Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?

Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?

Toko 20

Inona no Hataoko fa Tsy Tiako ny Mpampianatra Anay?

Iza no mpampianatra tena tianao? ․․․․․

Nahoana? ․․․․․

Iza kosa no mpampianatra tena tsy tianao? ․․․․․

AFAKA mifidy ny namanao ianao, fa matetika no tsy afaka mifidy izay hampianatra anao. Tsy olana amin’ny ankizy sasany anefa izany. Hoy i Andy, 18 taona: “Nohajaiko tsara ny mpampianatra ahy, dia tian-dry zareo aho. Mbola tsy nisy mihitsy ny olana.”

Hoy kosa i Sarah, 11 taona: “Masiaka be ny mpampianatra anay! Tsisy azoko koa izay lazainy. Indraindray izy zara raha manazava, indraindray be fanazavana.” Tsy tianao koa ve ny mpampianatra anareo? Fantaro aloha hoe inona no tena tsy zakanao, dia ho mora aminao ny hahita vahaolana. Misy amin’ireto ve ilay izy? Asio ✔ eo akaikiny. Raha tsia, dia soraty eo amin’ilay hoe “Zavatra hafa.”

□ Tsisy azoko izay lazainy

□ Kahidy naoty be izy

□ Misy ankizy tiany kokoa

□ Mafy loatra ny sazy omeny

□ Avakavahany aho

□ Zavatra hafa ․․․․․

Inona àry no azonao atao? Fantaro hoe nahoana izy no manao izany. Diniho, ohatra, hoe nahoana izy no masiaka be. Raha fantatrao ny tena antony, dia tsy ho tezitra be aminy ianao. (1 Petera 3:8) Ireto àry misy zavatra tsara ho fantatra:

Tsy lavorary ny mpampianatra, ka manana toetra hafahafa indraindray, na somary tia mitsaratsara olona. Mba manana olana koa izy. Milaza ny Jakoba 3:2 fa ny “olona lavorary” ihany no ‘tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, [ka] mahafehy ny tenany manontolo.’ Hoy i Irina, 19 taona: “Mora tezitra be ny mpampianatra matematika anay. Mivazavaza aminay foana izy, dia lasa tsy hajain’ny ankizy.” Misy olana anefa matoa ilay mpampianatra manao izany. Hoy i Irina: “Maditra be ny ankizy sady mandrangitra azy, dia vao mainka izy sorena.”

Manao fahadisoana isika matetika, indrindra rehefa sorena be. Azo inoana fa faly ianao amin’izay rehefa tsy bedin’ny mpampianatra. Mba odio tsy hita koa àry ny fahadisoany. Inona, ohatra, no nataon’ny ankizy vao haingana, ka nahasorena azy?

․․․․․

Mba misy ankizy tiany kokoa. Fa nahoana? Tsy ny ankizy rehetra no tia an’ilay taranja ampianariny. Ary na ireo tia an’ilay izy aza, dia tsy voatery hoe mazoto mihaino na mahavita mihaino azy mihoatra ny antsasak’adiny. Ny hafa indray mila vaniny amin’ny mpampianatra nefa olon-kafa no mahasosotra azy. Eritrereto hoe ianao ilay mpampianatra. Ankizy 20 na 30 mahery no ampianarinao, nefa vitsy kely no tena mihaino anao. Tsy izay mihaino anao ve no ho tianao kokoa?

Mahasosotra anefa rehefa hita be hoe misy ankizy tian’ny mpampianatra kokoa. Hoy i Natasha: “Tsy manaiky ilay mpampianatra anay raha tsy vitanay amin’izay andro teneniny ny devoaranay. Ny ankizy mpanao baolina anefa omeny fotoana elaela, satria izy no mampikotrana an-dry zareo.” Izany koa ve no ataon’ny mpampianatra anareo? Mieritrereta àry hoe: ‘Mampianatra ahy tsara ihany ve izy?’ Raha izay mantsy, inona moa no tokony hahatezitra anao na hampialona anao?

Inona no azonao atao mba ho hitan’ny mpampianatra hoe mihaino tsara azy ianao?

․․․․․

Diso hevitra izy indraindray. Mety hisy mpampianatra tsy tia anao, satria tsy mitovy ny toetranareo, na diso hevitra momba anao izy. Raha tia manontany ianao, dia mety hoheveriny hoe te hanohitra azy. Raha tia mivazivazy indray ianao, dia mety hoheveriny hoe tsy manaja azy na miadaladala.

Inona no hataonao raha izany no mahazo anao? Hoy ny Romanina 12:17, 18: ‘Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.’ Aza atao àry izay hahatezitra azy, ary aza mifamaly aminy. Tsy hahazo rariny mantsy ianao. Miezaha kosa ho tsara fanahy, na dia sarotra aza izany. Miezaha hahalala fomba, ka arahabao foana izy. Azonao atao mihitsy aza ny mitsikitsiky aminy indraindray. Mety ho hitany amin’izay hoe hay ianao ankizy mahafinaritra.—Romanina 12:20, 21.

Diso hevitra momba an’i Johary, ohatra, ny mpampianatra azy. Saro-kenatra be mantsy izy, dia tsy niresaka mihitsy. Hitany anefa tatỳ aoriana hoe hay te hanampy azy ihany ny mpampianatra azy. Inona àry no nataony? Hoy izy: “Niezaka niresaka tamin’izy rehetra aho. Lasa tsara be ny naotiko avy eo.”

Marina fa tsy voatery hiova ny mpampianatra, na dia tsara fanahy sy miresaka aminy aza ianao. Miezaha anefa hanam-paharetana. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara [na koa mpampianatra]; ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.” (Ohabolana 25:15, DIEM) Aza mora tezitra na masiaka, na dia tsy rariny aza ny ataony. Mety hiova ihany izy.—Ohabolana 15:1.

Inona matetika no tonga dia ataonao, rehefa diso hevitra momba anao na ratsy fanahy aminao ny mpampianatra?

․․․․․

Inona anefa no tokony hataonao?

․․․․․

Ahoana raha misy olana tena mila alamina?

Tsy ampy ny mahafantatra ny antony mahatonga ny mpampianatra hasiaka. Indraindray mantsy misy olana tsy azo avela amin’izao fa tsy maintsy alamina. Ireto misy ohatra:

Tsy omeny naoty tsara mihitsy ianao. Hoy i Tamby: “Tsara be foana ny naotiko tamin’ny siansa. Gaga anefa aho tatỳ aoriana fa lasa nomen’ny mpampianatra naoty ratsy be. Efa noresahin-dry dadanay tamin’ny tale ilay izy, nefa zara raha nampiakarin’ilay mpampianatra ny naotiko. Tsy tiako maizina a!” Toy izany koa ve no mahazo anao? Aza mivazavaza amin’ilay mpampianatra fa manaova hoatran’i Natana, ao amin’ny Baiboly. Nasaina niresaka tamin’i Davida Mpanjaka izy satria nanao fahadisoana be i Davida. Tsy nivazavaza na nasiaka be taminy anefa i Natana.—2 Samoela 12:1-7.

Miresaha àry amin’ny mpampianatra anao. Tokony hahay hanaja sy ho tsara fanahy anefa ianao. Tsy hisy vokany tsara mantsy raha mivazavaza na manakiana na manambany azy ianao. Asehoy hoe matotra ianao. Anontanio izy hoe inona no azonao hatsaraina, ary henoy tsara izy. Hoy mantsy i Solomona: “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” (Ohabolana 18:13) Raha tena diso ilay naoty nomeny, dia atoroy azy ilay izy. Marina fa mety tsy hovany ny naotinao. Ho hitany anefa hoe efa matotra ianao, ka mety hisy vokany tsara ihany izany.

Tsy tiany ianao. Tsara be foana ny naotin’i Rachel taloha. Rehefa nifindra kilasy anefa izy, dia nomen’ny mpampianatra azy naoty ratsy be foana. Hoy i Rachel: “Fanahy iniany mihitsy ilay izy.” Nasehon’ilay mpampianatra fa tsy tiany ny fivavahan’i Rachel.

Nijanona tamin’izao ve i Rachel? Hoy izy: “Nandeha niresaka taminy izahay sy mamanay isaky ny hitanay hoe tokony hahazo naoty tsara aho, nefa mbola nomeny naoty ratsy be ihany. Tsy sahy intsony izy tamin’ny farany.” Izany koa ve no mahazo anao? Miresaha amin’ny ray aman-dreninao, amin’izay ry zareo afaka manatona an’ilay mpampianatra na ny tompon’andraikitra hafa.

Hahasoa anao ny fianarana

Tadidio fa tsy voatery hivaha haingana ny olana, ka tsy misy azonao atao afa-tsy ny miaritra indraindray. Hoy i Tanya: “Efa sendra mpampianatra ratsy toetra be aho. Tia manambanimbany ankizy izy. Nolazainy hoe vendrana izahay. Efa voany aho dia nitomany be, fa avy eo aho niezaka tsy hivaky loha. Ny fianarako no nataoko tsara. Tsy dia naninona ahy intsony izy, sady mba nomeny naoty tsara aho, nefa betsaka ny ankizy nahazo naoty ratsy. Voaroaka izy, roa taona tatỳ aoriana.”

Andramo àry ireo soso-kevitra noresahina tato, rehefa misy mpampianatra mahasosotra anao. Hahasoa anao foana izany, satria mety ho sendra mpampiasa masiaka ianao any aoriana any. Tsy hanao tsinontsinona an’izay mpampianatra tsara fanahy koa ianao amin’izao.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Hoatran’ny tsy manam-potoana mihitsy ve ianao? Ahoana no hahaizanao mandamina ny fotoananao?

ANDININ-TENY MAHASOA

“Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.

SOSO-KEVITRA

Raha kamokamo ny mpampianatra anareo, dia aza mieritreritra be an’izany fa mifantoha amin’ny lesona. Raiso an-tsoratra ny fanazavany, mametraha fanontaniana, hajao izy, ary mihainoa tsara. Mety hazoto kokoa izy amin’izay.

FANTATRAO VE... ?

Mitovy foana angamba ny lesona ampianarin’ilay mpampianatra anareo, sady efa be dia be ny ankizy nampianariny, ka mety ho izay no mahatonga azy ho lasa kamokamo manazava lesona.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hazoto hianatra an’ilay taranja tsy tiako aho: ․․․․․

Izao no hataoko raha misy mpampianatra ratsy fanahy amiko: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no tokony hifantoka amin’ny lesona, na dia mahasosotra aza ny mpampianatra?

● Inona no ho vokany raha hitany fa mifantoka tsara ianao?

[Teny notsongaina, pejy 146]

‘‘Niezaka ninamana tamin’ny mpampianatra rehetra aho. Haiko tsara ny anaran’izy rehetra. Miresaka kely amin-dry zareo aho rehefa sendra mifanena aminy.’’—Carmen

[Sary, pejy 145]

Manampy hiampitana rano ny vato. Toy izany koa fa manampy anao hahay ny mpampianatra. Tsy maintsy miezaka miampita anefa ianao, izany hoe miezaka mianatra