Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitrahantsika ny Fangoraham-pon’Andriamanitra

Ankasitrahantsika ny Fangoraham-pon’Andriamanitra

Hira 152

Ankasitrahantsika ny Fangoraham-pon’Andriamanitra

(Romanina 11:33-35)

1. Tsy ho takatry ny saina

Ny fahaizan’i Jehovah.

Lehibe ny fahendreny,

Ka tsy hay fantarina.

Iza no nanolo-tsaina

Sy nampianatra azy?

Iza no nanome azy,

Ka tsy maintsy valiany?

2. Hoderaintsika Jehovah

Noho ny fangoraham-pony.

Aok’ isika hanolo-tena

Mba hanao ’zay sitrany.

Ilay voady nataontsika

Dia hajaintsika foana.

Ny saintsika manontolo,

Hanompoantsika an’i Jah.

3. Koa havaozy ny toe-tsaina,

Aok’ isika hanetry tena.

Avelao ny fanao ratsy,

Hatanjaho ny finoana.

Mivavaha mandrakariva,

Ka araho ny marina.

Raha mifankatia isika,

Hahita fiadanana.