Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko Raha Mora Tezitra Aho na Mora Malahelo?

Inona no Hataoko Raha Mora Tezitra Aho na Mora Malahelo?

Toko 26

Inona no Hataoko Raha Mora Tezitra Aho na Mora Malahelo?

MAHASOA ve ny afo sa tsia? Hamaly angamba ianao hoe mahasoa izy io, nefa mampidi-doza koa. Hafana tsara, ohatra, ianao amin’ny alina mamirifiry raha mitanina afo. Raha tsy voara-maso anefa ilay afo, dia mety hitatra haingana, ka ho may ny trano iray manontolo.

Mitovitovy amin’ny afo ny fihetseham-po. Mahasoa izy io raha voafehinao, satria hahatonga anao hahazo namana. Raha tsy voafehinao kosa izy io, dia hisy vokany ratsy eo aminao sy eo amin’ny olon-kafa.

Matetika ny tanora no tsy mahafehy ny hatezerany na mora malahelo. Inona no azonao atao rehefa mitranga aminao izany? Aleo hojerentsika.

Ahoana no hifehezana ny hatezerana?

Misy olona ratsy fanahy aminao ve? Azo inoana fa malahelo ianao, ary tsy mora aminao ny mizaka izany. Tsy mahafehy ny hatezerany anefa ny ankizy sasany. Resahin’ny Baiboly fa misy olona “mora tezitra” sy “mora misafoaka.” (Ohabolana 22:24; 29:22) Mila mitandrina ny olona toy izany. Mety hanao zavatra hanenenany mantsy izy. Inona àry no hanampy anao hifehy ny hatezeranao, rehefa misy ratsy fanahy aminao?

Diniho tsara aloha ilay zavatra nataony. Sao dia mba azo hadinoina fotsiny ilay izy? * (Salamo 4:4) Tadidio fa vao mainka hataony izay hahasorena anao, raha “mamaly ratsy ny ratsy” ianao. (1 Tesalonianina 5:15) Diniho tsara kosa izay nataony, ary mivavaha momba izany. Mety ho vitanao ny hifehy ny hatezeranao, ka tsy hanao zavatra hanenenanao ianao.—Salamo 37:8.

Ahoana anefa raha tsy mety hadinonao mihitsy ny ratsy nataony? Milaza ny Baiboly hoe misy “fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Nahoana raha miresaka aminy? Raha hitanao hoe tsy mety izany, dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao na namana matotra iray. Ary ahoana raha manao fanahy iniana mampahatezitra anao foana ilay olona? Miezaha mafy ho tsara fanahy aminy. Fenoy koa  ilay tabilao eo amin’ny pejy 221. Mety hahita fomba hafa hifehezana ny hatezeranao ianao amin’izay.

Aza hadinoina mihitsy ny mivavaka amin’i Jehovah, mba hanampiany anao tsy hitana lolompo. Tadidio fa efa vita ny zavatra nataon’ilay olona ka tsy azonao ovana intsony. Azonao ovana kosa ny fihetsikao aminy. Raha mitana lolompo ianao, dia toy ny trondro azon’ilay olona. Tsy afaka manao na inona na inona ianao, fa ataony amin’izay itiavany azy. Izy no avelanao hibaiko ny sainao sy ny fonao fa tsy ianao. Tianao ve izany?—Romanina 12:19.

Ahoana indray raha mora malahelo ianao?

Hoy i Léa, 16 taona: “Malahelohelo foana aho tato ho ato, sady mieritreritra hoe tsy mahay na inona na inona mihitsy. Tsy mba faly mihitsy aho. Mitomany foana aho amin’ny alina.” Maro ny tanora kivy be toy izany noho ny zavatra iainany. Ahoana ny aminao? Maro ny zavatra mety hahakivy anao. Be loatra angamba ny zavatra asain’ny ray aman-dreny na ny namana na ny mpampianatra ataonao. Miova koa ny vatanao sy ny fihetseham-ponao. Na mieritreritra ianao hoe tsy mahay na inona na inona, na dia tsy nety kely fotsiny aza ny zavatra nataonao.

Mandratra tena ny tanora sasany, mba hanamaivanana ny fahoriany. * Lasa zatra manao an’izany ve ianao? Ezaho fantarina ny antony. Fomba entin’ny olona hanamaivanana ny adin-tsainy izy io matetika. Eritrereto àry hoe nahoana ianao no mandratra tena. Misy zavatra mampalahelo anao ve, angamba mahakasika ny fianakavianao na ny namanao?

Inona àry no tokony hataonao raha tsy zakanao ny alahelonao? Miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Azonao atao koa ny miresaka amin’ny Kristianina matotra iray. “Natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana” mantsy ny olona toy ireny. (Ohabolana 17:17) Niresaka tamin’ny anabavy kristianina efa lehibe, ohatra, i Lalaina, 16 taona. Hoy izy: “Tsara ny toroheviny satria efa zokiko ry zareo. Lasa mpinamana izahay.” * Ny hafa kosa niezaka nanompo bebe kokoa. Izany no nataon’i Dina, 15 taona. Nilaza izy fa hadinodinony ny fahoriany rehefa nanompo izy. Hoy izy: ‘Ny fanompoana no tena nampahery ahy sy nahafinaritra ahy indrindra!’

Aza hadinoina koa ny mivavaka. Izany no vahaolana tsara indrindra. Efa mba ory sy nijaly koa i Davida mpanao salamo, ka hoy izy: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Fantatr’i Jehovah ny fijalianao. Tsy vitan’izay fa ‘miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Raha manameloka anao ny fonao, dia tadidio fa ‘lehibe noho ny fonao Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.’ (1 Jaona 3:20) Izy no mahafantatra kokoa noho ianao hoe nahoana ianao no malahelo be. Hainy koa ny manala ny alahelonao.

Ahoana anefa raha tsy mety afaka ilay izy? Mety ho efa aretina ilay mahazo anao. Tratran’ny fahakiviana lalina angamba ianao. * Tsara raha manatona dokotera ianao. Raha tsy miraharaha ny manjo anao mantsy ianao, dia toy ny olona maheno fofona may ao an-tranony, nefa tsy mijery hoe inona ilay izy, fa manampina orona fotsiny. Aleo lavitra àry mijery izay tsy metimety ao aminao. Tsy tokony hahamenatra anao ny aretinao. Be dia be ny tanora tratran’ny fahakiviana lalina na aretina mitovitovy amin’izany, ary mitsabo tena.

Tadidio fa toy ny afo ny fihetseham-po. Mahasoa izy io raha voafehy, fa misy vokany ratsy kosa raha tsy voafehy. Miezaha mafy àry mifehy ny fihetseham-ponao. Marina fa mbola mety hiteny na hanao zavatra hanenenanao ihany ianao indraindray. Aza kivy anefa. Ho hainao ihany amin’ny farany ny hifehy ny fihetseham-ponao, ka tsy hanao zavatra mety hanenenanao ianao.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tianao ho tsara be foana ve izay ataonao? Ahoana raha tsy vitanao izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Ahoana raha mampijaly anao foana izy? Misy soso-kevitra hanampy anao ao amin’ny Toko 14 ato amin’ity boky ity. Raha namanao kosa no nahatezitra anao, dia jereo ny Toko 10.

^ feh. 13 Mampiasa fomba maro izy ireo: Didiany ny tenany, dorany, veliveleziny mba ho mangana, na kikisany ny hodiny.

^ feh. 14 Manorata taratasy na antsoy an-telefaonina izy, raha tsy sahy miresaka mivantana aminy ianao. Matetika no mihena avy hatrany ny fahoriana, rehefa lazaina amin’ny olona atokisana.

^ feh. 16 Jereo ilay boky teo aloha, toko 13, raha te hahalala bebe kokoa momba an’io aretina io ianao.

ANDININ-TENY

“Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.”—Romanina 12:21.

SOSO-KEVITRA

Tantarao amin’ny ray aman-dreninao foana izay zavatra nahafaly anao, na tsy dia misy dikany aza ilay izy. Ho mora aminao amin’izay ny hiresaka aminy, rehefa manana olana lehibe ianao. Ary ho vonona kokoa hihaino anao izy.

FANTATRAO VE... ?

Ho sarotra aminao ny hifehy ny fihetseham-ponao, raha tsy ampy torimaso sy sakafo ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ity ny fihetseham-po mila tsy ho vitako mihitsy ny mifehy azy: ․․․․․

Izao no hataoko mba hahaizako hifehy azy io: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no tsy tian’Andriamanitra ny olona tsy mahafehy ny hatezerany?

● Inona no mety hahazo anao, raha tsy hainao ny mifehy ny hatezeranao?

● Inona no azonao atao raha malahelo foana ianao?

[Teny notsongaina, pejy 223]

Nisy olona tena tia ahy, ka vonona hihaino ahy foana isaky ny kivy be aho. Izany no tena nanampy ahy.’’—Jennifer

[Tabilao/Sary, pejy 221]

 Fanampiana Hisaintsaina

Fehezo ny Hatezeranao

Fenoy ity tabilao ity

Zava-mitranga

Ihomehezan’ny ankizy aho

Zavatra tsy tokony hatao

Tonga dia ompaiko izy

Zavatra tokony hatao

Tsy raharahaiko izay ataony, mba ho hitany fa tsy tezitra aho

Zava-mitranga

Nanaovan’ny rahavaviko ny kiraroko tiako indrindra, nefa tsy niera tamiko akory izy

Zavatra tsy tokony hatao

Tonga dia anaovako koa ny akanjony na ny kirarony

Zavatra tokony hatao

․․․․․

Zava-mitranga

Sazin’ny dada sy mamanay aho

Zavatra tsy tokony hatao

․․․․․

Zava-mitranga

․․․․․

[Sary, pejy 220]

Toy ny trondro azon’olona ianao raha mitana lolompo. Izy no avelanao hibaiko ny sainao sy ny fonao