Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho Ireo Fampahatsiahivan’Andriamanitra

Ankasitraho Ireo Fampahatsiahivan’Andriamanitra

Hira 59

Ankasitraho Ireo Fampahatsiahivan’Andriamanitra

(Salamo 119)

1. Sambatra ’reo tia an’i Jehovah,

Mitady azy amin’ny fo,

Mankatò ny didiny rehetra

Sy ’reo lalàny mahasoa.

Sitrak’izy ’reo ny teniny

Sy ny hatsaram-panahiny.

Ankamaminy koa ’reo lalàny,

Jehovah no andrasany.

2. Lehibe ny hatsaram-pon’i Jah,

Tena mahatalanjona.

Na maro aza ireo mpanaratsy,

Izy miaro antsika.

’Reo tia ny lalàn’i Jehovah

Dia hahazo fiadanana.

Harena ny Tenin’i Jehovah,

Ka mahafaly antsika.

3. Ray ô, henoy ny fitalahoanay,

Mba hazavao ny Teninao.

Valio koa ny vavaka ataonay,

Aoka hamonjy anay ianao.

Tsy hivadika aminao ’zahay,

Ka ’zay lazainao no hataonay.

Tia rariny, mahatoky ianao,

Omenao hery izahay.