Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tovolahy Modely—Josefa

Tovolahy Modely—Josefa

Tovolahy Modely—Josefa

Mafy ny nahazo an’i Josefa. Nilaza taminy imbetsaka ny vadin’ny mpampiasa azy fa te hanao firaisana aminy. Niangavy azy foana ilay vehivavy! Tsy nety anefa izy. Hentitra ny valin-teniny. Hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Mbola nisisika ihany ilay vehivavy. Nosintoniny mihitsy aza i Josefa. Sahy nandositra anefa izy. Nihazakazaka mihitsy izy nivoaka ny trano! Nasehon’i Josefa fa lehilahy tena nadio fitondran-tena izy.—Genesisy 39:7-12.

Misy olona te hanao firaisana aminao koa angamba, ary mety haniry hanao izany ianao. Tsy ampy ny hoe tapa-kevitra ny hifehy tena. Ilaina aloha ny maniry hampifaly ny Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra. Nanana faniriana hanao firaisana i Josefa, toa anao ihany. Tsy neken’ny eritreriny anefa ny hanatanteraka izany, satria hampahatezitra ny Mpamorona izy. Mila miaiky koa ianao, fa mampahatezitra an’i Jehovah ny fitondran-tena maloto, ary hijaly izay manao izany. Miezaha foana àry hadio fitondran-tena toa an’i Josefa.