Hijery ny anatiny

Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?

Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?

Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?

“Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” hoy ny fanontaniana nataon’i Joba olombelona taloha ela be. (Joba 14:14). Ianao io koa angamba mba efa nanontany tena toy izany. Ahoana ny hevitrao raha mahafantatra fa ho afaka hihaona indray amin’ireo olon-tianao ianao eto an-tany eto ihany, nefa ho ao anatin’ny toe-piainana izay tena tsara indrindra?

Raha ny Baiboly aloha, dia izao no fampanantenany: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty. (...) Ny oloko hitsangana”. Dia hoy koa ny Baiboly: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Isaia 26:19; Salamo 37:29.

Mba hahazoana toky tokoa ny amin’ireo fampanantenana ireo, dia ilaina aloha ny valin’ireto fanontaniana fototra ireto: Nahoana moa no maty ny olona? Aiza moa ny maty? Ary inona no manome toky antsika fa ho velona indray izy ireny?

Ny fahafatesana sy izay miseho rehefa maty isika

Mampiseho mazava ny Baiboly fa tsy fikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany akory ny hahafatesan’ny olombelona. Rehefa noforoniny izy mivady olombelona voalohany, Adama sy Eva, dia nampitoeriny tao amin’ny paradisa an-tany nantsoina hoe Edena, sady nomeny toromarika mba hanan-janaka sy hanitatra an’ilay Paradisa fonenany hatramin’ny faran’ny tany. Raha mandika ny toromariny fotsiny izy ireo no ho faty. — Genesisy 1:28; 2:15-17.

Tsy ampy fankasitrahana ny hatsaram-panahin’Andriamanitra i Adama sy i Eva ka tsy nanoa azy ary dia natao handoa ny sazy voafetra rahateo. Hiverina “any amin’ny tany” ianao, hoy Andriamanitra tamin’i Adama, “fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao”. (Genesisy 3:19). Tsy nisy Adama talohan’ny nahariana azy fa dia vovoka fotsiny. Ary noho ny tsy fankatoavany na otany, dia nomelohina izy hiverina ho amin’ny vovoka indray, izany hoe, ho amin’ny tsy fisiana.

Ny fahafatesana àry izany dia ny tsy fisian’ny fiainana. Soritan’ny Baiboly toy izao izany fifanoherana izany: “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra”. (Romana 6:23). Mba hampisehoana fa tsy fahatsiarovan-tena tanteraka ny fahafatesana, dia hoy ny Baiboly hoe: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5). Rehefa misy olona maty, hoy ny fanazavan’ny Baiboly dia: “Miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy.” Salamo 146:3, 4, Fandikan-teny Katolika.

Kanefa, raha ry Adama sy Eva no nandika ilay baiko tany Edena, nahoana no samy maty avokoa isika rehetra? Satria samy teraka daholo taorian’ny tsy fankatoavan’i Adama isika, hany ka samy nandova ny ota sy ny fahafatesana avy taminy. Hoy ny fanazavan’ny Baiboly: “Ny nidiran’ny ota avy tamin’olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana”. — Romana 5:12; Joba 14:4.

Misy anefa hanontany hoe: ‘Angaha moa isika olombelona tsy manana fanahy tsy mety maty mbola velona ihany aorian’ny fahafatesana?’ Maro no mampianatra izany sady milaza mihitsy aza fa varavarana mitondra ho amin’ny fiainan-kafa fotsiny ny fahafatesana. Tsy mba hevitra avy amin’ny Baiboly anefa raha izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampianatra kosa fa ianao io no fanahy ka ny atao hoe fanahinao dia ianao izao indrindra, misy ny fombanao ara-batana sy ara-tsaina. (Genesisy 2:7, New World Translation; Jeremia 2:34, NW; Ohabolana 2:10). Hoy koa ny Baiboly hoe: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4). Tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly izay fampianarana fa hoe, ny olombelona dia manana fanahy tsy mety maty mbola velona ihany aorian’ny fahafatesan’ny vatana.

Ny fomba hahaveloman’ny olombelona indray

Taorian’ny nidiran’ny ota sy ny fahafatesana tamin’izao tontolo izao, dia nambaran’Andriamanitra ny fikasany hampiverina ny maty amin’ny fiainana amin’ny fananganana azy. Koa dia hazavain’ny Baiboly fa: “Abrahama (...) nihevitra (...) fa Andriamanitra dia mahay manangana [an’Isaka zanany amin’] ny maty aza”. (Hebreo 11:17-19). Tsy diso akory i Abrahama satria hoy ny Baiboly momba ny Tsitoha: “Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” — Lioka 20:37, 38.

Eny, ananan’Andriamanitra Tsitoha, tsy ny fahefana fotsiny, fa ny faniriana koa ny hanangana an’ireo fidiny. Jesosy mihitsy aza efa nilaza hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra [ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony; dia hivoaka izy”. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Tsy ela taorian’ny nilazany izany, i Jesosy dia sendra fandevenana nivoaka avy tao amin’ny tanàna isiraelitan’i Naina. Zanaka lahitokan’ny vehivavy nananotena ilay zatovo maty. Nangoraka i Jesosy nahita ny alahelony lalina. Koa dia hoy izy, nibaiko an’ilay faty: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Dia niarina razazalahy ka nomen’i Jesosy an-dreniny. — Lioka 7:11-17.

Toy ny tamin’io vehivavy nananotena io dia fatratra koa ny haravoana tamin’ny nahatongavan’i Jesosy tao an-tranon’i Jairo, mpanapaka tao amin’ny synagoga jiosy. Vao maty mantsy ny zanany vavy 12 taona. Rehefa tonga tao an-tranon’i Jairo anefa i Jesosy dia nankao amin’ilay zaza maty ka nanao hoe: “Ry zazavavy, miarena.” Ary dia nataony izany! — Lioka 8:40-56.

Maty koa tatỳ aoriana i Lazarosy sakaizan’i Jesosy. Efa maty efatra andro i Lazarosy vao tonga tao an-tranony i Jesosy. Na dia lalina tokoa aza ny alahelony, dia nanonona ny fanantenany ihany i Marta anabaviny ka nanao hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” Nankany amin’ny fasana i Jesosy ary nampanaisotra ny vatom-pasana ka niantso hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Ka dia nivoaka izy! — Jaona 11:11-44.

Fa mba diniho kely ange: Nanao ahoana moa i Lazarosy nandritra ireo efatra andro nahafatesany? Tsy misy mihitsy teny nilazan’i Lazarosy na hoe, tany an-danitra feno fahasambarana izy na hoe, tany amin’ny afobe fijaliana, izay tsy maintsy ho nataony tokoa raha avy tany izy. Tsia, fa tena tsy nahatsiaro tena tanteraka i Lazarosy tao amin’ny fahafatesana ary ho toy izany ihany, hatramin’ny “fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany”, raha tsy namelona azy indray i Jesosy.

Marina fa nahasoa vetivety fotsiny ireo fahagagana nataon’i Jesosy ireo, satria mbola maty indray ireo olona natsangany. Nomeny anefa ny porofo, 1900 taona lasa izay, fa amin’ny herin’Andriamanitra, dia azo velomina indray tokoa ny maty! Tamin’ny ambaratonga kely fotsiny tamin’izay no nanehoan’i Jesosy, tamin’ny alalan’ny fahagagana nataony, izay hiseho eto an-tany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa misy olon-tiana maty

Mety ho lalina ny alahelonao rehefa mamely Rafahafatesana fahavalo, na dia manana ny fitsanganana amin’ny maty ho fanantenana aza ianao. I Abrahama dia nino tokoa fa mbola ho velona indray ny vadiny, kanefa dia mbola vakintsika ihany fa “tonga Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy”. (Genesisy 23:2). Ary ahoana moa ny amin’i Jesosy? Rehefa maty i Lazarosy dia “vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra” izy ary avy eo dia “nitomany” koa. (Jaona 11:33, 35). Aza atao ho fahosana àry ny mitomany rehefa misy olon-tianao maty.

Indrindra ny reny, rehefa maty ny zanaka, dia mafy tokoa ny manjo azy. Koa dia eken’ny Baiboly tokoa ny ngidin’ny alahelo tsapan’ny reny. (2 Mpanjaka 4:27). Fa ny ray koa aloha dia mahatsiaro ho mangirifiry toy izany koa. “Inay anie aho no maty nisolo anao”, hoy ny tolokon’i Davida Mpanjaka, rehefa maty i Absaloma zanany. — 2 Samoela 19:1.

Kanefa ny fanananao toky ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia hampitony kokoa ny alahelonao. Toy ny ilazan’ny Baiboly azy, dia tsy hisy “hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana”. (1 Tesaloniana 4:13). Manatòna kosa an’Andriamanitra amim-bavaka fa, araka ny Baiboly, dia “Izy no hanohana anao”. — Salamo 55:22

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana, anglisy), ny andinin-teny rehetra dia avy amin’ny Baiboly Fandikan-teny Protestanta.