Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?
Toko 9
Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?
Namonjy fety i Karen. Vao tonga kelikely tao izy, dia nisy ankizilahy roa nitondra harona. Tonga dia fantany ny tao anatiny. Henony mantsy ireo ankizy ireo niteny hoe hisy “mafanafana” ao amin’ilay fety.
Taitra izy fa nisy niteny taminy hoe: “Inona koa àry ity mihanahana fotsiny ity? Masina be tssss!” Hay i Jessica naman’i Karen ilay izy. Nitondra labiera roa vao nosokafana izy, ary nomeny an’i Karen ny iray, sady hoy izy: “Dia lazao indray hoe mbola tsy mahazo misotro an’itony indrỳ! Eo mba manala azy e!”
Tsy te handray i Karen, nefa sarotra be ilay mandà. Mpinamana mantsy ry zareo, sady tsy te hatao hoe “masina be” izy. Nieritreritra koa izy hoe: ‘Maninona moa aho raha misotro e? I Jessica aza misotro, nefa izy mba hendry ihany! Sady labiera koa ve dia maninona? Hafa indray raha hoe mifoka rongony na mijangajanga!’
BETSAKA ny fakam-panahy mahazo ny tanora. Matetika izany no fakam-panahy hampiaraka. Hoy i Rado, 17 taona: “Manadala ankizilahy foana ny ankizivavy any am-pianaranay. Tiany mihitsy ny mikasikasika anao, sady jereny hoe hanaiky an’izay ataony ve ianao sa tsia. Tsy avelany mihitsy ianao!” Hoy koa i Diana, 17 taona: “Nisy ankizilahy tamy avy any, dia nisakambina ahy. Nasiako totohondry mafy be ny sandriny, sady niteny aho hoe: ‘Mbay tany! Tsinontsinoko akory ianao, nefa mba mitazontazona ahy eo!’ ”
Miady amin’ny fakam-panahy koa ve ianao, sady toa misy foana ilay izy? Hoatran’ny olona mandondòna eo am-baravaranao ny fakam-panahy. Efa tsy vohainao izy, fa mbola mandondòna ihany. Iza amin’ireto, ohatra, ilay izy?
□ Hifoka sigara
□ Hijery sary vetaveta
□ Hisotro toaka
□ Hanao firaisana
□ Hifoka rongony
□ Zavatra hafa ․․․․․
Aza mieritreritra hoe tsy mendrika ny ho Kristianina ianao, raha te hanao ny sasany amin’ireo. Hahavita hifehy tena sy hanohitra fakam-panahy mantsy ianao raha miezaka. Mila fantarinao anefa aloha ny antony mahatonga antsika te hanao zava-dratsy. Ireto misy telo:
1. Tsy lavorary isika. Mora manao ratsy ny olona, satria tsy lavorary. Kristianina matotra ny apostoly Paoly, nefa niaiky hoe: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Romanina 7:21) Na ny olona tena hendry aza, dia mahatsapa indraindray fa sarotra ny miady amin’ny “fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso.” (1 Jaona 2:16) Vao mainka mafy ilay izy raha eritreretina foana. Hoy mantsy ny Baiboly: “Ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.”—Jakoba 1:15.
2. Be dia be ny fakam-panahy manodidina antsika. Hoy i Vola: “Miresaka firaisana foana ny olona any
am-pianarana sy any am-piasana. Izany foana koa no alefan’ny tele sy filma. Mody ataon-dry zareo mahafinaritra be ilay izy, ary zara raha asehony ny voka-dratsiny!” Hitan’i Vola fa tena nisy vokany teo aminy ny olona manodidina azy sy ny tele. Hoy izy: “Vao 16 taona aho dia efa nampiaraka. Nampitandrina ahy mamanay hoe: ‘Raha izao no mitohy dia ho bevohoka ianao.’ Sosotra aho hoe izany ve no mba teniny! Bevohoka tokoa anefa aho, roa volana tatỳ aoriana.”3. Eo koa ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2 Timoty 2:22) Misy, ohatra, maniry ho tian’ny ankizy na hahaleo tena. Tsy hoe ratsy izany nefa tsy mety raha tafahoatra, satria mety hahatonga anao hanaonao foana. Maniry mafy hahaleo tena, ohatra, ny ankizy sasany, ka lasa tsy miraharaha intsony an’izay zavatra nampianarin’ny ray aman-dreniny azy. Izany no nataon’i Steve, tamin’izy 17 taona. Hoy izy: “Nikomy tamin’ny dadanay sy mamanay aho. Izay noteneniny hoe tsy tokony hatao mihitsy no nataoko. Vao vita batisa anefa aho tamin’izay!”
Inona no tokony hataonao?
Marina fa tsy mora ny mandresy fakam-panahy, noho ireo zavatra telo ireo. Ho vitanao anefa izany. Izao atao:
● Voalohany, fantaro izay fakam-panahy mafy indrindra aminao. (Angamba efa nasianao marika ilay izy tao amin’ny pejy 65.)
● Faharoa, fantaro hoe isaky ny inona no tena mitranga ilay izy. Misy amin’ireto ve? Asio ✔ eo akaikiny.
□ Any am-pianarana
□ Rehefa irery
□ Any am-piasana
□ Hafa ․․․․․
Tena ilainao ny mamantatra izany. Ho mora aminao amin’izay ny mitandrina dieny mbola tsy mitranga ilay izy. Diniho, ohatra, ilay tantara kely terỳ aloha. Inona no efa fantatr’i Karen fa hitranga any amin’ilay fety?
․․․․․
Inona no tokony ho nataony mba tsy ho tratran’ilay fakam-panahy?
․․․․․
● Efa fantatrao izao ny fakam-panahy mety hitranga, sy ny fotoana mety hisehoany. Inona amin’izay àry no tokony hataonao? Eritrereto hoe inona no azonao atao mba tsy ho tratran’ilay fakam-panahy mihitsy, na mba ho mora aminao ny miady amin’ilay izy. Soraty eto izay hevitra hitanao.
․․․․․
(Ohatra: Raha teren’ny ankizy hifoka sigara foana ianao rehefa avy mianatra, dia miovà lalana mba tsy ho hitany. Raha matetika ianao no mahita sary vetaveta tampoka ao amin’ny Internet, dia asio programa manakana an’izany ny ordinateranao. Fidio tsara koa izay teny hosoratanao, rehefa manao fikarohana ao.)
Misy fakam-panahy tsy azo ialana anefa. Mety ho sendra an’izany ianao, ary mafy aminao ilay izy sady tena tsy ampoizinao mihitsy. Inona àry no azonao atao?
Tokony ho vonona ianao
Nahavita nanda avy hatrany i Jesosy rehefa “nalain’i Satana fanahy.” (Marka 1:13) Nahoana? Satria efa fantany izay tokony hataony. Efa vonona hankatò ny Rainy izy, na inona na inona mitranga. (Jaona 8:28, 29) Tena tamin’ny fony no nitenenany hoe: “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.”—Jaona 6:38.
Ary ianao? Nahoana ianao no tokony hanohitra an’ilay fakam-panahy mpahazo anao?
Milazà antony roa.
1 ․․․․․
2 ․․․․․
Inona no eritreretinao handresena azy io?
1 ․․․․․
2 ․․․․․
Raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy ianao, dia lasa maniry hanao an’iny foana. Ho lasa andevozin’ny fanirianao ianao amin’izay. (Titosy 3:3) Dia tianao ve izany? Miezaha mafy àry hifehy tena, fa aza manaiky ho resy. (Kolosianina 3:5) Mivavaha hatrany mba ho vitanao foana izany.—Matio 6:13. *
JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 15, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Lasa kamokamo ve ianao tato ho ato? Te ho salama sy hatanjaka tsara ve ianao?
[Fanamarihana ambany pejy]
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anao halaim-panahy mihoatra noho izay zakanao, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanao izany.’—1 Korintianina 10:13.
SOSO-KEVITRA
Eritrereto mialoha izay havalinao ny ankizy mitarika anao haditra. Hanampy anao ilay hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?”, ao amin’ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, pejy 132 sy 133.
FANTATRAO VE... ?
Nilaza mialoha Andriamanitra fa tsy hivadika mihitsy i Jesosy, fa hankatò azy foana. Tsy midika anefa izany hoe hoatran’ny robot izy, ka efa voalahatra fa hankatò foana. Nanan-tsafidy kosa izy. Nivavaka mafy àry izy mba hahavita hankatò, na misy fakam-panahy aza.—Hebreo 5:7.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko mba tsy ho resin’ny fakam-panahy aho: ․․․․․
Ireto avy ny olona sy toerana hohalaviriko: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Mba misy fakam-panahy ihany ve mahazo ny anjely?—Genesisy 6:1-3; Jaona 8:44.
● Inona no ho vokany eo amin’ny hafa, raha mahavita mandresy fakam-panahy ianao?—Ohabolana 27:11; 1 Timoty 4:12.
[Teny notsongaina, pejy 68]
‘Fantatro fa eo foana i Jehovah, sady tsisy mahery hoatr’azy. Afaka mivavaka aminy foana aho rehefa manana olana. Izany no manampy ahy rehefa misy fakam-panahy.’—Eric
[Efajoro/Sary, pejy 67]
Andramo Izao
Makà tondroavaratra (boussole), ary jereo raha tena manondro avaratra ny fanjaitrany. Asio andriamby eo akaikiny avy eo. Tsy hanondro avaratra intsony ilay fanjaitra, fa hihodina any amin’ilay andriamby.
Toy ny tondroavaratra ny feon’ny fieritreretana. Ao an-tsaina izy io, ary manoro hoe inona no mety sy tsy mety. “Hanondro avaratra” foana izy io, izany hoe hanampy anao hifidy ny hanao ny tsara foana, raha zarinao hanavaka ny mety sy ny tsy mety. Toy ny andriamby kosa ny naman-dratsy, satria mety hitarika anao haditra. Halaviro àry izay olona na toerana na zavatra hafa mety hahatonga anao hanao ratsy.—Ohabolana 13:20.
[Sary, pejy 69]
Aza manaiky ho resy, sao ho lasa andevozin’ny fanirianao ianao