Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana
Hira 192
Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana
1. Fahiny dia tsy fantatra
Ny tena fahamarinana.
Izao kosa ny marina,
Nohazavain’i Jehovah.
2. Koa nofidin’i Jehovah
Hanompo azy isika,
Hitory ny Fanjakany,
Hidera ny anarany.
3. Mitory eny an-dalana
Sy isan-trano isika,
Mampianatra ny marina,
Mitondra fanafahana.
4. Asaintsika ny rehetra
Hanompo an’i Jehovah.
Isika tsy hivadika,
Hamita ny fitoriana.