Inona no Hataoko mba Tsy ho Voataona Haditra?
Toko 15
Inona no Hataoko mba Tsy ho Voataona Haditra?
“Be dia be ny fakam-panahy any am-pianarana. Tian’ny ankizy hifoka sigara na rongony, na hanao firaisana, ohatra, ianao. Fantatrao fa ratsy izany, nefa tsy sahy miteny intsony ianao indraindray hoe tsy hanao an’ilay izy.”—Fy.
TE HO tian’ny olona daholo isika. Voajanahary izany. Tsy mahagaga àry raha mora taomin’ny namany haditra ny ankizy. Raha Kristianina, ohatra, ny ray aman-dreninao, dia fantatrao fa ratsy ny firaisana alohan’ny fanambadiana sy ny fimamoana. (Galatianina 5:19-21) Maro anefa ny namanao mampirisika anao hanao an’ireo. Efa mba nieritreritra momba an’ireo ve izy, ka izy mihitsy no nanapa-kevitra fa hanao an’izany? Azo inoana fa tsia. Voataonan’ny namany fotsiny ny ankamaroany. Te ho tian’ny namany izy, ka manaraka ambokony izay ataon’izy ireo. Toy izany koa ve ianao? Sa kosa ianao sahy mankatò foana ny fitsipika fantatrao fa tsara?
Efa voataonan’ny Israelita hanao ratsy i Arona, rahalahin’i Mosesy. Nitangorona teo aminy izy ireo, ary nampirisika azy hanamboatra sampy. Nanaiky i Arona! (Eksodosy 32:1-4) Eritrereto ange e! Efa sahy nifanatrika tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta izy taloha, ary nanambara ny hafatr’Andriamanitra taminy. (Eksodosy 7:1, 2, 16) Rehefa noteren’ny Israelita namany hanao ratsy anefa izy, dia nanaiky. Vitany ny nifanatrika tamin’i Farao, fa tsy vitany kosa ny nanohitra ny Israelita!
Ary ianao? Sarotra aminao ve ny mankatò foana ny fitsipika fantatrao fa tsara? Tianao ve ny hahatohitra ny fitaoman’ny namanao, nefa tsy ho hita hoe matahotahotra? Vitanao izany! Mila fantarinao fotsiny izay mety hampanaoviny anao, ary manapa-kevitra ianao hoe inona no hataonao. Araho tsirairay ireto soso-kevitra efatra ireto:
1. Fantaro izay mety hataony. (Ohabolana 22:3) Matetika izany no efa fantapantatrao. Aoka hatao hoe handalo eo amin’ny mpiara-mianatra aminao maromaro ianao, ary mifoka sigara ry zareo. Mieritrereta avy hatrany hoe: ‘Sao dia mba hasainy hifoka koa aho?’ Raha efa fantatrao izay mety hataony, dia hahita fomba hialana ianao, na fomba hamaliana azy.
2. Mandiniha tsara. (Hebreo 5:14) Mieritrereta hoe: ‘Sao dia hanenina aho, raha manaraka fotsiny izay ataon’ny ankizy?’ Marina fa mety ho tiany ianao mandritra ny fotoana kelikely. Tsy hanenjika anao ve anefa ny eritreritrao, rehefa miaraka amin’ny ray aman-dreninao sy ny mpiara-manompo ianao? Aleonao ve tsy mankatò an’Andriamanitra, mba hampifaliana fotsiny ny namanao?
3. Manapaha hevitra. (Deoteronomia 30:19) Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy manapa-kevitra isika rehetra hoe hankatò an’Andriamanitra ka hahazo fitahiana, sa tsy hankatò ka hahita loza. Nahay nanao an’izany i Josefa sy Joba ary Jesosy, fa tsy toy izany kosa i Kaina sy Esao ary Jodasy. Tsy maintsy manapa-kevitra koa ianao. Inona àry no fanapahan-kevitrao?
4. Lazao ny hevitrao. Mety hiteny ianao hoe io no sarotra indrindra. Tsy marina izany! Raha efa nandinika ny ho vokatr’ilay ditra ianao, ary nanapa-kevitra, dia ho mora aminao ny hilaza ny hevitrao amin’ny namanao. Ary hahasoa anao izany. (Ohabolana 15:23) Tsy voatery hanazava be izay lazain’ny Baiboly ianao. Mitenena fotsiny hoe tsia. Tokony ho hentitra ianao. Raha mbola tsy ampy izay, dia milazà hoe:
“Aza ampidirina amin’izany aho!”
“Tsy manao an’izany aho!”
“Inona àry ity! Efa fantatrareo fa tsy hanao an’izany aho!”
Tonga dia mitenena, ary asehoy fa tsy misangisangy ianao. Ho gaga ianao fa hangina avy hatrany ry zareo! Ahoana anefa raha esoesoiny ianao? Ahoana raha miteny izy hoe: “Inona àry ity matahotahotra ity?” Fantaro fa mbola fitaoman’ny namana
koa izany. Inona no azonao atao? Ireto misy soso-kevitra telo azo isafidianana:● Manaiky fotsiny an’ilay fanesoana. (Lazao hoe: “Ie, matahotra mihitsy aho kah!” Hazavao vetivety avy eo ny antony.)
● Mandà avy hatrany izay asainy hatao, ary tsy be resaka.
● Mampisaintsaina azy. Hazavao ny antony tsy anekenao, ary ampisaintsaino izy. (Lazao hoe: “Mba ankizy misaina ihany ve ianareo dia mifoka sigara?”)
Raha mbola misisika izy, dia mialà haingana! Ho sarotra kokoa aminao mantsy ny handa, raha mbola mijanonjanona eo ianao. Marina fa tsy maintsy manalavitra azy ireo ianao. Tadidio
anefa fa naharesy ianao! Tsy nanaiky hanao izay tiany ianao!Mety hisy ankizy hilaza fa ny hevitry ny olona fotsiny no arahinao, fa tsy mba manana ny hevitrao ianao. Tsy marina izany! Tsy teren’i Jehovah hankatò azy ianao, fa ianao mihitsy no asainy mamantatra raha mahasoa anao izany na tsia. (Romanina 12:2) Aza manaiky ataon’ny ankizy toy ny kilalao àry, ka ampanaoviny izay tiany. (Romanina 6:16) Aoka ianao ho sahy hankatò foana ny fitsipika fantatrao fa tsara!
Tsy maintsy mbola hitaona anao ny namanao. Afaka manapa-kevitra anefa ianao raha hanaiky na tsia. Afaka milaza ny hevitrao aminy koa ianao, ary manao zavatra mifanaraka amin’izany. Raha tsorina, dia anao ny safidy!—Josoa 24:15.
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 9, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Maditra ve ianao, fa mody hendry fotsiny? Sao dia mba tsara ho fantatry ny ray aman-dreninao izany?
ANDININ-TENY
“Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.
SOSO-KEVITRA
Tianao ve ny ho sahy kokoa hankatò ny fitsipik’i Jehovah? Vakio ny tantaran’ireo mpanompony ankehitriny, izay nahavita izany.
FANTATRAO VE... ?
Vitsy ihany ny ankizy hifandray aminao, rehefa vita ny fianaranao. Tsy hahatadidy ny anaranao akory aza ny maro aminy. Ho eo foana kosa ny fianakavianao, mba hanampy anao. Mbola be lavitra noho izany aza no hataon’i Jehovah Andriamanitra ho anao.—Salamo 37:23-25.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba ho vonona tsara hanohitra ny fitaoman’ny namako aho: ․․․․․
Izao no hataoko raha mitady hitaona ahy haditra ny namako: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Rehefa inona no mety hanampy anao ireo soso-kevitra efatra ato amin’ity toko ity? Manomeza ohatra.
● Inona no mety hitranga raha manaiky hotaomin’ny ankizy haditra ianao?
● Inona no azonao atao raha tsy te ho voataonany?
[Teny notsongaina, pejy 131]
“Be dia be ny ankizy manaja ahy, satria fantany hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Rehefa hiresaka zavatra vetaveta ry zareo, dia teneniny aho hoe: ‘Mike a! Misy zavatra horesahinay, fa mahazo mandeha ialahy raha tian’ialahy.’’’—Mike
[Tabilao, pejy 132, 133]
Fanampiana Hisaintsaina
Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?
Modely
1 Fantaro izay mety hataony
Inona ilay fakam-panahy? Hifoka sigara.
Aiza ilay izy no mateti-pitranga? Any an-kabine.
2 Mandiniha tsara
Raha manaiky aho, dia
halahelo i Jehovah sy ny ray aman-dre niko. Hanenjika ahy ny eritreritro. Ho sarotra amiko ny handa amin’ny manaraka.
Raha tsy manaiky kosa aho dia
mety hesoesoin’ny ankizy na hopetahany anarana. Mety hihatakataka amiko ny sasany. Ho faly amiko anefa i Jehovah, ary ho sahy kokoa hankatò azy aho amin’ny manaraka.
3 Manapaha hevitra
Matoa aho manaiky, dia satria
tsy vonona tsara hanohitra azy. Ny namako no tiako kokoa noho i Jehovah.
Tsy hanaiky aho, satria
halahelo i Jehovah. Mankarary koa ny sigara.
4 Lazao ny hevitrao
Hiteny aho hoe
tsia, ary hiala eo avy hatrany.
Ahoana raha esoiny ianao?
Mety hiteny izy hoe: “Eo moa e! Inona àry ity matahotahotra ity?”
Izao no hataoko
Manaiky fotsiny
“Ie, matahotra mihitsy aho ka! Mahavoan’ny kanseran’ny havokavoka ange io e!”
Mandà avy hatrany
“Aleo ho anareo ihany fa sao dia very fotsiny.”
Mampisaintsaina azy
“An an an! Misaotra. Mba ankizy misaina ihany ve ianareo dia mifoka sigara?”
FANAMARIHANA: Mialà haingana raha mbola misisika ry zareo. Mety ho voataonany ianao, raha mbola mijanonjanona eo. Adikao izao ny pejy manaraka, ary fenoy.
Inona no hatao raha taomin’ny ankizy haditra?
Adikao ity!
1 Fantaro izay mety hataony
Inona ilay fakam-panahy? ․․․․․
Aiza ilay izy no mateti-pitranga? ․․․․․
2 Mandiniha tsara
Raha manaiky aho, dia...
․․․․․
Raha tsy manaiky kosa aho, dia...
․․․․․
3 Manapaha hevitra
Matoa aho manaiky, dia satria . . .
․․․․․
Tsy hanaiky aho, satria . . .
․․․․․
4 Lazao ny hevitrao
․․․․․
Hiteny aho hoe . . .
․․․․․
Ahoana raha esoiny ianao?
Mety hiteny izy hoe: ․․․․․
Izao no hataoko
Manaiky fotsiny
․․․․․
Mandà avy hatrany
․․․․․
Mampisaintsaina azy
․․․․․
Averimbereno miaraka amin’ny ray aman-dreninao na namana matotra ny valin-teninao.
[Sary, pejy 135]
Raha manaiky hotaomin’ny namanao hanao izay tiany ianao, dia lasa toy ny kilalaony