Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanaporofoako fa Misy Andriamanitra?

Ahoana no Hanaporofoako fa Misy Andriamanitra?

Toko 36

Ahoana no Hanaporofoako fa Misy Andriamanitra?

Tsy sahy mitory amin’ny mpiara-mianatra ve ianao? Inona no tena antony?

□ Tsy dia mahay Baiboly

□ Matahotra sao hesoin’ny ankizy

□ Tsy mahay manombo-dresaka

Inona no hitanao hoe mora indrindra?

□ Mitory amin’ny ankizy iray

□ Mitory eo anatrehan’ny iray kilasy

□ Mampiditra ny zavatra inoana, ao anaty famelabelarana an-tsoratra

Iza no mpiara-mianatra aminao mety hihaino anao, raha mahay manombo-dresaka aminy ianao? Soraty eto ny anarany.․․․․․

TSY dia tia miresaka momba an’Andriamanitra ny ankizy any am-pianarana. Miresaha ange momba azy e! Tonga dia mangina ry zareo. Mafana kosa ny resaka, raha zavatra hafa no resahinao. Ohatra hoe fanatanjahan-tena, akanjo, fitiavana.

Tsy hoe tsy mino an’Andriamanitra ny namanao. Tena mino azy ny maro aminy. Menatra hiresaka momba azy fotsiny ny sasany. Mieritreritra mantsy izy ireo hoe: ‘Tsy tian’ny ankizy izany.’

Ary ianao?

Tsy dia mahagaga raha tsy sahy miresaka momba an’Andriamanitra ianao. Mafy mantsy ny hihatakatahan’ny olona, mainka moa fa hoe hihomehezany! Mety hisy hanao an’izany tokoa, nefa tsy ny ankizy rehetra. Maro amin’izy ireo no mitady ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: Hanao ahoana ihany ity fiainana ity? Nahoana no mijaly be hoatr’izao ny olona? Aleon’ny ankizy miresaka an’izany amin’ny tanora mitovy aminy, toy izay amin’ny olon-dehibe.

Na izany aza, dia mety mbola tsy ho sahinao ihany ny hiresaka fivavahana amin’ny namanao. Tsy voatery hiseho ho mpivavaka be anefa ianao. Aza matahotra koa hoe tsy maintsy mety be ny teny holazainao. Mitovitovy amin’ny fitendrena zavamaneno ny fitoriana. Sarotra izany amin’ny voalohany. Raha ataonao foana anefa ilay izy, dia ho lasa mora kokoa aminao, ary ho hainao tsara amin’ny farany. Inona àry no azonao atao mba hanombohan-dresaka?

Matetika ny ankizy no miresaka momba ny zava-nitranga vao haingana. Afaka manararaotra manazava izay lazain’ny Baiboly momba izany àry ianao. Azonao atao koa ny miresaka amin’ny ankizy iray monja. Mahita hevitra tsotra noho izany aza ny tanora kristianina sasany. Apetrany eo ambony latabatra fotsiny ny boky sy gazety ara-baiboly, sao dia mba misy tia an’ilay izy. Misy tia tokoa ilay izy matetika, ary manomboka ny resaka!

Iza amin’ireo no tianao handramana? ․․․․․

Mahita hevitra hafa ve ianao? Soraty eto izany.

․․․․․

Afaka manararaotra mitory koa ianao indraindray, rehefa misy famelabelarana atao any am-pianarana. Ahoana, ohatra, raha momba ny evolisiona ilay izy? Ahoana no hanaporofoanao fa nisy namorona izao rehetra izao?

Mahaiza manaporofo fa nisy namorona izao rehetra izao

Hoy i Rivo: “Niresaka momba ny evolisiona izahay tany am-pianarana, ary nifanohitra tamin’izay rehetra nampianarina ahy ilay izy. Hoatran’ny tena marina ny fomba nanazavana azy, ka natahotra aho.” Hoy koa i Rachel: ‘Natahotra be aho rehefa niteny ny mpampianatra anay, fa momba ny evolisiona ny lesonay manaraka. Miteraka adihevitra be tsinona izy io. Fantatro anefa fa tsy maintsy hanazava ny hevitro amin’ny iray kilasy aho.’

Inona no tsapanao rehefa misy resaka momba ny evolisiona ao am-pianarana? Mino ianao fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Hitanao amin’ny zava-misy manodidina anao fa nisy namorona izao rehetra izao, ary tena mahay izy. Misy boky anefa milaza fa avy amin’ny evolisiona ny olona, izany hoe nisy zavatra tsy mananaina niova miandalana ho zavamananaina samihafa, ka lasa olona tamin’ny farany. Milaza an’izany koa ny mpampianatra anao. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Izaho indray ve no hiady hevitra amin’ny “manam-pahaizana”?’

Aza matahotra! Tsy ianao irery no tsy mino ny evolisiona, fa ny mpampianatra sy mpianatra sasany koa. Misy mpahay siansa aza tsy mino azy io.

Na izany aza, dia mila hainao izay tena ampianarin’ny Baiboly momba ny famoronana, mba hanaporofoana fa nisy namorona izao rehetra izao. Aza iadiana hevitra anefa ny zavatra tsy resahin’ny Baiboly mivantana. Ireto ny sasany:

Milaza ny boky sasany momba ny siansa, fa efa nisy hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona ny tany sy ireo planeta manodidina azy. Milaza ny Baiboly fa efa nisy talohan’ny andro famoronana voalohany, ny kintana sy ny tany ary ny planeta hafa. Mety ho efa nisy hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona àry ny tany sy ny planeta manodidina azy.—Genesisy 1:1.

Misy mpampianatra milaza fa tsy azo inoana hoe vita tao anatin’ny enina andro monja ny zavaboary eto an-tany. Tsy milaza ny Baiboly hoe 24 ora, ny andro tsirairay amin’ireo enina andro famoronana.

Nisy porofo maromaro naseho tany am-pianarana, fa niova ny biby sy ny olona, rehefa nandeha ny fotoana. Milaza ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra ho “samy araka ny karazany avy” ny zavamananaina. (Genesisy 1:20, 21) Tsy mampianatra izy io hoe avy amin-javatra tsy mananaina iray ny zavamananaina rehetra, na koa hoe sela tokana no noforonin’Andriamanitra, ka io no niova tsikelikely ho lasa zavamananaina isan-karazany. Mety hahitana fahasamihafana maro be anefa ireo zavamananaina iray ‘karazana.’ Tsy milaza àry ny Baiboly hoe tsy hisy fiovaovana mihitsy ao anatin’ny ‘karazana’ tsirairay.

Inona àry izao no holazainao raha miteny ny mpampianatra na mpiara-mianatra aminao hoe:

“Voaporofon’ny siansa fa avy amin’ny evolisiona isika.” ․․․․․

“Tsy mino an’Andriamanitra aho satria tsy hitan’ny masoko izy.”․․․․․

Ataovy izay hatokisanao fa marina ny zavatra inoanao!

Raha Kristianina ny ray aman-dreninao, dia angamba ianao mino fa nisy namorona izao rehetra izao, satria izany no nampianariny anao. Efa mihalehibe anefa ianao izao, ka tsara raha mampiasa ny ‘sainao’ eo amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra. Mila azonao antoka fa marina ny zavatra inoanao. (Romanina 12:1) Mieritrereta àry hoe: ‘Inona no mahatonga ahy hino fa nisy namorona izao rehetra izao?’ Nianatra momba ny vatan’olombelona i Sam, 14 taona, mba hamaliana izany. Hoy izy: “Be pitsipitsiny sy tsy takatry ny saina izy io, ary miara-miasa tsara ireo faritra rehetra ao aminy. Tsy azo inoana hoe avy amin’ny evolisiona ny vatantsika!” Mitovy hevitra aminy i Holy, 16 taona. Hoy izy: “Betsaka ny zavatra nianarako momba ny fiasan’ny vatana, hatramin’ny nahalalako fa voan’ny diabeta aho. Mahavariana, ohatra, ny asan’ny sarakaty, ilay taova kely eo ambanin’ny vavony. Miasa be izy io mba hahatonga ny ra sy ny taova hafa hiasa tsara.”

Manorata antony telo mahatonga anao hino fa nisy namorona izao rehetra izao.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

Tsy misy antony tokony hahamenatra anao, raha mino ianao fa misy Andriamanitra, ary izy no namorona izao rehetra izao. Rehefa dinihina ny porofo, dia tena azon’ny saina ekena fa nisy namorona isika ary tena mahay izy.

Ny finoana ny evolisiona àry no tena azo lazaina fa finoanoam-poana, fa tsy ny finoana hoe nisy namorona izao rehetra izao. Toy ny asaina mino mantsy ianao hoe misy ny fahagagana iray, nefa ilazana fa tsy nisy nanao ilay izy! Ampiasao àry ny sainao mba hamakafakana raha nisy namorona izao rehetra izao. Ho sahy kokoa ianao amin’izay, rehefa hanaporofo an’izany.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Nisy ankizy mitovy taona aminao natao batisa. Vonona ho amin’izany koa ve ianao?

ANDININ-TENY

“Tsy menatra noho ny vaovao tsara aho, fa herin’Andriamanitra izy io ho famonjena izay rehetra mino.”—Romanina 1:16.

SOSO-KEVITRA

Aza menamenatra rehefa miresaka ny zavatra inoanao amin’ny ankizy. Mety hihomehezany mantsy ianao. Mety hanaja anao kosa izy raha tsy matahotahotra ianao. Ry zareo aza tsy matahotra milaza ny heviny.

FANTATRAO VE... ?

Tsy vitan’ny mpampianatra sasany ny manaporofo hoe marina ny evolisiona. Tonga saina àry izy hoe matoa izy mino ny evolisiona, dia satria izay no nampianarina azy.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hitoriana amin’ny mpiara-mianatra amiko: ․․․․․

Izao no hoteneniko raha hanontaniana aho hoe: “Nahoana ianao no mino fa nisy namorona izao rehetra izao?”: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany:

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no tokony hiresaka ny zavatra inoanao?

● Raha te hanaporofo ianao any am-pianarana fa nisy namorona izao rehetra izao, inona no fomba hitanao hoe mora indrindra hanaovana izany?

● Ahoana no hampisehoanao fa mankasitraka ny Mpamorona ianao?—Asan’ny Apostoly 17:26, 27.

[Teny notsongaina, pejy 299]

Faritany tokony hitoriana ny sekoly, ary isika mpianatra ihany no afaka mitory any.’’—Tanya

[Sary, pejy 298]

Mitovitovy amin’ny fitendrena zavamaneno ny fitoriana. Ho hainao tsara izany, raha ataonao foana

[Sary, pejy 300, 301]

Matahotra hanaporofo ny zavatra inoanao ve ianao? Azo resena izany