Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Matahotra Azy Ireo!

Aza Matahotra Azy Ireo!

Hira 27

Aza Matahotra Azy Ireo!

(Matio 10:28)

1. Mandrosoa ka mahereza,

Ry Vavolombeloko.

Ambarao ny anarako,

Torio ny Fanjakako.

Lazao fa efa manjaka

Izao Jesosy Kristy,

Ka hafatotra tsy ho ela

Satana ’lay rafiny.

(Averina isan’andininy)

2. Na dia mampahory aza

Ny fahavalonareo,

Na mandrahona izy ’reo

a mamitaka anareo,

Aza mba matahotra azy,

Mahereza hatrany.

Aok’ ianareo hahatoky,

Fa izaho hanampy.

(Averina isan’andininy)

3. ’Zaho no hery sy ampinga,

Koa aza matahotra,

Fa raha tsy mivadika

Dia mbola hatsangana.

Raha mandrahona ’reo ratsy,

Ianareo harovako,

Ry Kristianina mahatoky,

Sarobidy amiko.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Aoka ianao hahatoky,

Aza mba matahotra;

Fa na maty aza ianao,

Tsy hafoin’i Jehovah.