Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Izay Takin’Andriamanitra

Ataovy Izay Takin’Andriamanitra

Hira 26

Ataovy Izay Takin’Andriamanitra

(Apokalypsy 12:17)

1. Isika tsy hivadika,

Haneho fahatokiana.

Torio amim-pifaliana

Ny anaran’i Jehovah.

Vavolombelona, omeo

Fiononana ’reo mitoreo.

Izay misento ampio koa,

Hamonjy azy ny Tompo.

2. Raha tsotra ny masonao,

Hatanjaka ny finoanao.

Tandremo tsara ny fonao,

Mba hiaina ho doria ianao.

Hotorintsika ny Teny,

Ka maro no handre ’zany.

Araho ny lala-mahitsy,

Ka miravoa sy mifalia.

3. Tiavo ’reo rahalahintsika,

Ampio ny mpiara-belona.

Aok’ isika hihavana

Amin’ny mpiray finoana.

Ankamamintsika tokoa

Ny fanompoana ny Tompo.

Aok’ isika ho masina,

Mba hoderaina Jehovah.