“Aoka Andriamanitra no ho Hita fa Marina”
Hira 170
“Aoka Andriamanitra no ho Hita fa Marina”
1. Jehovah tia ny marina,
Ka tsy mba mandainga.
Izay rehetra lazainy
Dia azo antoka.
Mandainga ny olon-drehetra,
Fa tsy mba toa azy.
Ny lalany dia rariny,
Satria mahatoky izy.
2. Ny asa nataon’i Kristy
Sy ny fitoriany
Dia nampiseho fa marina
Ny Tenin’ny Rainy.
Ny sitrapon’i Jehovah
Notanterahiny.
Nampiany koa ireo tso-po,
Ho tia ny rariny.
3. Inoantsika fa Jehovah
Dia fahamarinana.
Tsy mahakivy antsika
Ireo mpanohitra.
Ny Tenin’Andriamanitra,
Torio eran-tany.
I Jehovah no marina,
Ka ekeo hatrany.