Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diso ve Aho Raha Malahelo Be An’i Neny?

Diso ve Aho Raha Malahelo Be An’i Neny?

Toko 16

Diso ve Aho Raha Malahelo Be An’i Neny?

Hahasoa anao koa ny torohevitra ato, na dia ny havanao na namanao na mpiray tam-po aminao aza no maty.

“Tsy hitako izay natao, tamin’ny mamanay maty. Tsisy dikany intsony ny fiainako. Izy tsinona no nahatonga anay tao an-trano hifankatia.”—Kanto.

MATY ve ny mamanao (na ny dadanao)? Tena mafy ilay izy, ary angamba tsy misy mafy noho izany. Tsy hainao intsony hoe inona marina no tsapanao, sady mbola tsy nahazo anao mihitsy ilay izy. Matin’ny aretim-po ny dadan’i Fetra tamin’izy 13 taona. Hoy izy: ‘Tsy nahavita n’inona n’inona izahay tamin’izy vao maty, fa nitomany sy nifamihina fotsiny.’ Matin’ny kansera ny dadan’i Niry tamin’izy folo taona. Hoy izy: “Tsy haiko hoe inona no tsapako tamin’izay. Hoatran’ny tsy nahatsapa n’inona n’inona aho.”

Rehefa misy maty, dia samy hafa ny vokatr’ilay izy eo amin’ny olona tsirairay. Milaza ny Baiboly fa samy hafa ny ‘alahelo’ tsapan’ny olona. (2 Tantara 6:29, Fandikan-teny Protestanta) Nanao ahoana ny anao? Soraty eto 1) izay tsapanao tamin’ny mamanao vao maty, 2) izay tsapanao izao. *

1 ․․․․․

2 ․․․․․

Nanoratra ve ianao hoe tsy malahelo be intsony? Aza matahotra fa tsy maninona izany. Tsy midika izany hoe hadinonao ny mamanao. Sa ve nanoratra ianao hoe mbola hoatran’ilay tamin’ny voalohany ny alahelonao, na vao mainka aza nihamafy? Tsy maninona koa izany, na dia efa ela aza ny mamanao no maty. Toy ny onja ny alahelo. Midina ny onja dia miakatra, ary tsy ampoizinao akory dia midona mafy be eny amoron-tsiraka. Ahoana àry no hahazakanao ny alahelonao?

Aza misalasala mitomany! Afakafaka ny alahelo rehefa mitomany. Mety hitovy hevitra amin’i Alicia anefa ianao. Maty ny mamany tamin’izy 19 taona. Hoy izy: “Natahotra aho sao hoeritreretin’ny olona hoe tsy manam-pinoana raha mitomany be.” Eritrereto anefa izao: Lavorary i Jesosy Kristy, sady tena nino an’Andriamanitra. ‘Nirotsaka [anefa] ny ranomasony’ rehefa maty i Lazarosy namany. (Jaona 11:35) Aza misalasala mitomany àry. Tsy midika mantsy izany hoe tsy manam-pinoana ianao! Hoy i Alicia: “Nitomany be ihany aho nony farany, sady isan’andro mihitsy.” *

Aza mieritreritra hoe diso ianao. Maty ny maman’i Kanto tamin’izy 13 taona. Hoy izy: “Nandeha niasa lavitra be dadanay tamin’izay, dia izaho sy ny zokiko vavy no nasainy nikarakara an’ny mamanay. Nankao amin’ny mamanay aho isaky ny alohan’ny hatory, dia nanoroka azy. Tsy nanao izany anefa aho indray alina. Dia... maty izy ny maraina! Tena diso aho, satria tsy nankany aminy sady mbola natory maraina koa. Rehefa nandeha nijery azy aho, dia efa tsy niaina intsony izy. Nanenina be aho, satria tsy naninon-tsy naninona izy tamin’ny dadanay nandeha.”

Mahatsiaro ho diso koa angamba ianao, satria nisy zavatra tsy nataonao. Mety hieritreritra foana ianao hoe: ‘Tahaka izay izy nampirisihiko ho any amin’ny dokotera’, ‘Tahaka izay aho nijerijery azy taloha kokoa’, ‘Tahaka izay...’ Marina fa manenina ianao, nefa aza mieritreritra hoe diso ianao. Raha fantatrao mialoha mantsy izay hanjo azy, dia ho nataonao izay tsy hisian’izany. Tsy nahafantatra anefa ianao. Tsy ianao àry no nahatonga azy ho faty! *

Resaho izay ao am-ponao. Hoy ny Ohabolana 12:25: ‘Mahafaly ny fo ny teny soa.’ Hanao “teny soa” hampahery anao ny olona atokisanao raha miresaka aminy ianao. Vao mainka halahelo be kosa ianao raha tsy miresaka.

Miresaha amin’Andriamanitra. Azo inoana fa tsy dia halahelo be intsony ianao, rehefa avy ‘mamboraka ny ao am-ponao’ aminy. (Salamo 62:8) Tsy hoe fanafody anefa ny vavaka, ka atao fotsiny mba hahasitrana. Rehefa mivavaka kosa isika, dia tena mitalaho amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra. Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.” (2 Korintianina 1:3, 4) Nomeny antsika, ohatra, ny Baiboly mba hampiononana antsika. (Romanina 15:4) Ataovy lisitra izay andinin-teny mampahery anao, dia vakio matetika. *

Tsy afaka vetivety ny alahelo. Manome toky anefa ny Baiboly fa “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:3, 4) Hataon’Andriamanitra paradisa mantsy ny tany. Eritrereto foana àry ny fampanantenan’ny Baiboly, dia ho zakanao kokoa ny alahelonao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Raha mbola tsy vitanao ny mamaly an’ireo izao, dia ataovy amin’ny manaraka.

^ feh. 10 Aza mieritreritra anefa hoe tsy maintsy mitomany ianao. Tsy voatery hitomany mantsy ny olona malahelo. Rehefa te hitomany anefa ianao dia aza tazonina, fa izay angamba no “fotoana itomaniana.”—Mpitoriteny 3:4.

^ feh. 12 Raha tsy mety milamina ny sainao, dia miresaha amin’ny dadanao na amin’ny olon-dehibe hafa. Tsy dia haninona intsony ianao rehefa mandeha ny fotoana.

^ feh. 14 Efa nampionona olona maro ireto andinin-teny ireto: Salamo 34:18; 102:17; 147:3; Isaia 25:8; Jaona 5:28, 29.

ANDININ-TENY MAHASOA

“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

SOSO-KEVITRA

Manorata matetika momba an’ilay mamanao (na dadanao) maty, dia tsy halahelo be intsony ianao.

FANTATRAO VE... ?

Tsy ratsy ny mitomany. Na lehilahy matanja-tsaina be aza mba mitomany, rehefa malahelo. Anisan’izany ry Abrahama, Josefa, Davida, ary Jesosy. —Genesisy 23:2; 50:1; 2 Samoela 1:11, 12; 18:33; Jaona 11:35.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko rehefa malahelo be aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada (na i Neny) momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no mahasoa anao ny mieritreritra izay zavatra nahafinaritra ahatsiarovanao ny mamanao?

● Nahoana no mahasoa anao ny manoratra izay ao am-ponao?

[Teny notsongaina, pejy 112]

‘‘Mafy be tamiko ny alaheloko satria nafeniko. Tokony ho niresaka tamin’olona ihany aho, amin’izay tsy mafy be ilay izy.’’—David

[Efajoro/Sary, pejy 113]

CHANTELLE

‘Narary dimy taona teo ho eo dadanay, dia tsy nety sitrana mihitsy. Namono tena izy tamin’izaho 16 taona. Tsy nanafina n’inona n’inona taminay ankizy mihitsy mamanay. Nanontany anay koa izy rehefa nikarakara ny fandevenana. Nanampy anay tsy halahelo be izany. Mba faly ianao rehefa misy zavatra resahina aminao, indrindra hoe zava-dehibe hoatr’izany. Tsy te hiresaka momba an’ny dadanay aho tamin’izany, fa vitako ihany ilay izy tatỳ aoriana. Isaky ny te hitomany aho, dia mankany amin’ny namako na any an-toeran-kafa, dia mitomany any. Rehefa malahelo be koa ianao, dia miresaha amin’ny fianakavianao na namanao. Izay hitanao hoe manamaivana ny alahelonao, dia ataovy!’

[Efajoro/Sary, pejy 113, 114]

LEAH

‘‘Tapaka lalan-dra mamanay tamin’izaho 19 taona. Maty izy, telo taona taorian’izay. Niezaka aho mba ho mafy be, sao dia tsy ho tantin’ny dadanay raha izaho koa no kivy. Nokarakarain’ny mamanay tsara aho isaky ny narary. Mbola hoatran’ny henoko foana ilay tanany nitsapa hoe nanavy aho sa tsia. Malahelo be azy aho matetika. Afeniko anefa ilay izy, ka lasa mavesatra amiko. Manao fanahy iniana mijery ny sariny àry aho indraindray amin’izay mba mitomany. Miresaka amin’ny namako koa aho. Miezaka mitadidy foana aho hoe mbola ho velona indray izy. Mampanantena mantsy ny Baiboly hoe hatsangana ny maty rehefa lasa paradisa ny tany. (Jaona 5:28, 29) Eritreretiko koa izay tokony hataoko mba hahitana an’izany, dia mba tsy malahelo be aho.’’

[Efajoro/Sary, pejy 114]

BETHANY

‘‘Tsy tadidiko raha efa niteny tamin’ny dadanay aho hoe tiako izy. Vao dimy taona tsinona aho tamin’izy maty. Fantatro hoe efa niteny aho, fa mba tiako fotsiny raha tadidiko ilay izy. Tapaka lalan-dra izy indray alina, dia nampidirina hopitaly haingana. Efa maty izy, tamin’izaho nifoha ny ampitson’iny. Tsy te hiresaka momba azy aho tamin’ny voalohany. Lasa tiako anefa tatỳ aoriana ny mihaino olona mitantara momba azy, satria ahafantarako hoe hoatran’ny ahoana izy. Raha efa maty ny dadanao na mamanao, dia eritrereto daholo izay zavatra nahafinaritra niarahanareo. Soraty ilay izy avy eo, amin’izay tsy hadino. Hatanjaho foana koa ny finoanao, dia hahita azy indray ianao ao amin’ny paradisa.’’

[Efajoro, pejy 116]

Fanampiana Hisaintsaina

Soraty izay ao am-ponao

Inona no zavatra nahafinaritra ahatsiarovanao ny mamanao (na dadanao)? ․․․․․

Inona no tianao holazaina aminy raha mbola velona izy? ․․․․․

Andeha hatao hoe manan-jandry ianao, ary mihevitra izy fa izy no nahatonga ny mamanao ho faty. Inona no holazainao aminy mba tsy hieritreretany an’izany? (Hampahery anao izay zavatra hosoratanao eo, raha mieritreritra koa ianao hoe ianao no nahatonga ny mamanao ho faty.) ․․․․․

Manorata zavatra roa na telo tianao ho fantatra momba an’ilay mamanao. Anontanio an’ny dadanao ny iray avy eo. ․․․․․

Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15. Mampionona anao ve io andinin-teny io? Nahoana? ․․․․․

[Sary, pejy 115]

Toy ny onja ny alahelo. Mafy be ilay izy indraindray sady tsy ampoizina