Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Hamirapiratra ny Fahazavantsika

Aoka Hamirapiratra ny Fahazavantsika

Hira 63

Aoka Hamirapiratra ny Fahazavantsika

(Matio 5:16)

1. Nomen’i Jehovah

Ny hazavana,

Satria eto an-tany

Feno haizina.

Avy ao an-tempoly

Ny hazavana,

Manome antsika

Fitarihana.

2. Fa isika kosa

’Ndao hampionona

Ireo malahelo

Namoy havana.

Nomen’i Jehovah

Hery isika,

Mba hanambarana

Ny vaovao tsara.

3. Jehovah manampy

Ny mpanompony

Mba hitanany tsy

Fivadihany.

Amim-pifaliana,

Miderà azy.

Ambarao hatrany

Ny anarany.