Efa Tena Vonona Hanambady ve Izahay?
Toko 30
Efa Tena Vonona Hanambady ve Izahay?
Efa niaraka elaela ianareo, ka hitanao hoe mety aminao izy sady tena tianao. Efa mieritreritra ianareo hoe hivady amin’izay, ary ho sambatra be avy eo. Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana anefa izany, ka miady saina kely ianao hoe...
Efa tena vonona hanambady ve izahay?
RARINY raha misalasala ianao, na dia tena tianao aza izy. Hiova be mantsy ny fiainanao. Be dia be koa ny mpivady tsy sambatra, na misaraka mihitsy
aza. Ahoana àry no hahalalanao raha efa vonona ianareo? Mety ho diso hevitra ianao rehefa mieritreritra hoe hanao ahoana ny fiainanareo. Ireto misy hevi-diso vitsivitsy mila ahitsinao dieny izao:HEVI-DISO 1 “Rehefa mifankatia fotsiny izahay, dia ampy e!”
Inona no tena marina? Tsy mahavelona raha ny fitiavana fotsiny. Tsy maintsy mila vola ianareo, sady ny fiainana izao efa sarotra. Hitan’ny mpikaroka fa ny resa-bola no tena mampiady sy mampisaraka ny mpivady. Raha tia vola loatra koa anefa ianareo, dia mety tsy hifandray tsara amin’Andriamanitra intsony, na ho sorena be, na tsy dia hifankatia intsony. (1 Timoty 6:9, 10) Tonga dia resaho dieny izao àry hoe ahoana no hitantananareo ny volanareo!
Hoy ny Baiboly: ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany?’—Lioka 14:28.
Torohevitra: Mifampiresaha tsara dieny izao mbola tsy mpivady izao. (Ohabolana 13:10) Iaraho midinika, ohatra, hoe: Ahoana no hitantanana ny vola? Samy hanana ny kaontinareo ve ianareo any amin’ny banky sa tsia? Iza no mahay kokoa mijery ny vola miditra sy mivoaka, ary manamarina raha efa voaloa ny zava-drehetra? * Ohatrinona ny vola azon’ny anankiray lanina, nefa tsy voatery miera? Tokony ho ianareo roa mihitsy no hiaraka handinika an’ireo, ary aza miandriandry!—Mpitoriteny 4:9, 10.
HEVI-DISO 2 “Hahay hiaraka tsara izahay, satria mitovy hevitra foana sady tsy miady mihitsy!”
Inona no tena marina? Angamba mitandrina be ianareo mba tsy hiresaka zavatra mety hampiady, matoa mbola Romanina 3:23; Jakoba 3:2) Aza variana amin’ilay hoe mitovy hevitra àry, fa diniho hoe inona no ataonareo rehefa tsy mitovy hevitra. Tokony ho sahy hilaza ny hevitrareo ianareo, ary hifandamina avy eo. Mila matotra tsara sy tsy masiaka anefa ianareo. Hifankatia foana ianareo amin’izay.
tsy niady. Tsy maintsy hisy olana anefa ao an-tokantrano. Tsy maintsy hifamaly kely ianareo, satria samy tsy lavorary ka tsy voatery hitovy hevitra foana. (Hoy ny Baiboly: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.”—Efesianina 4:26.
Torohevitra: Diniho hoe inona no ataonao rehefa mifamaly ianao sy ny ray aman-dreninao na ny iray tam-po aminao. Manaova tabilao hoatran’ilay ao amin’ny pejy 93, na ilay ao amin’ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, pejy 221. Soraty eo hoe inona no nampiady anareo, inona no nataonao, ary inona no tokony ho nataonao. Nirintondrintona ve, ohatra, ianao, sady nanakaratoka varavarana? Raha izany, dia soraty hoe inona no tokony ho nataonao mba hampilamina ilay ady fa tsy hampitatra azy. Raha mianatra mandamina olana ianao dieny izao, dia hahay tsara an’izany rehefa manambady.
HEVI-DISO 3 “Hanao firaisana foana izahay!”
Inona no tena marina? Aza mieritreritra hoe ho afaka hanao firaisana foana ianao rehefa te hanao izany. Mety tsy 1 Korintianina 10:24) Mbola mila mifehy tena foana àry ianao, na dia efa manambady aza.—Galatianina 5:22, 23.
hazoto mantsy ny vadinao indraindray, satria mba misy zavatra manjo azy. Tsy maintsy mandefitra ianao amin’izay. Marina fa te hanao firaisana ianao nefa tsy manan-jo hanery azy, na dia vadinao aza izy. (Hoy ny Baiboly: ‘Mahaiza mifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po.’—1 Tesalonianina 4:4, 5.
Torohevitra: Ireto misy zavatra mila dinihinao tsara, satria mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fanambadianao: Zatra mikasikasika ny filahianao na ny fivavianao ve ianao? Zatra mijery sary vetaveta ve ianao? Tia mijery vehivavy na lehilahy ve ianao sady mieritreri-dratsy rehefa mijery azy? Mieritrereta hoe: ‘Raha izao aza aho tsy mahavita mifehy tena, hahavita izany ve aho rehefa manambady?’ (Matio 5:27, 28) Diniho koa ireto: Malaza hoe tia manadaladala ankizilahy na ankizivavy ve ianao, na hoe tsy miaraka amin’olona iray fa maromaro mihitsy? Hahavita hifehy tena ve ianao rehefa manambady, satria ny vadinao irery amin’izay no tokony ho tianao?—Ohabolana 5:15-17.
HEVI-DISO 4 “Ho falifaly foana aho amin’izay!”
Inona no tena marina? Raha kivikivy lava ianao izao, dia mety mbola ho kivy foana na dia rehefa manambady aza. Miankina amin’ny toe-tsainao mantsy ilay izy, fa tsy amin’ny zavatra iainanao. (Ohabolana 15:15) Matetika no tsy mahita ny ezaka efa ataon’ny vadiny ny olona mora kivy, fa izay zavatra tsy ataony foana no hitany. Miezaha àry ho falifaly dieny izao, dia tsy ho kivy ianao rehefa manambady ary ho toy izany koa ny vadinao.
Hoy ny Baiboly: “Aleo mifaly amin’izay hitan’ny maso toy izay avezivezin’ny faniriana.”—Mpitoriteny 6:9.
Torohevitra: Manantena zavatra tsy azo tanterahina ianao indraindray, dia lasa kivy. Manorata àry zavatra roa na telo antenainao hitranga rehefa manambady ianao. Mieritrereta avy eo hoe: ‘Nofinofy fotsiny ve ireo, sa mety ho tanteraka tokoa? Sao dia mba te ho hoatran’ireny olona amin’ny filma sy boky ireny àry aho? Sao dia ny tenako ihany no tena eritreretiko matoa aho te hanambady? Te hanao firaisana fotsiny ve, ohatra, aho, na te hohajain’ny namako, na tsy te ho irery intsony?’ Raha izany, dia
mbola mila miezaka tsy ho tia tena ianao, fa hieritreritra an’ilay olon-tianao. Manorata àry zavatra roa na telo antenainao hitranga, tsy aminao irery fa aminareo roa mihitsy.Esory ao an-tsainao àry ny hevi-diso hitantsika teo, fa ny tena zava-misy eritreretina. Tsy ho sambatra ianareo roa, raha tsy izany. Hanampy anareo ireo fanontaniana ao amin’ny pejy 216 sy 217. Azo inoana mantsy fa te hanana tokantrano sambatra ianareo, ary anisan’ny zavatra tsara indrindra eo amin’ny fiainana izany.—Deoteronomia 24:5; Ohabolana 5:18.
Nisaraka taminao ve ilay olon-tianao, ka malahelo be hoatran’ireny rehefa misy maty ireny ianao?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Resahin’ny Ohabolana 31:10-28 fa miezaka mafy manampy ny lehilahy eo amin’ny resaka ara-bola ny “vady tsara.” Zavatra maromaro no ataony amin’izany. Vakio ny andininy 13, 14, 16, 18, ary 24.
ANDININ-TENY MAHASOA
“Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.”—Genesisy 2:24.
SOSO-KEVITRA
Manontania mpivady efa ela hoe inona no tokony hataon’ny mpivady vao, mba hifankatia foana.—Ohabolana 27:17.
FANTATRAO VE... ?
Hifankatia foana ny mpivady raha miezaka ny ho mpinamana, mifampiresaka tsara, mahay mifandamina, ary tsy mieritreritra ny hisaraka mihitsy.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Te ho tsara toetra kokoa aho, amin’izay mifankatia kokoa izahay rehefa lasa mpivady. Hiezaka, ohatra, aho mba ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Be dia be no misara-panambadiana any amin’ny tany sasany. Nahoana?
● Inona no ho vokany raha manambady ianao, satria hoe leon’ny olana ao an-tranonareo?
● Nahoana ianao no mbola mila manaraka izay lazain’ny Baiboly, rehefa manambady?
[Teny notsongaina, pejy 220]
‘‘Mila azonao tsara hoe ahoana izany manambady izany, sady mila fantatrao tsara koa ilay ho vadinao. Tsy ataotao foana tsinona ny fanambadiana.’’—Alisoa
[Efajoro/Sary, pejy 216, 217]
Fanampiana Hisaintsaina
Efa Vonona Hanambady ve Ianao?
Valio ireto fanontaniana ireto. Azonao atao mihitsy aza ny miara-midinika azy ireo amin’ilay olona ho vadinao. Vakio koa ny andinin-teny.
Vola
□ Tia vola ve ianao?—Hebreo 13:5, 6.
□ Miezaka tsy ho variana mitady vola ve ianao? Inona, ohatra, no ataonao?—Matio 6:19-21.
□ Ananan’olona vola ve ianao izao? Inona no efa ataonao mba handoavana an’ilay izy?—Ohabolana 22:7.
□ Ohatrinona no eritreretinao holanina amin’ny mariazinareo? Raha tsy maintsy mitrosa ianareo, ohatrinona no hitanareo hoe tsy be loatra?—Lioka 14:28.
□ Samy hiasa ve ianareo? Inona no hataonareo raha samy hafa ny fotoana hiasanareo? Ary handeha fiara fitaterana ve ianareo sa hampiasa ny fiaranareo?—Ohabolana 15:22.
□ Aiza ianareo no hipetraka? Ohatrinona ny vola holaninareo amin’ny hofan-trano, sakafo, akanjo, na zavatra hafa? Ho ampy amin’izany ve ny volanareo?—Ohabolana 24:27.
Fianakaviana
□ Mahay mifanaraka tsara amin’ny ao an-tranonareo ve ianao?—Eksodosy 20:12; Romanina 12:18.
□ Inona no ataonao mba handaminana ny adinareo?—Kolosianina 3:13.
□ Raha ankizivavy ianao, ahoana no ampisehoanao fa “tony sy malemy paika” ianao?—1 Petera 3:4.
□ Hiteraka ve ianareo? (Salamo 127:3) Raha tsia, inona no fanabeazana aizana hampiasainareo?
□ Raha ankizilahy ianao, inona no eritreretinao hatao mba hifandray tsara amin’i Jehovah foana ny vady aman-janakao?—Matio 5:3.
Toetra
□ Inona avy no porofo fa mazoto miasa ianao?—Ohabolana 6:9-11; 31:17, 19, 21, 22, 27.
□ Mahafoy tena ve ianao fa tsy tia tena? Inona, ohatra, no efa nataonao mba hampisehoana izany?—Filipianina 2:4.
□ Raha ankizilahy ianao, ahoana no ampisehoanao hoe tsy manjakazaka ianao fa tsara fanahy hoatran’i Kristy?—Efesianina 5:25, 28, 29.
□ Raha ankizivavy ianao, ahoana no ampisehoanao fa manaiky fahefana ianao?—Efesianina 5:22-24.
[Sary, pejy 219]
Toy ny rano ny fanambadiana. Aza maika “hitsofoka” ao raha tsy efa fantatrao aloha ilay izy