Maninona moa Aho Raha Maty E?
Toko 14
Maninona moa Aho Raha Maty E?
“ALEOKO maty toy izay velona.” Fantatrao ve hoe iza no niteny an’izany? Olona tsy nino an’Andriamanitra ve? Sa olona tsy nanompo azy intsony? Sa olona nahatezitra azy? Tsia. Ilay mpanompony atao hoe Jona no niteny an’io. Kivy be izy ka te ho faty.—Tsy lazain’ny Baiboly raha saika hamono tena izy na tsia. Hita avy amin’ny teniny anefa fa tsy nahazaka intsony an’ilay zavatra nahazo azy izy. Mety ho ketraka sy hijaly àry, na ny mpanompon’Andriamanitra aza.—Salamo 34:19.
Misy tanora mijaly be koa ankehitriny, ka te ho faty. Hoy, ohatra, i Laura, 16 taona: “Efa ela aho no kivy be, dia te hamono tena mihitsy matetika.” Inona àry no azonao atao raha misy milaza aminao hoe te ho faty, na ianao mihitsy no te hanao izany? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana no misy olona te hamono tena.
Nahoana no misy olona te ho faty?
Maro ny antony mahatonga izany. Mafy ny fiainana, ka tsy zakan’ny tanora maro. Miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” mantsy isika. (2 Timoty 3:1) Tsy lavorary koa isika, ka misy vokany eo amintsika izany. Misy, ohatra, mieritreritra hoe tsy misy dikany izy. Ny hafa indray tsy mahita afa-tsy ny zava-dratsy ataon’ny olona aminy. (Romanina 7:22-24) Nisy nampijaly angamba izy na nisy nametaveta. Misy koa marary, ary marary saina mihitsy aza. Voalaza, ohatra, fa maherin’ny 90 isan-jaton’ireo namono tena tany amin’ny tany iray no marary saina. *
Mijaly daholo tokoa ny olona. Hoy ny Romanina 8:22: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” Anisan’izany ny tanora. Kivy be izy ireo, rehefa misy zavatra mahazo azy, ohatra hoe:
● Misy fianakaviany na namany maty
● Miady lava ny ao an-tranony
● Tsy mahay izy any am-pianarana
● Nisaraka izy sy ny olon-tiany
● Misy olona mampijaly na mametaveta azy
Zavatra mpitranga amin’ny tanora ireo. Nahoana anefa no misy mahazaka izany, fa misy kosa tsy mahazaka? Resahin’ny manam-pahaizana hoe mihevitra ny tanora te hamono tena, fa tsy misy mahavita manampy azy, sady tsy ho voavaha mihitsy ny olana mahazo azy. Mieritreritra izy hoe tsy hisy masoandro mihiratra intsony eo amin’ny fiainany.
Tsy te ho faty izy, raha ny marina, fa mba tiany fotsiny raha tsy mijaly intsony izy.Tsy hisy masoandro mihiratra intsony ve?
Ahoana raha misy olona na namanao milaza aminao hoe tena tsy te hijaly intsony izy, fa aleony maty?
Ampirisiho izy hitady olona hitantarany ny manjo azy. Resaho amin’ny olon-dehibe matotra avy eo fa te hamono tena izy, na dia tsy avelany hiteny amin’iza na iza aza ianao. Aza matahotra hoe tsy hinamana aminao intsony izy. Hamonjy ny ainy ianao raha tsy mangina fotsiny!
Ary ahoana raha ianao mihitsy no te hamono tena? Aza afenina ilay izy fa resaho. Ohatra hoe amin’ny ray aman-dreninao, na namanao, na olona fantatrao hoe hihaino anao sy hanampy anao. Aza misalasala miresaka, fa tena hahasoa anao izany! *
Marina fa tsy hoe hilamina avy hatrany ilay olana. Rehefa avy miresaka amin’ny olona atokisanao anefa ianao, dia mety hahita hoe mbola misy fanantenana ihany. Mety hahita vahaolana tena tsara mihitsy aza ianao.
Mbola hilamina ilay izy
Tadidio fa mbola hilamina ny olana mahazo anao, na mafy toy inona aza. Nanana olana be dia be, ohatra, i Davida mpanao salamo. Nilamina ihany anefa izany tatỳ aoriana, ka hoy izy tamin’Andriamanitra: “Novanao ho fandihizana ny fisaonako.”—Salamo 30:11.
Marina fa tsy nanantena i Davida hoe hilamina be ny 2 Korintianina 4:17.
fiainany manomboka eo. Misy foana mantsy ny olana, ary na ianao aza mahita an’izany, sa tsy izany? Mila tsy ho zaka ny sasany, nefa mahareta. Mbola hiova ny fiainanao. Mety hisy vahaolana na zavatra hafa tsy ampoizina, ohatra, ka ho afakafaka ilay olana na ho zakanao kokoa. Ataovy an-tsaina foana hoe tsy maintsy mbola hilamina ny olana.—Tena ilaina ny mivavaka
Andriamanitra mantsy no tena tokony hiresahanao. Mivavaha toa an’i Davida hoe: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy ahy. Ary jereo sao misy lalana mampahory ato anatiko, dia tariho ho amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.”—Salamo 139:23, 24.
Tsy hoe natao hanampiana anao hahazaka fahoriana fotsiny ny vavaka. Tena miresaka Salamo 62:8) Ireto misy zavatra tsara ho fantatrao momba azy:
amin’ilay Rainao any an-danitra kosa ianao, rehefa mivavaka. Mampirisika anao izy mba ‘hamboraka aminy ny ao am-ponao.’ (● Fantany tsara hoe nahoana ianao no mijaly na kivy be.—Salamo 103:14.
● Fantany tsara ny momba anao. Ianao aza mbola tsy mahalala izany noho izy.—1 Jaona 3:20.
● ‘Miahy anao izy.’—1 Petera 5:7.
● ‘Hofafany ny ranomasonao rehetra’, ao amin’ny paradisa.—Apokalypsy 21:4.
Marary ve ianao ka te ho faty?
Efa voaresaka teny aloha hoe maro ny olona te ho faty, noho ny aretina mahazo azy. Izany ve izao no mahazo anao? Aza misalasala manatona mpitsabo. Nilaza i Jesosy fa mila dokotera ny marary. (Matio 9:12) Maro ny aretina azo tsaboina tsara. Mety tsy ho kivy be intsony koa ianao, rehefa mitsabo tena! *
Mampanantena Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, fa tsy hisy hitaraina intsony ao amin’ny paradisa hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24) “Tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.” (Isaia 65:17) Ataovy àry izay tsy hahakivy be anao na misy aza ny olana. Matokia fa mbola hanova ny fiainantsika Andriamanitra, ka tsy ho ketraka intsony isika.—Apokalypsy 21:1-4.
JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 9, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Midikiditra be loatra amin’ny fiainanao ve ny ray aman-dreninao? Idirany daholo ve na ny zavatra tsy tianao ho fantany aza?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Marihina anefa fa tsy hoe mamono tena daholo ny tanora marary saina.
^ feh. 18 Afaka miresaka amin’ny anti-panahy koa ianao, raha Vavolombelon’i Jehovah.—Jakoba 5:14, 15.
ANDININ-TENY MAHASOA
‘Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanao. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonao sy ny sainao.’—Filipianina 4:6, 7.
SOSO-KEVITRA
Rehefa kivy ianao, dia manaova fanatanjahan-tena, ohatra hoe mandeha an-tongotra mafimafy. Ho azoazonao ny ainao amin’izay.
FANTATRAO VE... ?
Raha mamono tena ianao, dia hijaly sy halahelo be ny havanao sy ny namanao.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Hiresaka amin’i ․․․․․ aho rehefa mahatsapa hoe tsy misy dikany na tsy misy mpitia.
Hiezaka hieritreritra an’izay zavatra tsara eo amin’ny fiainako aho. Ohatra hoe ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Tsy maintsy milamina foana ny olana, na dia olana be aza. Nahoana izany no mampahery?
● Hijaly sy ho sahirana ny olona raha mamono tena ianao. Nahoana?
[Teny notsongaina, pejy 104]
‘‘Kivy be foana aho taloha, sady efa aretina ilay izy. Te ho faty mihitsy aza aho indraindray. Tsy dia maninona intsony anefa aho izao, satria mivavaka foana sady mihinam-panafody.’’—Hasina
[Efajoro, pejy 100]
“Tsy zakako intsony e!”
Efa niteny hoatr’izany ve ianao? Fantaro fa efa nisy mpanompon’Andriamanitra tsy nahazaka ny olana nahazo azy koa fahiny. Jereo ange ny tenin-dry zareo e!
Rebeka: “Raha izao no izy, nahoana re aho no mbola velona ihany e?”—Genesisy 25:22.
Mosesy: ‘Vonoy mihitsy aho, ka aza avela hahita ny fahoriako.’—Nomery 11:15.
Elia: ‘Esory ny aiko, Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.’—1 Mpanjaka 19:4.
Joba: ‘Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana mantsy ianao, ary manome ahy fe-potoana, dia hahatsiaro ahy!’—Joba 14:13.
Nilamina ihany ny olana nahazo azy ireo, ary azo inoana fa tsy nampoiziny ilay izy. Matokia àry fa mbola hilamina koa ny olana mahazo anao.
[Sary, pejy 102]
Toy ny hoe maizina ny tany aman-danitra rehefa kivy ianao, nefa matokia fa mbola hisava ilay izy