Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?
Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?
MISY fiainana ve aorian’ny fahafatesana? Nahavery hevitra ny olombelona nandritra ny an’arivony taona maro io fanontaniana io. Nisaintsaina momba izany ny olona tany amin’ny firenen-tsamy hafa nandritra ireo taonjato, ka nanjary nanana fiheverana maro samihafa.
Maneran-tany, dia maro no mihevitra fa misy “fanahy” mbola velona ihany aorian’ny fahafatesan’ny olona. Moa ve misy zavatra, ao anatin’ny olona, tena mandao ny vatana tokoa ary mbola velona ihany, rehefa maty ilay olona? Inona moa ny fanahy ao amin’ny olona velona? Ary manao ahoana io fanahy io rehefa maty isika? Manome valiny marina sy mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly, Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.
Inona moa ny fanahy?
Ny hevitra fototry ny teny nadika hoe “fanahy”, ao amin’ny Baiboly, dia “fofonaina”. Tsy ny mampiditra sy mamoaka fofonaina fotsiny anefa no tafiditra amin’izany. Hoy, ohatra, i Jakoba, mpanoratra ny Baiboly: “Maty ny tena, raha tsy misy fanahy”. (Jakoba 2:26). Ny fanahy àry no mamelona ny vatana.
Tsy mety ho ny fofonaina, na ny rivotra, mivoaka sy miditra ao amin’ny havokavoka, fotsiny akory io hery mamelona io. Fa nahoana kosa? Satria rehefa tapitra ny fofonaina, dia mbola misy aina ihany ao amin’ireo sela amin’ny vatana mandritra ny fotoana fohy — “mandritra ny minitra maromaro”, araka ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). Noho izany no azo amelomana indray olona noheverina hoe maty, sy azo amindrana taovan’ny olona iray ho amin’ny iray hafa. Raha vantany vao maty anefa ilay tselatr’aina ao amin’ireo sela amin’ny vatana, dia very maina foana ny ezaka rehetra hamelomana ilay olona indray. Tsy hamelona indray na dia sela iray monja aza, ny fofonaina rehetra eran’izao tontolo izao. Ny fanahy Joba 34:14, 15.
àry dia ny herim-piainana tsy hita maso, na ny tselatr’aina, izay mamelona ireo sela hatrany. Ny fofonaina no mampaharitra io herim-piainana io. —Ao amin’ny olombelona ihany ve no iasan’io fanahy io? Manampy antsika tsy hanao fanatsoahan-kevitra diso ny Baiboly amin’izany lafiny izany. Hoy ny nosoratan’i Solomona, mpanjaka hendry: “Iza no mahalala ny fanahin’ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ny biby, na midina amin’ny tany izy, na tsia?” (Mpitoriteny 3:21). Voalaza àry fa manana fanahy na ny olona na ny biby. Ahoana no hetezan’izany?
Ny fanahy, na herim-piainana, dia azo ampitahaina amin’ny herinaratra izay mandeha ao amin’ny milina na fitaovana elektrika iray. Azo ampiasaina hanaovan-javatra maro samihafa ilay herinaratra tsy hita maso, arakaraka ilay karazam-pitaovana ampiasana azy. Ny vantilatera, ohatra, dia afaka manome rivotra mampangatsiatsiaka olona iray, ary ny televiziona dia afaka mamoaka sary sy feo. Tsy maka ny toetoetran’ilay fitaovana ampiasana azy velively anefa ilay herinaratra. Hery fotsiny izy io, ary tsy hiova ho zavatra hafa. Toy izany koa fa tsy maka ny toetoetran’ireo zavaboary velominy ilay herim-piainana. Tsy manana ny maha izy azy izy io, ary tsy afaka mieritreritra. Samy manana fanahy na ny olona na ny biby. (Mpitoriteny 3:21). Rehefa maty àry ny olona, ny fanahiny dia tsy manohy miaina any amin’ny faritra hafa, ka hoe lasa zavaboary ara-panahy.
Raha izany no izy, manao ahoana àry ny olona rehefa maty? Ary manao ahoana ny fanahy rehefa maty ny olona?
“Hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao”
Rehefa ninia tsy nankatò ny didin’Andriamanitra i Adama, ilay lehilahy voalohany, dia hoy i Jehovah taminy: “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary Genesisy 3:19). Taiza moa i Adama talohan’ny namoronan’i Jehovah azy avy tamin’ny vovoka? Tsy taiza tsy taiza izy! Tsy nisy fotsiny izy. Koa ny tian’i Jehovah Andriamanitra holazaina àry rehefa nilaza izy fa ‘hiverina any amin’ny tany’ i Adama, dia hoe ho faty i Adama. Tsy hifindra hankany amin’ny faritra ara-panahy akory i Adama. Hanjary tsy hanana aina sy tsy hisy toy ny teo aloha izy, rehefa maty. Fahafatesana — tsy fananana aina — no saziny, fa tsy fifindran-toerana tany amin’ny faritra hafa. — Romana 6:23.
hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Ahoana ny amin’ny olon-kafa izay maty? Manao ahoana ny olona rehefa maty? Mazava ny valin’izany, araka ny voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10, izay amakiantsika hoe: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...). Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” Ny fahafatesana àry dia ny tsy fisiana. Nanoratra ny mpanao salamo fa rehefa maty ny olona, dia “miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. — Salamo 146:4.
Mazava àry fa tsy mahatsiaro tena sy tsy afaka manao na inona na inona ny maty. Tsy mahalala na inona na inona izy. Tsy afaka mahita na mandre anao, na miresaka aminao izy. Sady tsy afaka manampy anao izy no tsy afaka manisy ratsy anao koa. Azo antoka fa tsy tokony hatahotra ny maty ianao.
‘Miverina amin’Andriamanitra’ ny fanahy
Lazain’ny Baiboly fa rehefa maty ny olona, ‘ny fanahy dia hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny’. (Mpitoriteny 12:7). Midika ve izany fa misy fanahy misaraka amin’ny vatana ka mamakivaky ara-bakiteny ny habakabaka mba ho eo anatrehan’Andriamanitra? Tsy izany velively! Ny fomba ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe ‘miverina’, dia tsy mitaky fifindran-toerana ara-bakiteny. Nilazana, ohatra, ireo Isiraelita tsy nahatoky hoe: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Malakia 3:7). Ny ‘fiverenan’ny’ Isiraely tamin’i Jehovah dia nidika ho fialana tamin’ny fanaovan-dratsy, ary fiezahana indray hiaina nifanaraka tamin’ny lalana marin’Andriamanitra. Ary ny ‘fiverenan’i’ Jehovah tamin’ny Isiraely dia nidika ho fanehoana indray fankasitrahana ny vahoakany. Na tamin’ny Isiraely na tamin’i Jehovah, ny ‘fiverenana’ dia nahakasika fihetsika manoloana toe-javatra iray, fa tsy fifindran-toerana ara-bakiteny.
Toy izany koa, eo am-pahafatesan’ny olona, rehefa ‘miverina’ amin’Andriamanitra ny fanahy, dia tsy mifindra ara-bakiteny avy eto an-tany mankany an-danitra. Tadidio fa herim-piainana no fanahy. Raha vantany vao miala amin’ny olona iray io hery io, dia Andriamanitra irery ihany no mahay mamerina azy io indray amin’ilay olona. ‘Miverina amin’Andriamanitra’ àry ny fanahy amin’ny heviny hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra izao ny hany fanantenan’ilay olona ho velona indray amin’ny hoavy.
Diniho, ohatra, izay ambaran’ny Soratra Masina momba ny fahafatesan’i Jesosy. Hoy i Lioka, mpanoratra filazantsara: “Niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.” (Lioka 23:46). Tsy teny an-dalana ara-bakiteny ho any an-danitra akory i Jesosy tamin’ny fotoana nialan’ny fanahiny taminy. Tsy natsangana tamin’ny maty mantsy izy raha tsy tamin’ny andro fahatelo, ary 40 andro taorian’izay vao niakatra tany an-danitra izy. (Asan’ny Apostoly 1:3, 9). Tamin’ny fotoana nahafatesany kosa, dia nametraka ny fanahiny teo am-pelatanan-dRainy i Jesosy, ary natoky tanteraka ny fahaizan’i Jehovah hamelona azy indray.
Andriamanitra irery ihany tokoa no afaka mamelona olona iray indray. (Salamo 104:30). Fanantenana lehibe tokoa no atolotr’izany!
Fanantenana azo antoka
Hoy ny Baiboly: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra [ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, New World Translation] ny feon[’i Jesosy]; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29). Nampanantena tokoa i Jesosy Kristy fa hatsangana, na hovelomina indray, ireo rehetra ao amin’ny fahatsiarovan’i Jehovah. Tsy hisy filazana manjo intsony, fa filazana mahafaly kosa ny amin’ireo izay novelomina indray. Hahafinaritra tokoa ny handray ireo havan-tiana avy ao am-pasana!
Ho tianao ve ny hahalala misimisy kokoa momba ny fomba azonao andraisan-tsoa avy amin’io fampanantenan’Andriamanitra io? Manasa anao izahay hanoratra any amin’ny adiresy voalaza etsy ambany mba hahazoanao ilay bokikely hoe Ny Fanahin’ireo Maty — Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
Raha tsy misy fanamarihana manokana, ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta (1997).