Maninona no Tiako ho Tsara Be Foana Izay Ataoko?
Toko 27
Maninona no Tiako ho Tsara Be Foana Izay Ataoko?
Tezitra ve ianao rehefa tsy mahazo ny naoty ambony indrindra?
□ Eny
□ Tsia
Mieritreritra ve ianao hoe tsy mahay na inona na inona, raha vao mba bedy kely?
□ Eny
□ Tsia
Tsy dia mana-namana ve ianao, satria tsy misy mahafa-po anao izay ataon’ny olona?
□ Eny
□ Tsia
ENY ve ny valin-teninao amin’ny iray na roa amin’ireo fanontaniana ireo? Raha izany, dia angamba ianao anisan’ireo olona mieritreritra hoe tsy maintsy tsara be foana izay ataony. Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Fa angaha moa ratsy izany?’ Tsy ratsy tokoa izany. Deraina mihitsy aza ny olona “mahay ny asany”, ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 22:29) Te hanao zavatra tsy ho vitany mihitsy anefa ny olona sasany.
Hoy, ohatra, i Laza, 19 taona: “Isaky ny tsy nahazo ny naoty
tsara indrindra aho tany amin’ny lise, dia nieritreritra hoe tena tsy mahay na inona na inona. Nianatra piano koa aho, ary niezaka mafy mba hahay be hoatr’ireny mpitendry piano malaza ireny.”Mety hanjary tsy hazoto firy hanompo an’i Jehovah mihitsy aza ny tanora iray, raha mieritreritra fa tsy maintsy tsara be foana izay ataony. Misy tanora heverina ho modely, ohatra, eo anivon’ny fiangonana. Mandinika izay ataony foana àry ny olona, ka lasa mitandrintandrina be izy. Marina fa ilaina ny ankizy hendry, satria samy afaka manahaka azy, na ny antitra na ny tanora. Raha diso mitandrina loatra anefa izy, dia mety tsy hahafaly azy intsony ny fanompoana. Mila torohevitra ny tanora toy izany. Mety tsy ho sahy hangataka torohevitra anefa izy, satria matahotra sao handiso fanantenana an’ireo olona mihevitra azy hoe hendry be. Mety tsy te hanatsara ny fanompoany intsony mihitsy aza izy, satria mieritreritra hoe: ‘Aleoko mijanona amin’izao, fa tsy ho vitako foana izany hitandrintandrina be izany.’
Inona no vahaolana?
Nahoana ny tanora sasany no miezaka mafy, mba ho tsara be foana izay ataony? Satria mihevitra izy fa tsy tokony hanao fahadisoana mihitsy. Diso hevitra anefa izy. Milaza mazava tsara mantsy ny Baiboly hoe: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Tsy hisy olona hahavita zavatra tonga lafatra mihitsy àry. Adala izay mino fa hahavita an’izany, satria toy ny olona mino hoe afaka manidina. Tsy hisy mihitsy izany, na inoany toy inona aza!
Inona àry no azonao atao, raha mieritreritra ianao fa tsy maintsy tsara be foana izay ataonao? Araho ireto soso-kevitra ireto:
Ovao ny toe-tsainao. Miady mafy mihitsy ve ianao, mba ho hita hoe ianao no mahay indrindra, na ny zava-bitanao no tsara indrindra? Milaza ny Baiboly fa toy ny “misambo-drivotra fotsiny” ianao raha manao izany. (Mpitoriteny 4:4) Vitsy ihany ny olona mahavita ny “tsara indrindra.” Ary na misy mahavita an’izany aza, dia tsy maintsy hisy hahavita tsara noho izy any aoriana any. Raha te hahay tsara zavatra iray àry ianao, dia aza mifaninana amin’ny olon-kafa, fa ataovy fotsiny izay vitanao.—Galatianina 6:4.
Aza manantena hahavita zavatra tsy ho vitanao. Marina fa mahay zavatra betsaka ianao, nefa mba misy zavatra tsy hainao ihany. Aza manantena hahavita zavatra tsy ho vitanao àry. Ny olona tsy manetry tena na manambony tena no manao Romanina 12:3) Diniho indray àry ny tanjonao sao mila ovana. Miezaha hanao izay vitanao, fa aza mitady hanao zavatra tonga lafatra.
an’izany. Nanome ity torohevitra tsara ity ny apostoly Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.” (Aza sarotiny loatra! Manandrama manao zavatra tsy hainao, ohatra hoe mitendry zavamaneno. Tsy maintsy hanao fahadisoana be dia be ianao nefa aza kivy, toy ny isan’andro. Mpitoriteny 3:4) Aza sarotiny loatra àry, fa miezaha ho falifaly. Ho hitanao amin’izay hoe tsy maintsy manao fahadisoana ny olon-drehetra, rehefa miana-javatra. Marina fa mety tsy ho mora aminao ny hanaiky hoe nanao fahadisoana ianao. Miezaha mafy anefa tsy hieritreritra hoe tsy mahay na inona na inona ianao.
Milaza ny Baiboly hoe “misy fotoana ihomehezana.” (Tadidio foana fa tsy teren’i Jehovah hanao zavatra tonga lafatra isika. Tiany fotsiny raha tsy mivadika aminy isika. (1 Korintianina 4:2) Raha efa miezaka manao izany ianao izao, dia tena ho faly amin’izay vitanao, na dia tsy tsara be foana aza izany.
Efa tsy mampaninona ny olona intsony izao ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Ahoana raha te hanao an’izany ianao? Ary raha tia ankizilahy ianao nefa ankizilahy, na tia ankizivavy nefa ankizivavy?
ANDININ-TENY
“Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.”—Mpitoriteny 7:20.
SOSO-KEVITRA
Misy zavatra tokony hataonao ve nefa mangataka andro ianao, satria matahotra sao tsy ho vitanao tsara araka ny itiavanao azy ilay izy? Mifidiana andro iray, ary vitao ilay izy.
FANTATRAO VE... ?
Lavorary i Jehovah, nefa tsy manery ny olombelona ho lavorary toa azy. Fantany fa misy zavatra tsy ho vitantsika mihitsy, ka tsy sarotiny loatra izy.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko raha lasa mieritreritra aho hoe tsy mahay na inona na inona: ․․․․․
Izao no hataoko raha lasa sarotiny loatra amin’ny olona aho: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Te hanatratra tanjona ambony loatra ve ianao indraindray? Tanjona eo amin’ny fianarana ve ilay izy, sa zavatra hafa?
● Inona no andinin-teny manaporofo, fa tsy teren’i Jehovah Andriamanitra hahavita zavatra tonga lafatra ny mpanompony?
● Nahoana ny olona no mety hihatakataka aminao, raha sarotiny loatra ianao?
● Inona no hataonao, raha manao fahadisoana ianao amin’ny manaraka?
[Teny notsongaina, pejy 226]
Tsy mitovy ny olona miezaka manao izay vitany sy ny olona mitady hanao zavatra tsara be foana. Tsara ny ataon’ilay voalohany, fa tafahoatra kosa ny an’ilay faharoa.’’—Mégane
[Efajoro, pejy 228]
Aza sarotiny loatra sao tsy hana-namana!
Mihatakataka amin’olona ve ianao, satria tsy misy mahafa-po anao izay ataony? Sa misy olona mahafinaritra, nefa mihatakataka aminao, satria toa sarotiny loatra aminy ianao? Manoro hevitra antsika ny Baiboly hoe: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra. Fa nahoana no dia hanimba tena ianao?” (Mpitoriteny 7:16) Manimba tena ianao, raha sarotiny loatra amin’ny olona, satria tsy hety hinamana aminao izy. Mety ho tiany anefa ianao, raha tsy sarotsarotiny. Hoy i Harena: “Tsy misy te hinamana aminao, raha ataonao izay hahatonga azy hieritreritra hoe tsy mahay izy. Nisy ankizy nana-namana mahafinaritra, nefa nialan’ilay namany satria sarotiny amin-javatra tsy misy dikany.”
[Sary, pejy 229]
Toy ny olona mino hoe afaka manidina, izay mino fa hahavita zavatra tsara be foana. Tsy hisy mihitsy izany