Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ambarao ny Andro Famalian’i Jehovah

Ambarao ny Andro Famalian’i Jehovah

Hira 189

Ambarao ny Andro Famalian’i Jehovah

(Isaia 61:2)

1. Maneno ny trompetra,

Mazava ny feony.

Ny andron’i Jehovah

Dia efa akaiky.

Koa mazotoa mitory

Ilay Fanjakana.

Ampitandremo àry

Ireo mpanohitra.

2. An’i Jehovah ny ady,

Tarihin’i Kristy.

Hanao ny rariny izy,

Tsy maintsy handresy.

’Reo tetik’i Satana,

Tsy hisy hahomby.

Jehovah no manampy

Antsika handresy.

3. Ny mpiambin’i Jehovah

Dia mampitandrina:

Ny andro famaliana,

Ho avy tsy ho ela.

Voafetra ny fotoana

Nomen’i Jehovah

Mba hampielezantsika

Ny fahamarinana.