Avia Hirao Ilay Fanjakana!
Hira 181
Avia Hirao Ilay Fanjakana!
1. Avia hirao ’lay hiram-pandresena,
Ankalazao ny Avo Indrindra.
Hirao ’lay hiran’ny fanantenana,
Izay manampy tsy hivadika:
‘Manjaka izao I Jehovah.
Koa mifalia sy mihirà.’
Jesosy dia nahazo fahefana.
Ny Fanjakany no hiraintsika.
2. Ambarantsika ilay Fanjakana.
Jesosy no hitondra ny tany.
Lazao fa misy firenena vaovao,
Izay manaiky ny fahefany.
‘Miankohofa amin’i Jah,
’Lay Mpanome fiadanana.
Ianaro ’lay hiran’ny Fanjakana,
Ho azonao ny fitahian’i Jah.’
3. Io hira io hain’ny manetry tena,
Satria mazava sy mampientam-po.
Vahoaka be no efa mianatra azy,
Ary manasa ny hafa ihany koa:
‘Avia derao, tompoy i Jah;
’Reo maty dia hatsangana.’
Koa mihirà, ankalazao Jehovah.
Avia hirao ilay Fanjakana!