (Kiriata-arba)

D4 Gerara

D4 Beri-sheba

D4 SEÏRA

D4 Kadesy

D5 EDOMA

E1 Karkemisy

E2 Tadmora

E3 Hoba

F1 PADANA-ARAMA

F1 Harana

G2 MEZOPOTAMIA

H1 Ninive

H2 CROISSANT FERTILE

H3 Babylona

I4 KALDEA

I4 Ora

[Tendrombohitra]

D4 Moria

[Ranomasina/Farihy]

B3 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

[Renirano]

F2 Eofrata

H2 Tigra

Razamben’ny Jiosy (tao amin’ny Tany Nampananatenaina)

KANANA

Megido

GILEADA

Dotana

Sekema

Sokota

Mahanaima

Penoela

Betela (Lozy)

Ay

Jerosalema (Salema)

Betlehema (Efrata)

Mamre

Hebrona (Makpela)

Gerara

Beri-sheba

Sodoma?

NEGEBA

Rehobota?

Bera-lahai-roy

Kadesy

Lalam-be

Via Maris

Lalan’andriana

[Tendrombohitra]

Moria

[Ranomasina/Farihy]

Ranomasin-tsira

[Renirano sy loharano]

Jaboka

Jordana

[Sary, pejy 6]

Reniranon’i Eofrata eo akaikin’i Babylona

[Sary, pejy 6]

Nipetraka tany Beri-sheba i Abrahama sady niandry ny ondriny teny amin’ny manodidina teny

[Sary, pejy 6]

Lohasaha falehan’ny riaka any Jaboka