Aoka Isika Hamindra Fo
Hira 215
Aoka Isika Hamindra Fo
1. ‘Efa ho tonga ny safodrano’,
Hoy Jehovah tamin’i Noa,
‘Mandehana manao sambofiara,
Mitoria amin’ny olona.’
I Noa ve nanda ilay asa,
Satria mbola tsy hainy ’zany?
Nankatò an’i Jehovah izy,
Ary namindra fo toa azy.
2. Horinganin’i Jah ’zao ny ratsy,
Nefa be famindram-po izy,
Ka asainy torina izany;
’Zay mihaino dia ho voavonjy.
Ianao ve hanao hoe: “Tsy mahay aho”,
Ka tsy sahy mitory ianao?
Tadidio ny famindram-pon’i Jah,
Ny fanahiny hanampy anao.
3. Ampianarin’i Jehovah isika,
Mbola mamindra fo izy ’zao.
Faly ’sika fa efa mahita
Taratry ny tontolo vaovao.
Anehoy famindram-po ny hafa,
Itorio ny olona rehetra.
Ampio izy mba hanolo-tena
Sy hanompo an’i Jehovah.