Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Tsy Hivadika toa An’i Rota

Aoka Isika Tsy Hivadika toa An’i Rota

Hira 120

Aoka Isika Tsy Hivadika toa An’i Rota

(Rota 1:15-17)

1. Nilazan’i Naomy i Rota

Mba hiverina any Moaba.

Tsy nety nandeha anefa izy,

Satria tena tia an’i Naomy.

2. ‘Ianao tsy mba hilaozako;

’Zay alehanao, halehako.

’Zay onenanao, honenako;

Any koa no hilevenako.’

3. ‘Hotiaviko ’reo havanao,

Hotompoiko ny Andriamanitrao.

Tsisy hampisaraka antsika,

Afa-tsy ny fahafatesana.’

4. Ny finoan’i Rota, niavaka,

Mendrika ny hotahafina.

Aok’ isika tsy hivadika,

Fa hanompo an’i Jehovah.