Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

Hira 133

Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

(Matio 13:4-8, 19-23)

1. Avia ianareo tia an’i Jehovah,

Dia ianareo mpanompony.

Ataovy ny asa nanirahany,

Tahafo Jesosy Kristy.

Koa aoka hafafinareo hatrany

Ny voan’ilay Fanjakana.

Mahareta manampy ny olona,

Ho voninahitr’i Jehovah.

2. Ho lanin’ireo ‘voron’i’ Satana

Ny voa eny an-dalana.

Izay eny amin’ny tany be vato

Dia ho main’ny hafanana.

Ireo fanahiana dia toy ny tsilo,

’Zay mangeja mafy ny voa.

’Reo eny amin’ny tany tsara kosa

Dia haniry sy hamoa tokoa.

3. Ilaintsika ny manao fiezahana,

Mba hahazoana vokatra.

Mahareta, ampio ireo mpianatra

Hiatrika fitsapana,

Ka tsy ho voafitaky ny harena

Sy fahafinaretana.

Dia hamokatra telopolo na koa

Zato heny ny asantsika.