Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hitsotra ve Aho hoe Maditra?

Tokony Hitsotra ve Aho hoe Maditra?

Toko 16

Tokony Hitsotra ve Aho hoe Maditra?

□ Misotro toaka be

□ Minamana amin’ny ankizy efa hita hoe maditra

□ Mihaino mozika tsy mety amin’ny Kristianina

□ Mankany amin’ny fety tsy misy olon-dehibe manara-maso

□ Mampiaraka nefa manafina

□ Mijery filma vetaveta na misy herisetra, na manao lalao video misy herisetra

□ Miteny ratsy

JEREO ilay lisitra eo amin’ny pejy 136. Misy ataonao ve amin’ireo, nefa afeninao amin’ny ray aman-dreninao? Fantatrao fa ratsy ny ataonao, matoa ianao manafina. Manenjika anao mihitsy aza angamba ny eritreritrao. (Romanina 2:15) Tsy sahy milaza ny marina anefa ianao, satria matahotra ny mety ho vokany. Azo inoana mantsy fa halahelo na ho tezitra ry zareo. Mieritreritra àry ianao hoe aleo ihany tsy miteny. Asa anefa raha fantatrao, fa ny ankizy toy izany no atao hoe maditra fa mody hendry. Fa maninona izy ireo no manao an’izany?

Efa te hanao izay tiany

Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy ‘handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy’, na ho ela na ho haingana. (Genesisy 2:24) Toy izany koa ny vehivavy. Tsy mahagaga àry raha efa te ho olon-dehibe ianao, ary te hilaza ny hevitrao, sy te hanapa-kevitra irery. Misy zavatra tsy avelan’ny ray aman-dreny ataon’ny zanany anefa, satria hitany hoe hadalana na ratsy ilay izy. Mikomy àry ny ankizy sasany.

Marina aloha fa toa hentitra loatra ny ray aman-dreny sasany. Nitaraina toy izao, ohatra, i Faniry: “Vitsy kely ny filma mba azonay jerena. Vitsy kely koa ny karazana mozika avelan’ny dadanay henoinay!” Misy ankizy mahatsiaro ho voafehifehy loatra àry, ka mitsiriritra ny namany, satria toa mahazo manao izay tiany izy ireny.

Misy antony hafa koa mahatonga ny ankizy haditra: Te ho tian’ny mpiara-mianatra aminy izy. Hoy i Prisca: “Niteny ratsy aloha no nataoko, tany am-pianarana. Mba hitako hoe nitovy tamin’ny ankizy rehetra aho, rehefa nanao an’izany. Lasa nifoka sigara aho avy eo. Nisotro toaka koa aho, ary tsy nijanona raha tsy mamo. Lasa nanao sipa aho tatỳ aoriana, nefa nanafina satria tsy navelan’ny dada sy mamanay.”

Mitovitovy amin’izany koa no nataon’i Eric. Hoy izy: “Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko, dia nanaraka ny fivavahany koa aho. Natahotra be anefa aho sao hihomehezan’ny ankizy.” Ahoana no nataon’i Eric? “Nataoko izay hitiavan’ny ankizy ahy. Namoron-dainga àry aho rehefa nomen-dry zareo zavatra tamin’ny fety, fa tsy nolazaiko ny tena antony tsy nandraisako an’ilay izy.” Zatra nandaingalainga kely toy izany i Eric, ka lasa nanao fahotana lehibe kokoa tatỳ aoriana.

Hitan’i Jehovah ny zava-drehetra

Tsy vao izao no misy olona manao zava-dratsy, nefa manafina. Nanao izany ny Israelita sasany, ary nihevitra fa tsy ho tratra. Nampitandrina azy ireo anefa i Isaia mpaminany hoe: “Lozan’ireo manafina lalina be ny fikasany mba tsy ho hitan’i Jehovah, sy ireo manao zavatra ao amin’ny maizina sady miteny hoe: ‘Iza no mahita antsika? Iza no mahalala antsika?’ ” (Isaia 29:15) Hadinon’izy ireo fa nahita izay nataony Andriamanitra. Nanasazy azy ireo izy, tamin’ny fotoana voatondrony.

Mbola tsy miova izany. Hitan’i Jehovah Andriamanitra ny ditranao, na dia hainao aza ny manafina izany amin’ny ray aman-dreninao. Hoy mantsy ny Hebreo 4:13: “Tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo imasony, fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” Tsy misy antony tokony hanafenanao izay ataonao àry. Tadidio fa tsy ho faly aminao mihitsy Andriamanitra, na dia mody masina be aza ianao any am-pivoriana, nefa maditra. Fantany foana rehefa ‘an-tendro-molotra fotsiny no anajan’ny [olona azy], fa ny fon’izy ireo kosa lavitra azy.’—Marka 7:6.

Fantatrao ve fa ory i Jehovah, rehefa mahita olona manao ratsy, nefa mody manao ny tsara? Tena ory tokoa izy! “Nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely” ny vahoakany fahiny, rehefa tsy nankatò ny lalàny. (Salamo 78:41) Azo inoana koa fa tena ory i Jehovah ankehitriny, rehefa mahita ankizy notezaina ‘araka ny fananarana sy ny fomba fisainany’, nefa manafina ny ditra ataony!—Efesianina 6:4.

Ahitsio izay tsy mety

Tokony hotsorinao amin’ny ray aman-dreninao ny ditra nataonao. Adidinao eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’izy ireo izany, sady hahasoa anao. Marina aloha fa mety ho menatra ianao, ary mety hisy vokany ratsy ny nataonao. (Hebreo 12:11) Raha zatra nandainga, ohatra, ianao, dia tsy hatoky anao intsony ny ray aman-dreninao. Aza gaga àry raha vao mainka izy ho hentitra kokoa aminao. Na izany aza, dia ny milaza ny marina no tsara indrindra. Nahoana?

Aoka hatao hoe mitsangantsangana ianareo mianakavy. Efa nilaza taminao ny ray aman-dreninao hoe tsy mahazo mandeha lavitra ianao. Vao varimbariana kely anefa ry zareo, dia iny ianao fa lasa nandehandeha lavitra an’ilay toerana, ka very. Tsy vitan’izay, fa latsaka tampoka tao anaty fotaka lalina be ianao. Tsy hiantso vonjy ve ianao, satria menatra? Hatahotra ve ianao hoe hosazin’izy ireo, satria tsy niraharaha ny teniny? Tsia! Hiantso vonjy mafy araka izay fara herinao ianao.

Mila ampiana haingana koa ianao, raha maditra nefa mody hendry. Hevero ho toy ny rano raraka ka tsy azo raofina intsony, ny nataonao. Afaka miova anefa ianao. Marina fa tsy maintsy ho mafy aminao ny hangataka fanampiana. Mila manao izany anefa ianao, dieny mbola tsy misy vokany ratsy be eo aminao sy ny fianakavianao ny ditranao. Hamindra fo aminao i Jehovah, raha tena manenina ianao.—Isaia 1:18; Lioka 6:36.

Lazao amin’ny ray aman-dreninao àry ny marina. Aza gaga raha malahelo izy ireo. Ekeo ny famaizany. Raha manao izany ianao, dia ho faly izy ireo. Ho faly koa i Jehovah Andriamanitra. Ary ho maivamaivana erỳ ianao, satria tsy hanenjika anao intsony ny eritreritrao.—Ohabolana 27:11; 2 Korintianina 4:2.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mana-namana ianao any am-pianarana, ary be dia be ny zavatra itovianareo. Misy zavatra tokony ho fantatrao anefa momba azy ireo.

ANDININ-TENY

“Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”—Ohabolana 28:13.

SOSO-KEVITRA

Aza hamaivanina ny fahadisoanao, nefa aza manamelo-tena tafahoatra koa. Tadidio fa vonona hamela heloka i Jehovah.—Salamo 86:5.

FANTATRAO VE... ?

Mahasoa ny manenina, satria mety handrisika ny olona iray hiala amin’ny ratsy nataony. Raha tsy mety miova kosa izy, dia ho simba ny feon’ny fieritreretany. Tsy hiasa intsony izy io, toy ny hoditra may efa feno holatra, ka donto.—1 Timoty 4:2.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Raha maditra aho nefa mody hendry, dia hiezaka hiresaka amin’ny ․․․․․

Izao no hataoko mba hahazakako izay sazy azoko: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona no mahatonga ny ankizy sasany haditra, nefa mody hendry?

● Inona no voka-dratsin’izany?

● Inona kosa no soa ho azony, raha tsy manao an’izany intsony izy?

[Teny notsongaina, pejy 140]

Tokony hilaza avy hatrany ny tanora hoe Kristianina izy, ary mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Mety tsy ho sahy hiteny intsony tsinona izy, raha miandry ela.’’—Linda

[Sary, pejy 141]

Mila miantso vonjy ianao, raha latsaka ao anaty fotaka lalina be. Mila mangataka fanampiana koa ianao, raha maditra nefa mody hendry