Araho Ilay Mpanjaka Mandresy!
Hira 209
Araho Ilay Mpanjaka Mandresy!
1. Manaova hira ho an’i Jehovah,
Ka ambarao ilay Fanjakany.
Hafatra lehibe no torintsika
Amin’ny olona eran-tany.
(Averina isan’andininy)
2. Ianareo miaramilan’i Jehovah,
Raiso ny ampingan’ny finoana.
Sabatry ny fanahy ny Tenin’i Jah,
Fiarovan-doha ny famonjena.
(Averina isan’andininy)
3. Jehovah no miady ho antsika,
Satria tsy ampy ny herintsika.
Hahazo ny fandresena isika,
Ka hankalaza an’i Jehovah.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Mandrosoa, (Roso!)
Ka manompoa! (Ka manompoa!)
Aza mba matahotra
An’ireo mpanohitra.
Ekeo hatrany ’lay Mpanjakantsika.
Ho azo ny fandresena.