Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Haneho Fitiavana

Aoka Isika Haneho Fitiavana

Hira 86

Aoka Isika Haneho Fitiavana

(1 Korintianina 13:8)

1. Jehovah manome antsika

Fitaovana sy fahaizana,

Mba hanatanterahana

Ny sitrapony masina.

Ireo vokatry ny fanahy

Dia samy tena ilaina,

Kanefa ny fitiavana

No sarobidy indrindra.

2. Ny toetra tsara dia ilaina

Rehefa manao fanompoana,

Kanefa ny fitiavana

No tena ilaina indrindra.

Tsy ampy ny fahaizana,

Mba hanampiana ny hafa.

Koa manehoa fitiavana,

Eo amin’ny fanompoana.

3. Koa aok’ isika hifankatia

Sy hifandefitra hatrany.

Ampaherezo ny hafa,

Ampio ’zay tsy matanjaka.

Rehefa manome ’sika,

Hahita fahasambarana.

Koa manehoa fitiavana,

Tahafo àry Jehovah.