Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra no Ankatoavy fa Tsy Olona

Andriamanitra no Ankatoavy fa Tsy Olona

Hira 2

Andriamanitra no Ankatoavy fa Tsy Olona

(Asan’ny Apostoly 5:29)

1. Jehovah no tompointsika.

Maneso ny olona.

Adala, hono, isika;

Tsy mampaninona.

Aza manaiky olona,

Jehovah no ekeo.

Matoa isika velona

Dia satria izy eo.

2. Omentsika an’i “Kaisara”

’Zay tokony ho azy;

Manaja an’i Jehovah

Ny fanao toy ’zany.

Satria ’sika navotana,

Dia tena vonona

Amin’ny fo sy ny saina,

Hanompo an’i Jah.

3. Raha te hidera an’i Jah

Sy hanompo azy,

Tsy maintsy halavirina

Ireo fanao ratsy.

Omentsika an’i Jehovah

’Zay tokony ho azy,

Fa izy no Avo Indrindra;

Derao ny anarany.

4. Ny fanompoana masina

Hotohizintsika,

Satria tsy maintsy ampiana

’Reo tia ny marina.

Raha misy fanenjehana,

Izao no tsarovy:

Tsy mba hafoin’i Jehovah

’Reo mankatò azy.