Inona no Hataoko fa Miady Foana Izahay?
Toko 6
Inona no Hataoko fa Miady Foana Izahay?
Mpinamana be ve ianao sy ny iray tam-po aminao, sa tsy tena mpinamana, sa mpiady lava? ․․․․․
MISY mpiray tam-po tena mpinamana be. ‘Namako be i Irena’, hoy i Felicia, 19 taona, momba ny zandriny 16 taona. Hoy koa i Antsa, 17 taona, momba azy sy Eric zokiny lahy, 20 taona: “Tsy mba miady mihitsy izahay, fa mifanaraka tsara.”
Misy indray anefa miady lava. Hoy i Lalaina: ‘Miady foana izahay sy ny zandriko vavy, na dia amin-javatra tsisy dikany aza.’ Hoy koa i Alice, 12 taona, momba an’i
Denis zokiny lahy, 14 taona: “Mahatsiravina mihitsy ny ataony! Tonga dia mankao amin’ny efitranoko izy sady maka ny zavatro nefa tsy miera akory. Mbola zaza be tssss!”Mandreraka anao koa ve ny iray tam-po aminao? Miezaha mandamina ny adinareo fa aza miandry ny ray aman-dreny, na dia ry zareo aza no tena tokony handamina an’ilay izy. Mila mianatra mifandray tsara amin’olona mantsy ianao, na ho ela na ho haingana, ka ianaro dieny izao izany.
Inona no mampiady anao sy ny zokinao na zandrinao? Iray amin’ireto ve? Asio ✔ eo akaikiny.
□ Maka ny entanao izy nefa tsy miera akory.
□ Tsy tianao ny toetrany. Tia tena izy, na manaonao foana, na mibaikobaiko anao.
□ Midikiditra amin’ny fiainanao izy. Tsy mandondòna izy fa tonga dia miditra ao amin’ny efitranonao, na vakiny ny taratasinao, na kitikitihiny ny telefaoninao.
□ Zavatra hafa ․․․․․
Ohabolana 30:33: “Mandeha ra ny orona rehefa poretina, ary miteraka fifandirana ny fahatezerana rehefa tsy voafehy.” Mandeha ra tokoa ny orona rehefa poretina foana. Raha tezitra foana àry ianao ao am-ponao ao, dia mety ho raikitra ny ady amin’ny farany, ka vao mainka ho ratsy ny vokany. (Ohabolana 26:21) Inona àry no azonao atao? Fantaro aloha hoe inona no tena mahatonga anareo hiady lava.
Mibaikobaiko anao foana ve ny iray tam-po aminao, na midikiditra amin’ny fiainanao? Mety ho tezitra ianao, ka hitana lolompo. Hoy anefa nyFantaro hoe inona no tena olana
Toy ny mony ny adin’ny mpiray tam-po. Ilay mibontsina kely mahasosotra no hita etỳ ivelany, nefa misy antony matoa iny miseho. Toy izany koa fa mahasosotra ilay adiady, nefa misy antony matoa mitranga.
Misy ankizy tonga dia manapotsitra ny moniny. Tsy vahaolana anefa izany, satria mety hamela tasy ilay izy na hanonitra. Tsara kokoa raha ny antony mahatonga azy no fantarina sy itadiavana vahaolana. Tsy hirongatra be koa ilay izy amin’izay. Izany koa no tokony hataonao rehefa miady ianareo. Fantaro ny tena mahatonga an’ilay ady, ary iny no itadiavo vahaolana. Ho mora kokoa aminao amin’izay ny ‘hanindry fo’, araka ny tenin’i Solomona, mpanjaka hendry.—Ohabolana 19:11.
Nilaza, ohatra, i Alice terỳ aloha fa tonga dia miditra ao amin’ny efitranony ny anadahiny, sady maka ny zavany nefa tsy miera. Izany matetika no mampiady azy dahy. Inona anefa no tena olana? Tsy mahay manaja olona angamba i Denis. Marina fa afaka miteny i Alice hoe: ‘Aza miditra ao amin’ny efitranoko intsony, na mampiasa ny zavatro.’ Tsy mamaha an’ilay tena olana anefa izany, fa vao mainka aza mampiady. Tsara kosa raha miangavy an’i Denis izy mba handondòna vao miditra ao aminy, ary hiera vao maka ny zavany. Azo inoana fa tsy dia hiady intsony ry zareo amin’izay.
Ataovy izay tsy hampiady anareo
Tsy ampy anefa ny mamantatra an’ilay tena olana. Mila alamina tanteraka kosa ilay izy mba tsy hiverina intsony. Araho ireto torohevitra enina ireto:
1. Miaraha mametraka fitsipika. Jereo vetivety ao amin’ny pejy 41 hoe inona ilay mampiady anareo. Diniho avy eo hoe inona no tena mahatonga an’ilay izy, izany hoe ny tena olana. Miaraha mametraka fitsipika handaminana izany. Tokony hifanaraka tsara anefa ianareo. Andeha hatao hoe maka zavatra nefa tsy miera ny iray aminareo. Azo atao ny mametraka fitsipika hoe: “Miera aloha vao maka”, sy hoe: “Rehefa miteny ny iray hoe tsy azo ampiasaina ny entany, dia ekena izany.” Aza manao fitsipika sarotra be anefa. Araho ilay didin’i Jesosy Matio 7:12) Resaho amin’ny ray aman-dreninareo avy eo ilay fitsipika, mba hahitana raha ekeny na tsia.—Efesianina 6:1.
hoe: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’ (2. Hajao izay fitsipika nifanarahanareo. Raha tianao handondòna, ohatra, ny iray tam-po aminao vao miditra ao amin’ny efitranonao, dia tokony hanao an’izany koa ianao rehefa mankao aminy. Tokony hiera koa ianao vao mamaky ny taratasiny na mijery ny telefaoniny. Hoy ny Romanina 2:21: “Ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao? Ianao izay mitory hoe: ‘Aza mangalatra’, mangalatra ihany ve ianao?”
3. Aza mora tezitra. Milaza mantsy ny Mpitoriteny 7:9 fa ny adala no mora tezitra. Tsy ho sambatra koa ianao, raha mora sosotra. Marina fa tsy maintsy hiteny na hanao zavatra hampahatezitra anao ny iray tam-po aminao. Mieritrereta anefa hoe: ‘Sao mba efa nanao hoatr’izany koa aho?’ (Matio 7:1-5) Hoy i Jenny: “Nieritreritra aho, tamin’izaho 13 taona, hoe izaho no tena maharaka sady tsisy mahay hoatr’ahy, dia izaho no tsy maintsy henoina. Ny zandriko vavy indray izao no manao an’izany, dia mba miezaka tsy ho tezitra aminy aho.”
4. Mahaiza mamela sy manadino. Marina fa tsy maintsy resahina sy alamina ny Ohabolana 19:11) Hoy i Aina, 19 taona: “Mahay mifandamina foana izahay sy zandrinay. Samy mora miala tsiny izahay, sady manazava hoe inona no nahatonga an’ilay ady. Indraindray tsy resahiko amin’iny andro iny ilay olana, fa mieritreritra tsara aho aloha. Matetika no lasa tsy mampaninona ahy intsony ilay izy ny ampitso, dia tsy resahiko indray.”
olana lehibe, nefa izay fahadisoana kely ataon’ny zandrinao na ny zokinao ve dia itenenanao azy daholo? Ho faly Andriamanitra raha “mamela fahadisoana” ianao, ka manadino. ( 5. Antsoy ny ray aman-dreny. Ho hita hoe efa mihamatotra ianareo, raha mahay mandamina irery ny adinareo. Raha tsy voalaminareo anefa ilay izy, dia asaivo manampy anareo ny ray aman-dreninareo.—6. Jereo ny toetra tsarany. Azo inoana fa manana toetra tsara ny zandrinao na ny zokinao. Soraty eto izay toetrany tianao.
Anarana
․․․․․
Ny toetrany tiako
․․․․․
Aza variana amin’ny toetra ratsiny fa mba resaho aminy ireo toetra tsarany ireo.—Salamo 130:3; Ohabolana 15:23.
Milaza ny Baiboly fa tsy voatery ho mpinamana be ny mpiray tam-po. (Ohabolana 18:24) Hifankatia kokoa anefa ianareo raha mahay ‘mifandefitra’, na dia efa hita aza fa diso ny iray. (Kolosianina 3:13, Fandikan-teny Katolika) Tsy ho tezitra be aminy ianao amin’izay, ary izy koa tsy ho sosotra be aminao!
Ahoana no hahalalanao raha efa afaka mahaleo tena ianao?
ANDININ-TENY MAHASOA
“Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.”—Filipianina 4:5.
SOSO-KEVITRA
Aza kivy na dia mandreraka anao aza ny iray tam-po aminao. Tadidio fa manampy anao hanana toetra tsara sy hahay hifandray amin’olona izany.
FANTATRAO VE... ?
Mety ho tafaraka amin’olona masiaka, tia tena, na tsy miraharaha ny hafa ianao, any am-piasana na any an-toeran-kafa. Hahay handefitra amin’ny olona toy izany anefa ianao, raha izao dia efa mianatra tsy hiady amin’ny iray tam-po aminao.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Ireto ny fitsipika mba tiako hifanarahana amin’ny zandriko na zokiko: ․․․․․
Izao no hataoko mba tsy ho tezitra be amiko intsony izy: ․․․․․
Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianareo no tsy tokony ho variana miady, fa hijery mihitsy hoe inona no tena olana?
● Inona no mahatsara ny hoe manana zoky na zandry?
[Teny notsongaina, pejy 46]
‘‘Tiako be mihitsy ny niaraka tamin-dry zandrinay. Soa ihany aho fa nanan-jandry! Raha manana zoky na zandry ianao, dia tiavo izy fa tsisy hoatr’azy!’’—Miary
[Efajoro, pejy 42]
Fanampiana hisaintsaina
Inona no tena olana?
Tianao ve ny hahay hamantatra hoe inona no tena mahatonga anao sy ny iray tam-po aminao hiady lava? Vakio ny tantaran’ny ankizilahy iray ao amin’ny Lioka 15:11-32. Niala tao an-tranony izy, ary nandanilany ny lovany. Diniho tsara ny fihetsiky ny zokiny rehefa nody ilay ankizilahy, ary valio ireto fanontaniana ireto:
Inona no zava-nitranga nahatezitra an’ilay zokiny? ․․․․․
Inona anefa no tena olana, araka ny hevitrao? ․․․․․
Ahoana no nandaminan’ny dadany an’izany? ․․․․․
Inona kosa no tokony hataon’ilay zokiny mba hampilamina an’ilay olana? ․․․․․
Ahoana kosa ny aminao sy ny iray tam-po aminao? ․․․․․
Inona ilay zavatra nampiady anareo farany? ․․․․․
Inona no tena olana, araka ny hevitrao? ․․․․․
Inona no fitsipika azonareo ifanarahana mba hamahana ilay olana sy tsy hampiady anareo intsony? ․․․․․
[Sary, pejy 43]
Azo oharina amin’ny mony ny adin’ny mpiray tam-po. Aleo ny tena antony nahatonga azy no fantarina sy itadiavana vahaolana