Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Tsy Hivadika

Aoka Isika Tsy Hivadika

Hira 38

Aoka Isika Tsy Hivadika

(Salamo 18:25)

1. Ny vahoakan’i Jehovah

Tsy mivadika aminy,

Sambatra manompo azy,

Miaro ny anarany.

Ary isan’andro izy

Ampianarin’i Jehovah.

’Zay lazainy sy ataony,

Mampifaly an’i Jah.

2. Tsy hivadika isika,

Hiaro ny fiangonana.

Koa ny hampandroso azy

No ataovy tanjona.

Tsy hivadika isika

Raha misy fanenjehana.

’Reo mpanohitra rehetra

Tsy haharesy antsika.

3. Tsy hivadika isika,

Ka hanampy ’reo rahalahy.

Rehefa miara-manompo,

Aoka ho tsara fanahy,

Ary koa hifampatoky

Toy ny fianakaviana.

Mampiavaka antsika

Ny tsy fivadihana.

4. Tsy fahita ankehitriny

Ny tsy fivadihana.

Isika rehetra kosa,

Aoka tsy hivadika.

Asehoy amin’izany

Fa mpandainga i Satana.

Mampifaly an’i Jehovah

Ireo tsy mivadika.