Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

Hira 34

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

(Isaia 43:10-12)

1. Jehovah Tompo, mahery indrindra,

Tia rariny sy be fitiavana.

Hendry ianao, ry Mpanjaka malaza,

Avy aminao ny fahamarinana.

Faly manompo anao ny anjely;

Ny zavaboary mankalaza anao.

Vavolombelonao ’zahay, Jehovah,

Ka te ho mendrika ny anaranao.

2. Tianay rehetra ny hanompo anao

Ary hampianatra ny ‘ondrinao’,

Hanara-dia an’i Jesosy Kristy

Sy hankatò ny toromarikao.

Tandremanay ny fitondran-tenanay

Mba tsy hanaratsy ny lazanao.

Tombontsoa ny fanompoana ataonay;

’Zahay ho mendrika ny anaranao.

3. Mpanomponao izahay, ry Jehovah,

Ka hiray saina sy hifankatia.

Hidera anao isan’andro izahay,

Ka ny fonay ho faly hatrany.

Ny olona hampianay ho voavonjy,

Ny anaranao hohamasinina,

Satria ny tena irinay indrindra

Dia ny hampifaly anao, Jehovah.