Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Hamaly ny Fitiavan’Andriamanitra

Aoka Isika Hamaly ny Fitiavan’Andriamanitra

Hira 50

Aoka Isika Hamaly ny Fitiavan’Andriamanitra

(1 Jaona 4:11)

1. Ianao, Jehovah Rainay, tianay amin’ny fonay,

Ka omenay voninahitra.

Derainay ny anaranao, torinay ny Teninao;

Ianao no tena Mpampianatra.

Lehibe ny fitiavanao, tia rariny koa ianao,

Mahery sy be fahendrena.

Nomenao toky ’zahay fa raha madio ny fonay,

Ny fitahianao ho tondraka.

2. Tia anay tokoa ianao, nomenao ny Zanakao,

Ka hamaly fitia ny fonay.

Nampianarin’i Kristy ny lalana mahitsy,

Mba hiainanay ho mandrakizay.

Tena tia tokoa izy, ka nanaiky ho faty

Ho sorona ho an’ny olona.

Kristy mitarika anay, ka dia ankatoavinay,

Mba hahazoanay ny fiainana.

3. Hazoto hatrany ’zahay, ny marina torinay,

Na misy aza manohitra.

Hanompo amin’ny fo ’zahay mba ho porofo

Fa tianay ny olon-drehetra.

Ny fifankatiavana sy ny firaisan-tsaina

No tokony hampiavaka anay.

Ny asan’i Jesosy no ataonay hatrany,

Mba hankasitrahany anay.