Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Izay Hampahomby ny Lalanao

Ataovy Izay Hampahomby ny Lalanao

Hira 40

Ataovy Izay Hampahomby ny Lalanao

(Josoa 1:8)

1. Hoy Jehovah Andriamanitra

Tamin’i Josoa:

‘Ny Lalàko, vakio mora

Andro aman’alina.

Ankatoavy ny didiko,

Ho mpitarika anao,

Mba hahomby ny lalanao,

Hahitsy ny fonao;

Mba hahomby ny lalanao,

Hahitsy ny fonao.’

2. Ny mpanjakan’ny Israely

Nasaina nandika

Ny Lalàn’Andriamanitra,

Ho azy manokana.

Hovakiny isan’andro io,

Hanetry tena izy,

Hotahin’i Jehovah izy,

Ho maro ny androny;

Hotahin’i Jehovah izy,

Ho maro ny androny.

3. Nomen’i Jah ny Baiboly,

’Zay manampy antsika,

Sady mitari-dalana

Amin’ny fiainana.

Raha ekentsika ny heviny

Sy ny sitrapony,

Dia ho zatra ny saintsika

Hankatò hatrany;

Dia ho zatra ny saintsika

Hankatò hatrany.