Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tany ao Amin’ny Baiboly

Ny Tany ao Amin’ny Baiboly

NILAZA ny tena faniriany tamin’Andriamanitra i Mosesy, rehefa niomana hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israely. Hoy izy: “Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara.”​—De 3:25.

Tsy afaka nanao izany i Mosesy. Niakatra ny tendrombohitra tandrifin’i Jeriko anefa izy, ka nahita ilay tany, izany hoe ‘Gileada hatrany Dana sy ny tanin’ny Joda ka hatramin’ny ranomasina andrefana ary ny tany atsimo [na Negeba] sy ny lohasahan’i Jordana.’ (De 3:27; 34:1-4) Efa nandre ireo anaran-tany ireo ve ianao? Fantatrao ve ny toerana nisy azy ireo?

Tsy ny vahoakan’i Jehovah rehetra no afaka mitsidika ireo toerana maro hitany ao amin’ny Baiboly. Tsy afaka hanao toa an’i Abrahama izy ireo, ka hitety ny lavany sy ny sakan’ny Tany Nampanantenaina, araka ny baikon’i Jehovah. (Ge 13:14-17) Tena maniry hahafantatra ireo toerana ao amin’ny Baiboly anefa ny Kristianina marina, ary te hahafantatra ny fifandraisan’izy ireo.

Azonao ampiasaina ity bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’ ity, mba hanitaranao ny fahalalanao ny Soratra Masina. Nalaina sary ireo toerana mbola misy ankehitriny ary aseho ato izy ireny. Anisan’izany i Gileada, eo amin’ny fonony. Afaka mampitombo ny fahalalanao ny toerana ao amin’ny Baiboly koa ireo sarintany.

Toerana na tanàna lehibe ihany no asehon’ireo sarintany ao amin’ny pejy 2 sy 3. Ho azonao tsara, ohatra, ny faminaniana momba an’i Asyria sy Ejipta, rehefa jerenao ny elanelan’izy ireo sy ny Tany Nampanantenaina. (Is 7:18; 27:13; Ho 11:11; Mi 7:12) Somary lavalava ilay faritra antsoina hoe Tany Nampanantenaina, ary sampanan-dalana izy io taloha. Nitady hibodo azy io ny firenen-kafa, noho izy nahavokatra voa madinika sy voaloboka ary oliva.​—De 8:8; Mps 15:5.

Tokony hampitaha toerana ianao indraindray. Nirahina ho any amin’ny renivohitra asyrianina, ohatra, i Jona, nefa lasa nandositra tany Tarsisy. (Jo 1:1-3) Hitanao amin’io sarintany voalohany io ve ireo toerana ireo? Tsy tokony hafangaro amin’i Tarsosy, toerana nahaterahan’i Paoly, anefa i Tarsisy. Hahita an’i Tarsosy sy ireo tany mahaliana hafa ianao amin’ity sarintany eto ity.

Saintsaino ny faharetan’ny dian’i Abrahama sy ny lalana nalehany rehefa mahita an’i Ora sy Harana ary Jerosalema ianao. Rehefa nasain’i Jehovah niala tany Ora izy, dia nipetraka tany Harana, ary avy eo nifindra tany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Ge 11:28–12:1; As 7:2-5) Mbola ho azonao an-tsaina kokoa ny dian’i Abrahama, rehefa mianatra “Ny Tanin’ny Razamben’ny Jiosy” ianao, ao amin’ny pejy 6-7.

Tsy mifandray amina vanim-potoana manokana ilay sarintany voalohany sy ilay hitanao eto. Milahatra araka ny fotoana nisehoany kosa ny sarintany sisa rehetra, amin’ny ankapobeny. Mifandray amin’ny zava-niseho tamin’ny vanim-potoana iray ireo tanàna, na fanazavana amin’ny sarintany iray. Afaka manampy anao hahita ny sarintany mifandray amin’ny fikarohana ataonao ny Fanondroana (pejy 34-35), na dia tsy ahitana ny toerana rehetra ao amin’ireo sarintany aza.

Ilay sarintany ao amin’ny fisasahany (pejy 18-19) no ahitana tanàna ao amin’ny Tany Nampanantenaina betsaka indrindra. Hanampy anao hahita ny tanànan’ny Levita sy ireo tanàna fandosirana enina ny Maribolan’ny Sarintany. Ny maribolana koa no hahafantaranao raha hita ao amin’ny Soratra Hebreo ilay toerana, na ao amin’ny Soratra Grika, na ao amin’izy roa.

Tsy fantatra intsony ny sasany amin’ireo toerana ao amin’ny Baiboly ankehitriny. Tsy hita ao amin’io sarintany eo amin’ny fisasahany io àry ny ankamaroan’izy ireny. Tsy ho omby ao daholo koa ireo tanàna rehetra, toy ireo ao amin’ny lisitry ny faritanin’ireo foko. (Js, toko 15-19) Lazaina ao amin’io sarintany io anefa ny tanàna manakaiky ireny toerana ireny, ka afaka manombantombana ny misy azy ianao. Aseho eo koa ny sasany amin’ny tendrombohitra sy renirano ary lohasaha falehan’ny riaka. Aseho amin’ny loko samy hafa kosa ny haavo sy ny toetoetran’ny tany. Hanampy anao haka sary an-tsaina ny lafiny sasany amin’ny tantara ara-baiboly ireny tsipiriany ireny.

Misy fanazavana bebe kokoa momba ireo toerana ao amin’ny Baiboly ao amin’ilay rakipahalalana hoe Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (Perspicace), izay misy amin’ny fiteny maro. a Rehefa mampiasa azy io, na boky fianarana Baiboly hafa ianao, dia ataovy eo akaikinao ity bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’ ity. Aoka ianao hijery azy io rehefa mianatra ny Soratra Masina, izay tena mahasoa anao.​—2Ti 3:16, 17.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 4, 5]

(Jereo ny bokikely)

Tany ao Amin’ny Baiboly sy Ireo Tanàna Lehibe

A1 ITALIA

A2 ROMA

A3 SISILA

A3 MALTA

D2 MAKEDONIA

D2 Filipy

D2 GRESY

D3 ATENA

D3 Korinto

D3 KRETA

D4 LIBYA

E3 Antiokia (any Pisidia)

E3 Efesosy

E3 PATMO

E3 RODO

E4 MEMFISA

E5 EJIPTA

F2 AZIA MINORA

F3 Tarsosy

F3 Antiokia (any Syria)

F3 SIPRA

F4 Sidona

F4 Damaskosy

F4 Tyro

F4 Kaisaria

F4 TANY NAMPANANTENAINA

F4 JEROSALEMA

F4 MOABA

F4 Kadesy

F4 EDOMA

G3 Zaridainan’i Edena?

G3 ASYRIA

G3 Harana

G3 SYRIA

G5 ARABIA

H3 NINIVE

H4 BABYLONA

H4 KALDEA

H4 Sosana

H4 Ora

I3 MEDIA

[Tendrombohitra]

F5 T. Sinay

H2 T. ARARATA

[Ranomasina/Farihy]

D3 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)

F1 Ranomasina Mainty

F5 Ranomasina Mena

I2 Ranomasina Caspienne

I5 Hoala Persika

[Renirano]

E5 Reniranon’i Neily

G3 Reniranon’i Eofrata

H3 Reniranon’i Tigra