Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Hifikitra Amin’i Jehovah Andriamanitsika

Aoka Isika Hifikitra Amin’i Jehovah Andriamanitsika

Hira 131

Aoka Isika Hifikitra Amin’i Jehovah Andriamanitsika

(Josoa 23:8)

1. Jehovah irery no ivavahantsika,

Ilay anehoantsika fahafoizan-tena.

Ny andriamani-diso, ankahalaintsika.

Hifikitra amin’i Jehovah isika,

Ka ny sitrapony aoka hataontsika.

2. Tanteraka foana ny fampanantenany.

Hesoriny ’reo fijaliana eto an-tany.

Ny ady hofoanan’ilay Fanjakany.

Koa aoka isika hifikitra aminy,

Satria ny fiadanana avy aminy.

3. Vakio isan’andro ny Tenin’i Jehovah.

Hifikitra aminy, hankatò isika.

Ho tia sy hanompo an’Andriamanitra,

Hianatra ny fikasany isika,

Ny hanompo azy no tena tiantsika.