Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Hanaja ny Tranon’Andriamanitra

Aoka Isika Hanaja ny Tranon’Andriamanitra

Hira 118

Aoka Isika Hanaja ny Tranon’Andriamanitra

(Malakia 3:10)

1. Toerana tsara sy mendrika,

Mahatehotia ny tranon’i Jah.

Ao no iderana ny anarany,

Voatokana hanompoana azy.

Hotahafintsika i Nehemia,

’Zay tia an’i Jah sy ny ‘tranony.’

Ny ‘fananantsika’ atolotsika

Mba hankalazana an’i Jehovah.

(Averina isan’andininy)

2. Toy ny mpianakavy ny olon’i Jah,

Mahay miray saina, miara-miasa,

Satria ny “mpanompo” mahatoky

No manampy azy hifankatia.

’Zay tsara indrindra no mendrika

Ho an’i Jehovah Tompontsika.

Be ny fifaliana sy fitahiana

Ho azon’ireo tia ny tranon’i Jah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tiantsika sy hajaintsika

Ny tranon’Andriamanitra.

Isika no vahoakany,

Mahazo ny fiarovany.